Andro ratsy dia fihotsahana

Mbola tsy notandindomin-doza tahaka izao mihitsy ny firenena. Raha orana mikija no mirotsaka aty anivon-tany, indrindra eto an-dRenivohitra, dia haintany sy kere kosa no mianjady amin’ny faritra sasany any atsimo tao ho ao. Ny harivan’ny 5 marsa 2015, ny tarehimarika vonjy maika navoakan’ny BNGRC (Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny antambo voajanahary) momba ny tondra-drano mahazo ny faritr’i Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro dia milaza fa nisy maty 25 ary tra-boina 88.253 ka ny 39.122 tsy maintsy nifindra fonenana ; ny 3 marsa, niisa 581 ny trano simba, ary dibo-drano kosa ny trano fonenana 1.598 sy ny tanimbary 6.339 hekitara. Nampitomboin’ny orana izaitsizy ny lavaka saika teny amin’ny arabe rehetra mihitsy eto an-drenivohitra, izy no namaky fefiloha tamin’ny toerana maro noho izy ireny tsy mba nokojakojaina, ary tety an-tanàna dia mbola izy koa no nampikororosy bateria sy nampihotsaka tany ary nahatonga vatolampy manambana ny hikodia. Miombona alahelo amin’ny fianakaviana namoy havan-tiana ny SeFaFi ary miombom-pijaliana amin’izay rava fananana.

Alamindamin-dratsy eo ny fanampiana, toa maro sahanina ny BNGRC nefa tsy tena mangarahara ny fiandraiketany ny seraserany sy ny lamin’asany, ary noho izy ela loatra sy mitavozavoza manoloana ny hamehana dia mimenomenona ny olona sy ny mpiara-miombona antoka samihafa. Dia nisy ny andraikitra noraisin’ny olon-tsotra mba hamonjena ny tra-boina. Nihetsika ny Vokovoko Mena, tsy mbola niasa mafy tahaka izany ny mpamonjy haintrano. Afa-tsy ilay fandehanana teny an-toerana nandrakotra ny filazam-baovao tamin’ny 28 febroary kosa dia saika tsy mba hita mihitsy ny fanjakana. Mandritra izany ny vidin’ny zava-pihinana sy ilaina andavanandro dia nanakatra ny fara tampony, ary tsy maintsy mbola hiakatra ny an’ny legioma sy ny vary satria aman-jato na hekitara maro ny tanimboly sy ny tanimbary difotry ny rano. Hafaliana ho an’ny matim-bola kosa ny fisian’ ny loza voajanahary (tena nisy tokoa va re izany vary lo nafangaro tamin’ny vary vao izany dia natao anaty gony ary namidy teto an-drenivohitra ?), toy izany koa ireo mpanodinkodina ny fanampiana, ary ny antoko na vondrona politika sasantsasany misarika mpifidy.

Goavana ilay loza mahazo ka tsy maintsy mandray ny andraikiny avy ny olona rehetra tokony hampandeha ny fiainam-pirenena. Tsy azon’ny mpitondra tsotsorina fotsiny amin’ny hoe « mbola tsy nisy oram-be tahaka ity », fialan-tsiny tsy mitombina izany, toy izany koa ny hoe fanorenan-trano tsy ara-dalàna. Ekena fa manentsina ny lakandrano sady mandoto rivotra ary manapariaka ny mikraobany ny olona manary ny fakony eny amin’ny arabe, mivalan-drano eny am-bodi tamboho, mandrehoka avy eny ambony taksibe, toy izany koa mampihombo ny todra-drano ny olona manorina trano tsy ara-dalàna sy tsy azo antoka eny ambonin’ny lakandrano. Fa iza anefa ny tena tompon’andraikitra ? Ny mpiasan’ny CUA (Commune urbaine d’Antananarivo) izay nanome an-kamorana ny alalana ahafaha-manorina, ny mpiasan’ny APIPA (Fahefana miaro ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano) izay nanaiky ny hanotofana ny faritra arovana, ny mpiasan’ny Fananan-tany izay nanao risoriso tamin’ny tanim-panjakana, ny orinasa izay nanao ny fanotofana an-tsokosoko, fa ny voalohany indrindra dia ny ben’ny tanàna sy ny PDS nifandimby nitondra an’Antananarivo. Tsy lazaina intsony ny momba ireo manampahefana ambony izay nanaiky ny nanaovana an’izany na tena niray tsikombakomba mihitsy aza.

Misy lesona tsy maintsy tsoahina manoloana izao fahavoazana tsy roa aman-tany izao, indrindra moa fa ny mahantra fadiranovana no mizaka ny tena mavesatra noho io tsy fitandreman’ny besinimaro io. Volana vitsivitsy sisa dia hatao ny fifidianana ny kaomina ka tokony havaozina daholo ny politikam-pirenena momba ny tanàn-dehibe. Dia hanafintohina ve raha takiana amin’ireo izay milatsaka hofidiana ben’ny tanàna, indrindra any amin’ny tanàna lehibe, ny hampahafantarany izay tetik’asa momba ny tanàna hampihariny raha lany izy ? Raha tsy vitany izany satria tsy ampy ny fiheverany ny fireneny sy ny fiheverany ny ethika ary ny herimpony ara-politika dia azo atao tsara ny mamorona lalàna izay manery azy hanao izany. Satria tsy azo veroka mihitsy izany hoe kandidà ho ben’ny tanàna izany nefa tsy manana tetik’asa akory enti-mampandroso ny tanàna ! Amin’izay isika dia ho afaka amin’ilay « eo am-pandrasana mahita ny atiny » nanazaran’ny ben’ny tanàna sy ny PDS nifandimby tamin’ny tanàna rehetra teto amin’ny Nosy antsika. Diovina ny lakandrano alohan’ny fahavaratra, amboarina ny lalana alohan’ny hahapotehany tanteraka, omena ny alalana hanorina trano rehefa misy lafiny tekinika marim-pototra fa tsy rehefa misy sisi-bola, atsahatra ny kolikolin’ny polisin’ny fivondronana sy ny tsy fanarahan-dalàn’ny mpamily taksibe, aiditra foriera ny fiara mibahana ny sisin-dalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra, averina amin’ny mpandeha tongotra ny sisin-dalana ary saromana tsara ny tatatra, terena ny mpivarotra hamela ny arabe ho an’ny fiara : ireo fepetra tokony handeha ho azy ireo ve dia tsy ho azo tanterahina mihitsy eto Madagasikara ?

Aoka koa hatsahatra ny fanamboamboarana ny saim-bahoaka sy ny an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mivazavaza rivodoza nefa tsy misy loza manambana akory, na manambara fahavoazana nentin’ny rivodoza nefa dia rivo-mahery tropikaly ihany no nandalo, izany dia manao tsinontsinona ny olona malala-tanana mpanome fanampiana (izay tsy voafitaka velively akory) sy ny vahoaka (izay tofoka no hiafarany). Momba ny andro ratsy faramparany teo dia toy izao no voalazan’ny lahatsoratra an-gazety iray izay hita ho avy amina loharanom-baovao azo antoka : « Ho an’ny afovoan-tany, ary ho an’Antananarivo manokana, ny fitambaran’ny DJF2015 [Desambra 2014, Janoary sy Febroary 2015 – ndlr] dia tsy lavina fa nihoatra ny mahazatra saingy tsy dia nankaiza loatra velively. Tsy orana nentin’ny rivo-doza ireny fa nateraky ny andro ratsy naharitra iray volana mahery teto Madagasikara. » (Midi-Madagasikara, 4 marsa 2015). Marihina anefa fa tena nisy ny fihatsarana lehibe : ny 12 janoary 2015, efa nananontanona i Chedza, ny site web-n’ny sampana mpamantatra ny toetrandro malagasy izay tsy nokasihina intsony hatramin’ny 18 novambra 2014, dia mbola i Adjali no noresahiny. Fa izao kosa dia toa efa tsy tratra aoriana intsony ny sampan-draharaha miandraikitra an’izany.

Aoka koa hoezahina ny haha matihanina sy tsy hidirana politika ny sampan-draharaha misahana ny loza sy ny antambo voajanahary mety hitranga. Ny lehiben’ny BNGRC ankehitriny dia notendrena tamin’ny 17 oktobra 2014, tena teo an-katoky ny fotoanan’ny rivodoza mihitsy, miharihary fa mason-tsivana politika no nampiasaina satria ilay teo alohany dia vao notendrena tamin’ny marsa 2013. Dia hahagaga ve raha toa ka ny drafitra fiomanana hita ao amin’ny site web-n’ny BNGRC dia mbola ny an’ny 2013-2014 ihany ary mbola tsy voavoatran’ny BNGRC foana ny firafiny. Manoloana ny loza voajanahary farany teo izay azo lazaina fa tsy dia nahery vaika firy, ny mpiara-miombona antoka rehetra ao amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena dia samy niandry fitarihana na kely fotsiny aza avy amin’ny olom-pirenena saingy tsy nisy izany.

Etsy an-danin’izany isika dia tsy tokony hanadino ireo firenena manodidina antsika : ny 2 marsa, nahafaty olona maherin’ny 50 ny tondra-drano tany avaratr’i Tanzania. Mpikambana ao amin’ny SADC tahaka an’i Madagasikara i Tanzania : io fikambanam-paritra izay kinga ery rehefa hanafay io ve tsy mba tokony koa hampiseho fiaraha-mientana ?

Inona no azo atao fehin’izany rehetra izany ? Ny andro ratsy dia nampiharihary fa mihotsaka daholo ny zava-drehetra. Ary tsy ny hetsika fangatahana fanao isan-taona mihitsy akory no hanarina ny toe-draharaha, fa ny fanaovana drafitra maty paika, ny fanorenana trano manara-penitra, ny fikojakojana tsy an-kiato, ny fanafoanana ny kolikoly, ny fialana amin’ny politika ao amin’ny fitantanana ny loza mety hitranga sy ny antambo voajanahary. Miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiara-miombona antoka sy ny namana, mampiasa ny fahaizan’ny olom-pirenena izay tsy maintsy avondrona, dia tsy azo ampiandrasina intsony ny fanatontosana tombana tsy misy henamaso toy izany koa ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny loza sy antambo voajanahary1.



Naoty :

1 Ny tetik’adim-pirenena ankehitriny dia nampiharina tamin’ny 1999 ary natao ara-dalàna tamin’ny lalàna lah. 2003-010 ny 5 septambra 2003. Saingy tsy tafiditra lalina tao amin’ny sehatry ny asan’ny Hyogo (novolavolaina taorian’ny Tsunami 2004).

Antananarivo, androany faha-07 Martsa 2015