Fampihavanana sy fahefana

« Fampihavanana » : inona no tena famaritana marina an’io teny io, dradradradrain’ny rehetra izy io nefa tsy mitovy ny fandraisan’ny tsirairay azy, ohatra ny efa mpitranga matetika eto Madagasikara ? Mipoitra ho azy avy amin’izany ny fanontaniana hoe iza no hampihavanina amin’iza, efa noresahina matetika izany, ary anisan’ny nanao izany ny SeFaFi1 : moa ve ireo samy filoha teo aloha ? Sa ny samy mpanao politika ? Sa ny mpanao politika sy ny vahoaka ? Sa ny vahoaka samy vahoaka ?

Eo anatrehan’izany, ny fampihavanana ve tsy midika ho famahana ny olana mifandray amin’ny fahazoana ny fahefana (sy ny mifamadika amin’izany dia ny fahaverezany) ? Raha izany, ny fampihavanana dia tsy maintsy atao amin’ny ambaratongan’ny sokajy politika rehetra sy ny mpikatroka amin’ny antoko samihafa na amin’ny ankolafy. Ny olom-pirenena tsy mirotsaka anaty sehatra politika izany dia tsy voakasika eto, nefa tsy manakana azy tsy hanan-kevitra momba ity raharaha ity izany. Izy ireto indrindra mantsy no tena voakasiky ny zava-tadiavina amin’ny fampihavanana.


Fihaonana an-tampon’ny « filoha taloha »


Ny fitarainana sy ny fitakiana mamelona ny romoromo politika (izay zakain’ny olon-tsotra fotsiny) dia mikasika indrindra indrindra ny tompon’ny fahefana, ny filoha voafidy na tsy voafidy sy ny mpomba azy efa nisotro ny aleoko maty. Toa rariny loatra raha atao izay hampihaonana an-dry zareo ireo, saingy tsy maintsy faritana mazava ny tanjona kendrena amin’izany. Iza amin-dry zareo moa no ho sahy hilaza fa tsy mpihatsy mba nohatsiana, mpampiditra am-ponja mba nampidirina am-ponja, mpandroaka mba natao sesitany, mpiampanga amin’ny fitsarana mba nomelohina ? Ny tetika maizimaizina izay kianin’ny sasany dia izy ihany no efa nampiasa azy hamelezana ny hafa, ary izany dia misy ifandraisany hatrany amin’ny fahazoana na fahaverezan’ny fahefana. Ho an’ny vahoaka dia efa mahatofoka, mahadikidiky mihitsy aza, ny mahita izany, tahaka ireny ilay mijery horonantsary tsy dia mankaiza loatra averina lava amin’ny fahitalavitra ireny.

Aoka àry hifamory ireny « taloha » ireny, izay sady mpametsifetsy no nofetsifetsena : hifankahazo tanteraka izy ireo satria samy mahalala ny anton’ny zavatra nataony tsirairay avy noho izy sady nampanao azy ireny no niharany koa. Afaka mifamela heloka noho ny herisetra nifanaovany izy ireo satria samy nandray anjara tamin’izany. Azony atao ny mihomehy manoloana ny zavatra takian’ny fakana fahefana sy ny fihazomana azy. Afaka mifanome isa izy, mampitaha ny tetik’adiny, ny zavatra nanosika azy, ny fandreseny sy ny fahareseny, ny fotoana nahalefy laza azy. Afaka mifanoroka izy sady manao hoe : « Eny, nataoko an’ireny ianao mba hitazonako ny fahefana ka tsy hakanao azy, na mba hakako azy taminao… Tsy aritro ilay izy, tsy atoro voanjo hadiana amin’izany ianao ! ».

Fa ankoatra an’izay, inona no liana an’io fihaonana an-tampony io ? Tsy azo atao tsinontsinona ny mety ho fahavoazana, satria samy matim-boninahitra tsy mahita afa-tsy ny tenany daholo ireo ary hanararaotra an’io fihaonana io izy mba hidera tena sy haka tombontsoa manokana, ary voalohany amin’izany ny fiantraikany any amin’ny haino aman-jery. Hihiboka ve rehefa mivory sa ho hitam-bahoaka - toy ny nataon’ny Afrikana tatsimo raha nanao ny fahamarinana sy fampihavanana ry zareo ? Eo ve no hibaboka, hadon-tratra, hangata-pamelana amin’ny olona niharam-pahavoazana ? Hiaiky heloka ve ny tompon’andraikitra tamin’ny ra latsaka ny taona 1971, 1972, 1975, 1991, 2002, sy 2009, ary hoekeny ve ny tsy hiditra intsony amin’ny raharaha politika ho antoky ny fampihavanana ? Ho seho an-tsehatra politika fotsiny ve io fihaonana io sa mba afaka manantena isika fa hahazo fanomezan-toky hahafeno fahendrena ny fakana ny fahefana sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana ? Ny ankamaroan’ireo « taloha » ireo moa dia efa am-polo taonany maro no nahazo toerana talaky maso teo an-tsehatra, ary efa nihoatra be dia be ny taona fisotroan-dronono. Rariny loatra raha tsy misy angatahina aminy intsony afa-tsy ny fahavononana hiasa ho an’ny tombontsoam-pirenena, amin’ny maha olon-kendry sy ray aman-dreny tsy mitady tombony ho an’ny tenany manokana.

Raha izany no izy, tena tsy maintsy ferana ny fahefan’io fihaonana an-tampony io, satria ny tena fampihavanana dia tsy mikasika fotsiny an’ireo andian’ny mpitondra taloha ireo. Ny tena izy dia ny fandrafetana tontolo iray ahitana fakana na fahaverezan’ny fahefana amin’ny fomba tony, sy fampiharana ny fahefana misokatra kokoa. Efa be no vita mba hahatongavana amin’izany, saingy ny olom-boafidy mihitsy no malailay fonosana amin’ny fanavaozana.


Omena vahana ny fifandimbiasana demokratika
ary hatsaraina ny fitsinjarana ny fahefana


Efa nisy fanavaozana maro nandramana mba hanatsarana ny fomba fidirana sy fivoahana amin’ny fahefana, toy izany koa ny fomba fitsinjarana azy. Nandray anjara tamin’izany hatrany ny SeFaFi2. Tsy nahomby anefa ireny ezaka ireny, ary foatoanany izao hanolorana sosokevitra vaovao.

Satan’ny filoha taloha : mba hampirisihana azy hiala amin’ny fitondrana dia nomen’ny lalàna 2013-001 sata manokana ny filoha taloha. Mampalahelo anefa fa nianona fotsiny tamin’ny tombontsoa manokana nomena azy ireo io lalàna io, ary tsy nitaky na dia kely akory aza izay tambin’izany. Tsara raha hararaotina ny fihaonana an-tampon’ny filoha taloha mba hanitsiana an’io lalàna io ho tonga mahasoa, dia ampidirina ao ny fepetra samihafa miantoka ny hisintahany tanteraka amin’ny fiainana politika, raha tsy izany dia esorina aminy ny fisotroan-dronono mampiadana sy ny tombontsoa hafa. Samy mahazo tombontsoa miavosa daholo izy ireo, tena mihoa-pampana mihitsy aza, ao amin’io sata io. Tokony ho ampy azy ireo izany, fa aoka izy tsy hampiasa indray ilay fisotroan-dronono matevina be azony hanatanterahana hambo politika vaovao indray. Efa ampy ny vahoaka ny nahita azy ela sy ny niaritra ny fahoriana nateraky ny hadisoana vitany, aoka ho an’ny tanora amin’izay ny toerana. Ho an’ny maro amin’izy ireo izany dia midika ho fandavana ny tenany, nefa tsy aleo ve izany toy izay mbola hakipilin’ny vahoaka efa tofoka eo indray. Io fisintahana io dia hanampy amin’ny fitaizana ilay kolontsaina misy fifandimbiasana demokratika, fototry ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahatezana ara-politika. Ary azo atao tsara koa anie ny manonofy e !

Ny fizotran’ny fifidianana : ny fifidianana namarana ny Tetezamita tamin’ny 2013 dia nampihatra fanavaozana nokendrena hampihena ny tombony azon’ny olona teo amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana, ary koa ny fifandirana aorian’ny fifidianana. Dia natsangana tamin’izany ny sampan-draharaha mahaleo tena iray hanatontosa ny fifidianana ; dia teraka teo ny biletà tokana ; dia lany koa ny lalàna momba ny antoko politika sy ny satan’ny mpanohitra. Manalasala ihany ny vokany, izany akory anefa tsy tokony hanakana ny hisikim-ponitra hanatsara sy hampihatra mafimafy kokoa an’ireny fanavaozana ireny. Tsy hoe hifidy lalàna vaovao indray akory na hanangana sampan-draharaha hafa indray, fa ny atao dia ny mamelona an’izy ireny amin’ny fomba mahomby, ny tsy mampiditra politika any anatiny ary ny mampiasa azy ho an’ny fifandimbiasana.

Fanapariaham-pahefana : ampahany betsaka amin’ny mponina no nataon’ny mpitondra an-jorom-bala noho izy tsy nihevitra afa-tsy ny hanamafy ny fanangonam-pahefana. Hita fa tena ilaina ny fampandrosoana mirindra ny faritra mba hanamafisana ny firaisam-pirenena. Ary ny fampihavanam-pirenena dia tsy ho vita raha atao ambanin-javatra ny fanapariahana izay sady manome fahefana no manome koa ny ilaina rehetra hanatanterahana azy3.

Ny fisaratsarahana tsy mampiray antsika : misy fanavaozana tsy maintsy heverina koa mba hialana amin’ny fisaratsarahana izay hararaotin’ny mpanao politika hanatrarana tanjona politika. Lohahevitra mahasosotra izany ary mampitebiteby koa, toy ny fisaratsarahana ara-poko, ara-paritra na ara-pirazanana, ny fifanoherana tsy mitsaha-mitombo eo amin’ny mahantra sy ny manana, ny fifandirana eo amin’ny mpifikitra amin’ny fanao taloha sy ny mpankamamy ny araka ny toetr’andro, ny tantsaha sy ny mponina an-tanàn-dehibe, ny tanora sy ny zokiolona, sns. Mitaky fisokafana sy fifanakalozan-kevitra izany rehetra izany, mitaky fifehezan-tena sy saina mahitsy. Lasa afaka miteny toa an’I Martin Luther King hoe : « miankina amin’ny hoavinao ny hoaviko ».


Ireny olana rehetra ireny matetika dia odian-tsy hita nefa miantoka ny fiaraha-miaina takian’ny firaisam-pirenena. Ireny olana ireny no tokony horesahin’io fampihavanana andrasana fatratra io, fa tsy izay fakofakon-javatra politika sady tsy mamokatra no miserana ihany. Ny fahavalon’io fampihavanana io voalohany dia ny mpanao politika, nefa izy indrindra no tokony sy tsy maintsy ho loha laharana amin’ny fanatontosana azy. Ny misantatra ny fampihavanana dia ny miady hevitra momba ireo lohahevitra lalina ireo, satria ireo no misakana sy manembantsembana ny fampandrosoana mirindra ny fiarahamonina. Ary ny fanatsarana ny fari-piainana, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana sy ny fanapariahana dia ho fampiharana azy mivantana ; izany no ho porofo fa tena miahy ny hampihavana ny firenena tokoa ny mpanao politika fa tsy hampiasa ny vahoaka ho fitaovana hanatrarany ny tanjony manokana. Momba ireo olana ireo dia adidin’ny fiarahamonim-pirenena ny manaitaitra ny mpitondra, tsy miandany amin’ny atsy na aroa, na dia hotondroina ho mpamingana na mpanaratsy na mpanohitra aza. Satria ny fiarahamonim-pirenena, tahaka ny mpanao politika koa, dia mpandray anjara tsy azo ialana amin’ny fiainam-pirenena.



Naoty :

1 « Aorian’ny fifidianana, fametrahana amin’ny toerany ny rafi-panjakana sy fampihavanana », 11 febroary 2014.

2 Ny tsirairay dia afaka hahita ny porofo na ny vavolombelon’ny ezaka sy ny tolo-kevitra avy amin’ny SeFaFi, ao amin’ny boky izay avoakany tsy ho ela izay mamerina ny fanambarana rehetra efa nasehony : SeFaFi, L’Observatoire de la vie publique à Madagascar. D’une crise à l’autre (2001–2013), L’Harmattan – Foi & Justice.

3 « Ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, amin’ny alàlan’ny fanomezana fizaka-tena malalaka ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na eo amin’ny sehatra iandraiketany na eo amin’ny ara-bola » (Lalàmpanorenana, Savaranonando).

Antananarivo, androany faha-22 Oktobra 2014