FFKM : fampihavanana sy kitoatoa politika

Dia notanterahin’ny FFKM (Filankevitry ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara) tokoa ilay Zaikabem-pirenena izay natao tao amin’ny CCI Ivato ny 28 aprily ka hatramin’ny 2 mey 2015. Ny tanjona nokabariana tamin’izany dia hoe « ny fampihavanam-pirenena ». Roa taona lasa izay, nandritra ilay fiarahamidini-pirenena izay natao ny 2 ka hatramin’ny 4 mey tao amin’io toerana io ihany, dia efa nanandrana nanao tery vay manta ny heviny izy, ary azo fehezina amin’ireto dokam-barotra telo ireto izany : fanarenana ny Fanjakana, tetezamita vaovao, lalàmpanorenana vaovao. Ary tao amin’ilay taratasy nosoratan’ny biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka ny 30 aprily 2013 dia efa naneho ny ahiahiny ny eveka katolika1, toraka izany koa ny olom-pirenena maro be, ny amin’ny fibirioka mampidi-doza mety haterak’izany. Mbola io birao io ihany no namerina indray ny ahiahiny talohan’ny nanaovana ilay Zaikabe farany teo : « Ato amin’ity fampihavanana atao ankehitriny ity dia ny raharaha politika no mahazo vahana. Tena izao mihitsy ve ny fotoana tokony hampidirana raharaha politika ao, ary anjaran’ny FFKM tokoa ve ny miady hevitra mikasika izany ? Nahoana moa raha ampahafantarina ny mponina ny tena tanjon’ity Fampihavanana mahamay volontratra ny FFKM ity ? Marina aloha fa efa mazava ny hevitry ny 4F, saingy iza marina moa no tena tokony hampihavanina ? »2. Nahatezitra mafy ny pasitera Rasendrahasina, filoha mitantana ny FFKM3 io taratasy io, saingy tsy nisy nahitam-baliny na iray aza ny fanontaniana napetraka nefa nikasika ny vahoaka manontolo izy ireny.

Mazava loatra : ny fehin-kevitry ny Zaikabe, izay mbola tsy navoaka manontolo foana, dia ohatra ny tsy niraharaha izay fampihavanana ka tsy nikasika afa-tsy resaka faran’izay politika. Tsy noresahina intsony ny fampihavanana avy any ambony (ny filoham-pirenena, taloha sy ankehitriny), izay natao hidina hahazo ny vahoaka. Fa ny nataony dia ny nangataka ny fanafoanana4 tsotra izao ny andrim-Panjakana rehetra (afa-tsy ny Filohan’ny Repoblika - nahoana no io irery no navahana ?) sy ny fanendrena (ataon’iza ?) antenimieran-dalàmpanorenana izay hiasa mandritra ny roa taona. Raha tsorina dia tena fanonganam-Panjakana miainga amin’ny fandravana andrim-panjakana fotsiny izao, saingy ny andrim-panjakana kosa aloha tsy hisy te hamono tena izany : nampahatsiahivin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tokoa fa ireo mpizaika 1.830 nanendry tena tamin’io Zaikabe io dia tsy misolo afa-tsy ny tenany, fa ny misolo ara-dalàna ny olom-pirenena dia ny solombavambahoaka voafidim-bahoaka (na dia tsy nety loatra aza ny fomba nifidianana azy, ary na dia tsy tontosany araka ny tokony ho izy aza ny andraikiny).

Fa tena haizina mikitroka ny manodidina ny fandehan’io Zaikabe lazaina fa an’ny firenena io : iza marina moa ny mpikambana tao ? Na dia teo aza ireo fangatahana maro be natao dia tsy navoaka ho hitan’ny besinimaro mihitsy ny lisitry ry zareo, izany dia miteraka ny ahiahy hoe nisy kajikajy tamin’ny fifantenana azy ireny. Nefa ireo olon-tsy fantatra 1.830 ireo dia mihambo ho nisolo tena ny Malagasy 23 tapitrisa : iza no nanome azy izany fahefana tsy manana fototra ara-dalàna izany na iray aza ? Koa raha tsy mahasolo afa-tsy ny tenany izy, zo avy aiza no hahafahany mandrava andrim-panjakana (na dia bilabila aza) nateraky ny fifidianana demokratika (na dia tsy mahafapo aza), sy ny Lalàmpanorenana (izay marina fa tsy tonga lafatra nefa azo ahitsy) efa nampiharina teo ho eo ihany nandritra ny 18 volana ? Raha mitaky « mpanatanteraka matanjaka » izy, mba fantany ve fa tsy hisy mihitsy mpanatanteraka matanjaka (afa-tsy amin’ny fitondrana hita miharihary fa jadona) raha tsy matanjaka toa azy koa ny mpanao lalàna ? Raha tahaka ny fitondrana amerikana izao, hoeken-dry zareo ve fa ny Kongresy (Antenimieram-pirenena sy Antenimieran-doholona) dia hanana tanjaka ohatra ny an’ny Filoha, efa samy voafaritra mazava avy ny fahefan’ny andaniny sy ny ankilany, ary tsy misy afaka mitsabaka any amin’ny faritra iadidian’ny tsirairay avy ? Ny tena nokendrena tamin’ny Lalàmpanorenan’ny 2010 ve tsy ny hampihena ny fahefana diso matanjaka loatra tany amin’ny mpanatanteraka, indrindra raha jerena ny fomba nampiharan’ireo filoha teo aloha azy ? Tena mahalasa vinany ny nankatoavan’ny FFKM ny tandrametaka toy izany ; mba hain’ireo olona ireo ve ny zavatra resahiny ?

Ny loharano nipoiran’izany fidedahana izany dia « tompon’andraikitra » ara-pinoana. Ny zavatra nataony, araka ny nampahatsiahivan’ny SeFaFi azy vao tsy ela akory izay, dia mifanipaka tsotra izao amin’ny Lalàmpanorenana, satria ny lalàmpanorenana dia mandidy fa laïka ny Fanjakana. Ankoatra izany, tsy misy mahalala hoe volam-panjakana avy aiza no namatsiana ny ankapoben’ilay hetsika, na ny fivorian’ny filoham-Panjakana teo aloha izany, na ny zaikabem-paritra sy ny zaikabem-pirenena, samy maizim-pito avokoa na ny famatsiana ara-bola na ny momba ny mpandray anjara. Nefa anie dia tena misy tokoa ny fikambanana ofisialy natao hampihavana najoron’ny andininy 168-n’ny Lalàmpanorenana sy ny tondro zotra efa zary lalàna tamin’ny septambra 2011, dia ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM. Nahoana no nahilika io fikambanana ara-dalàna io, nefa azo nohatsaraina tokoa ny firafiny sy ny fiasany, ka natakalo fikambanana tsy miankina sy bingobingo (tsy nahitana na ny Fiangonana evanjelika 260, na ny silamo, na ny mpanaraka ny finoan-drazana), izay efa tsy nahomby tamin’ny fampihavanana nataony tamin’ny 2002 sy tamin’ny 2009 ? Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa foana ny FFM rehefa norombahin’ny FFKM tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny iraka nampanaovina azy, izany anefa dia manohitra ny lalàna 2012-010 ary raha hitarina dia ny andininy 168-n’ny Lalàmpanorenana. Tsy lazaina intsony ny fangatahana ny hananganana « komity mpanara-maso » izay hampanjary avy hatrany ny mpiasan’ny fiangonana ao amin’ny FFKM ho mpikambana manana zo feno any amin’ny rafi-panjakana.

Ary farany, gaga ny olona rehefa nahita fa ilay fampihavanana tokony ho fototry ny asan’ny FFKM dia natao an-jorom-bala any amin’ny fehin-kevitr’ilay zaikabe lazaina fa an’ny firenena. Azon’ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin’izany ny fanafoanana ny didy manery azy hipetraka amin’ny toerana iray voaaro (izay rahateo no notadiavin’ny Fiangonana FJKM, izay izy no filoha lefiny), ny filoha teo aloha Ratsiraka dia nahita toerana fikabariana mbola nampilendalendany indray ny olona tamin’ny fampanantenana miezinezina nefa poaka aty. Nankaiza no niafaran’ny 4F : Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana ? Marina loatra ny fampahatsiahivana, ohatra ny nataon-dRavalomanana, fa mety ho diso daholo ny olona mandritra ny fiainany, nefa tsy fieken-keloka velively izany. Samy azo takiana amin’ ireo filoha tany aloha rehetra ireo na ny fanodinkodinam-bola, na ny firobarobana na ny vono olona, nefa tsy nisy na iray aza niaiky ny asa mamohehatra nataony, tsy nisy tra-nenina tamin’ny heloka vitany, tsy nisy nilaza ny marina momba izay nataony rehetra azo anamelohana azy. Maika koa aza izy rehetra nihatsaravelatsihy, niantsoantso fihavanana mba handiovana ny ratsy vitany, tsy niandrasana ny fitsarana hilaza izay heviny. Aoka holazaina mazava : raha mbola manjaka ihany ny tsy maty manota ho an’ny mpanao politika, dia mbola ho nofy tsy ho tanteraka na oviana na oviana izany fampihavanam-pirenena izany.

Ho famaranana ireny tetika maizina rehetra ireny dia nampahafantatra ny FFKM fa vita ny asany ary dia iny izy no niedinedina lasa. Nampiana mahatsikaiky indray ilay tsy fandraisana andraikitra : nampidirina kizo aloha ny firenena, izy amin’io miafina any ambadiky ny mpandray anjara tsy fantatra anarana any, mbola porofo hafa koa izany fa tsy ananany velively izany fisainana demokratika izany ary tsy vitany ny mahatakatra ny atao hoe soa iombonan’ny firenena -teren’ny fiheverana fa tsy maintsy mitsabaka amin’ny politika ny mpitondra fivavahana ary tsy misy marina afa-tsy ny heviny. Ny taranaka hoavy no atao sorona eo amin’ny otelin’ny fanararaotana sy ny fitiavam-pahefana ka hanefa ny saran’izany...



Naoty :

1 « Tena manahy mafy izahay fa mety ho fampihavanana mibirioka any amin’ny politika rano fotsiny no efa hita manangasanga. Tsy andraikitry ny Fiangonana anefa izany. Izany no antony tsy tokony hialantsika amin’ny tanjontsika voalohany indrindra : fieken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana. Io no lalana hitondra antsika any amin’ilay fampihavanana marina ».

2 Biraon’ny Fivoriamben’ny Eveka, 25 aprily 2015.

3 Ny filazana fa ahitana ny filohan’ny Fiangonana mikambana ao aminy ny FFKM (ECAR, FJKM, FLM, EEM) dia tsy tena marina tanteraka, satria tsy mba manana « filoha » ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Mitovy zo daholo ny eveka rehetra, mivondrona ao amin’ny Fivoriamben’ny eveka izy ireo izay mifidy ny Prezidàny (amin’izao fotoana izao dia i Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan’i Toamasina) ary manondro izay hisolo tena azy ao amin’ny FFKM (amin’izao fotoana izao dia i Mgr Odon Razanakolona, arsevekan’Antananarivo). Ny hafa noho izany dia kabary tsara lahatra na nofinofy ihany.

4 Na dia nosoloina aza ny teny hoe « foana » telo andro taorian’ny Zaikabe noho ny vazavaza naterany, ka natao hoe « asiana fanovana », dia tsy manova na inona na inona izany. Mainka koa aza io mbola mampiseho indray ny sain-jaza sy ny tsy fahaizan’ireo nitantana an’io Zaikabe io.

Antananarivo, androany faha-05 May 2015