Fihaonana an-tampony sy ny tena mahamaika

Tamin’ny anaran’ny Fanjakana sy ny vahoaka Malagasy ireo mpitondra antsika, ny 30 novambra 2014 tany Dakar, dia nanolo-tena ny hampiantrano eto Antananarivo ny Fihaonana an-tampon’ ny Frankofonia amin’ny novambra 2016. Tsy afaka ny hihemotra intsony ho fitandroana ny voninahitry ny vahoaka manontolo. Efa nanome toky ny Fanjakana, tsy maintsy tanterahiny ny toky nomeny : efa tongotra mby andakana ka tsy afa-kihemotra intsony. Anjaran’ny Fanjakana izao ny mampiseho fa fantany tsara ny nataony raha nangataka an’io Fihaonana an-tampony io izy. Voalaza mantsy fa tena manao izay ho afany tokoa ny Prezidansa, saingy aoka kosa izany tsy hitera-pahavoazana ho an’ny vahoaka na hanakonana ny olana sedrainy isan’andro vaky. Satria tsy volana vitsivitsy mialoha an’ilay fihaonana an-tampony mihitsy akory vao ndeha hangataka fanampiana satria tsy vitantsika ny nanangona ny vola ilaina. Henatra ho an’ny firenena izany ! Ny mpitondra antsika moa vao mahita hirika kely dia mangataka, mangataka foana.

Ny vaovao azo mikasika ny mety ho saran’ilay Fihaonana an-tampony dia misavorovoro sy mitsitapitapy. Fantatra fa ny lalànan’ny tetibola 20161 dia nanokana 20 tapitrisa Ariary ho an’izy io. Mifandraika amin’ny inona moa ny vola toy izany ? Mitovy, na avo roa heny mihitsy aza, amin’ny tetibolan’ny minisitera maromaro, ary ho an’ny taona 20162 manontolo. Raha jerena ny vola ampihodinana ny SAMVA, malaza ho mila 400 tapitrisa Ariary isam-bolana3, dia mifandraika amin’ny taona 4 andraofana ny fakon’ny tanàn’Antananarivo izany ; na, araka ny tenin’ny Minisitry ny Asa Vaventy4, dia avo sasaka amin’ny vola natokana hanamboarana ny lalana 32 km eto an-drenivohitra (raha toa ka hatao io) ; na koa ny antsasaka kelin’ny tetibolan’ny Tahiry hikojakojana ny Lalana ho an’ny taona 2016 manontolo, ary manerana an’i Madagasikara (eo amin’ny 46 lavitrisa Ariary eo ho eo). Satria moa mbola tsy misy foana ny mangarahara dia voatery ny olom-pirenena hitrandraka any amin’ny gazety mba hahalala misimisy kokoa ny momba an’io...

Fa rehefa mamaky ny lalànan’ny tetibola 2016, io vola io dia toa mifandraika amin’ny sori-dalan’ny « Opérations d’Investissement (PIP) » sahanin’ny Prezidansa. Tsikaritra sahady mantsy fa ity farany dia mikarakara fampisehoana ary efa mivonona handoa ny karaman’ny manam-pahaizana israeliana momba ny fiarovana5. Ny 20 lavitrisa Ariary izany dia tsy mikasika ny tetibolan’ny minisitera goavana toy ny MEPATE (minisiteram-panjakana miandraikitra ny Tetikasan’ny prezidansa, ny Fanajariana ny tany ary ny Fampitaovana) : raha 75 lavitrisa Ariary ny tetibolany tamin’ny 2015 dia tafakatra 206 lavitrisa tamin’ny 2016 – ny 144.685.574.000 Ariary amin’izany dia ho an’ny « fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ». Toy izany koa, ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fitaterana dia nisondrotra avo efatra heny (29 lavitrisa tamin’ny 2015, 113 lavitrisa tamin’ny 2016). Izany fampitomboana goavana izany angamba dia azo hazavaina amin’ny maha mpitondra fanevan’ny tetikasa momba ny seranana sy ny fotodrafitrasan’ny tanànan’ny Frankofonia ary ny Hotely Kintana 5 etsy Ivato an’ireo minisitera roa ireo.

Ny vaovao hafa notsimponina an-gazety koa dia ahafahana mahatsipalotra fa mila 28 tapitrisa dolara mba hanavaozana ny Hotely Kintana 5 etsy Ivato izay tantanin’ny Société d’Exploitation Hôtelière d’Ivato (SEHI SA) ankehitriny, orinasa tsy miankina malaza ho « najoron’ny fanjakana ». Ary ny saran’ny fanamboarana fiantsonana iraisam-pirenena vaovao ao amin’ny seranam-piaramanidina, izay nanaovana lanonana manetriketrika tamin’ny 9 jiona 2015 fony nandatsaka ny vato fototra, dia vinavinaina ho 150 tapitrisa Euros, izany hoe 525 lavitrisa Ariary6. Na dia ny mpamatsy vola aza no miantoka ny ampahany betsaka amin’izany vola izany, dia mbola halainy amintsika io amin’ny alalan’ny tamberimbidy sy ny sarany tsy maintsy haloantsika, isika mpandeha. Fa ny Fanjakana kosa dia mikisina mafy rehefa hamoaka ny vola azo lazaina hoe tsy dia betsaka ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena : 40 tapitrisa USD fotsiny amin’ny FMI, ary 11,5 tapitrisa Euros ( amin’ny 13 efa misy) amin’ny Vondrona Eoropeana. Mpamatsy vola maromaro avy ao amin’ny fianakaviamben’ny Frankofonia no mailaka ery nanambara fa tsy afaka hanampy afa-tsy eo amin’ny « fitaovana, ny fandraisana vahiny, ary ny fiarovana », midika izany fa tsy tafiditra ny fotodrafitrasa7.

Ny fotodrafitrasa monja anefa no mba mety ho hany tombony maharitra azo avy amin’io Fihaonana an-tampony io, satria efa miharihary izao fa ilay fiantsonana iraisam-pirenena sy ilay arabe vaovao misy lalana mizara efatra dia tsy ho tratra. Ny fananganana trano vaovao dia mbola ikarohana famatsiam-bola any amin’ny tsy miankina, toy ilay hoe tanànan’ny Frankofonia, tangoron-trano ahitana efitrano 200 antsoina hoe Voara, ahitana ivom-pivarotana hafa sy efitrano fijerena sarimihetsika, eo amin’ny tanim-panjakana etsy Andohatapenaka. Ny saran’io tangorontrano io miampy ny fanavaozana ny fitaovana ao amin’ilay hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka dia tsy fantatra. Ohatrinona no haloa vao hahita masoandro ireo asa ireo izay afenina tsara any ambadiky ny fanefitefena matetika sahisahy ratsy ao amin’ny tetikasa Ifarimbonan’ny Fanjakana sy ny Tsy miankina (PPP) ? Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy ny fanjakana no miantoka ny tany fara faharatsiny, ny fampidirana ny rano sy ny jiro, tsy hotenenina intsony ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (takiana amin’ny tetik’asa rehetra na an’ny fanjakana na an’ny tsy miankina). Aiza no ivarinan’ny rano maloto avy ao amin’ny tangoron-trano Voara, ohatra ? Mandritra izany fotoana izany, misy olona efa ho 30 000 miandry ny kaonterany any amin’ny JIRAMA, tsy maintsy miandry taona maro be vao mahazo ny taratasy fananan-tany na fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, ny tanimbary etsy Betsimitatatra dia miha dibo-drano hatrany isan-taona ary ny fotodrafitrasa momba ny rano fisotro efa tena tsy fampiasa intsony.

Tamin’i Madagasikara tokony ho nampiantrano ny Fihaonana an-tampon’ny UA tamin’ny 2009 sy ny Frankofonia tamin’ny 2010 dia nisy fifanarahana fampindramam-bola 50 tapitrisa USD nataon’ny Fanjakana sy ny Banque Export-Import de Chine hananganana foibe iraisam-pirenena hanaovana valandresaka – vola izay tsy maintsy mbola efain’ny vahoaka foana angamba hatramin’izao. Ireo fiarakodia Toyota Land Cruiser V8 sy Ford Mondeo dia zary loharanom-piadanana ho an’ny tompomenakelin’ny Tetezamita izay nibata azy ireny avy ao amin’ny fiantsonan’ny fiaran’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Nisy lalana vaovao nokasaina hosokafana, mbola ireo lalana ireo ihany no tiana hosokafana amin’izao fotoana izao, ary efa saika naroso ny dingana samihafa hahazoana ny tany ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Mora manadino ny mpitondra : tsy nahita masoandro na oviana na oviana ireo Fihaonana an-tampony ireo, ary ireo fotodrafitrasa kely mba vita ho an’izany dia zara raha nahitan’ny mponina tombontsoa bitika dia bitika.

Azo an-tsaina amin’ izany fa olom-bitsy fotsiny no hahazo tombontsoa avy amin’io Fihaonana an-tampony mandritra ny herinandro io : ny mpitondra, angamba, fa indrindra ny « mpibizina » isan-karazany. Ny mpanao hotely sy ny toeram-pisakafoana, angamba, ny mpivarotra fiarakodia, ny mpikarakara lanonana sy ny tovovavy mpandray vahiny ao aminy, ary tsy hadino ireo izay hividy ny fonenana mihaja be ao amin’ ny tangoron-trano Voara. Ho tsara ny raharaham-bola mandritra ny herinandro, fa hateza ve ny vokany ? Arahaba soa arahaba tsara tokoa raha mba vita marina ilay fiantsonana sy ireo lalana, saingy amin’ny mpandeha amin’ny zotra iraisam-pirenena, firy moa no Malagasy raha ampitahaina amin’ny mpandeha taksiborosy ? Ny fiantsonan’ny taksiborosy no tokony hatao laharam-pahamehana, toy izany koa ny fampidirana herinaratra sy rano (fisotro madio raha ny tokony ho izy). Ilay hevitra hoe manompo vahoaka dia ohatra ny tsy hita intsony ao amin’ny rakibolan’ny mpitondra ankehitriny izay toa mihevitra fa ny fivoahana lava any ivelany, na indrindra koa, ny fitantanana fihaonana an-tampony iraisam-pirenena no toa fara tampon’ny fiandrianana.

Andao àry hiroso amin’io fihaonana an-tampony io, amin’izay ny hafa dia mety ho voasarika hijery ny fahoriantsika ka mba mety harisika kokoa amin’ny fanampiana antsika. Saingy andao koa hotakiana ny mangarahara tanteraka ny amin’ny fandaniana aterak’izany sy ny lisitry ny tombontsoa mivaingana sy mateza entiny ho an’ny maro an’isa. Izany hoe, ny efitrano tsirairay any amin’ny hotely na trano iray voatsangana, ny hopitaly tsirairay nohavaozina, ny seranam-piaramanidina tsirairay, ny sakafo tsirairay, ny tavoahangin-divay apoaka tsirairay, ny fiarakodia tsirairay, ny lasantsy indray mitete avy, ny mpitandro ny filaminana tsirairay, samy misy tetibola natokana ho izany, koa ny tetikasa narindra ho an’ny taona 2016 dia tokony hanokanana vola mitovy amin’izany ho an’ny olom-pirenena rehetra, ny any Bekily, Tsihombe sy Ambositra fa tsy ny etsy Ivato sy Ambohibao na Andohatapenaka fotsiny. Raha fehezina dia ho an’ny mponina rehetra eto Madagasikara.



Naoty :

1 L’Express de Madagascar ny 14 janoary 2016 : « 20 lavitrisa ho an’ny Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ».

2 Ny Minisitera manana tetibola latsaky ny 20 lavitrisa Ariary ny taona 2016 : Asa, Indostria, Toekarena, Fifandraisana, Fiompiana, Jono, Harena an-kibontany sy Solika, Paositra, Tanora sy Kolontsaina. Ny minisiteran’ny Mponina dia nahazo 26 lavitrisa Ariary. Ny sampan-draharaha momba ny tany ao amin’ny MEPATE dia nahazo 10.669.523.000 Ariary.

3 L’Express de Madagascar ny 15 desambra 2015 : « Misavovona ny fako ao an-dRenivohitra ».

4 Les Nouvelles ny 20 janoary 2016 : « Renivohitra : lalana 32 km hohavaozina ».

5 L’Express de Madagascar ny 20 janoary 2016 : « Israeliana manampahaizana manokana “hanohana” ».

6 L’Express de Madagascar ny 10 jiona 2015 : « Fiantsonana vaovao iraisampirenena iray alohan’ny 2016 ».

7 L’Express de Madagascar ny 18 janoary 2016, fanampiana avy amin’i Kanada.

Antananarivo, androany faha-06 Febroary 2016