Fihaonana fara tampony roa miantoka ny hoavintsika

Tamin’ny 25 septambra farany teo, ny tany mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana dia nankatoa ireo Tanjona 17-n’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD). Ireo no nasolo ny Tanjona 8-n’ny Taonarivo Fahatelo ho an’ny Fampandrosoana (OMD) izay namaritra ny fanampiana ny fanjakana ho an’ny fampandrosoana nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2015. Ny ODD dia hampiharina manomboka ny 1° janoary 2016, ny tanjona amin’izany dia ny hanafoana ny fahantrana alohan’ny 2030, « sady hiaro koa ny tany ». Hisy indray fihaonana fara tampony iraisam-pirenena faharoa, mbola eo ambany fiarovan’ny Firenena Mikambana ihany koa, izay hatao any Parisy manomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 11 desambra 2015 : io no ho Fivoriamben’ny Mpikambana faha-21 (na COP 21), ka ny tanjona amin’izany dia ny fifanekena iraisam-pirenena momba ny fiovan’ny toetr’andro.


Fanambin’izao tontolo izao


Voakasik’ireo fivoriambe roa ireo avokoa ny firenen-drehetra eran-tany. Mihoatra noho ny an’ny OMD, ny ady amin’ny fahantrana dia mitatra any amin’ny tontolo iainana, ka ny tadiavina dia ny hamongotra hatramin’ny fakany ny fahantrana nefa tsy hanimba ny tany. Ny harena azon’ny tany havaozina isan-taona anefa dia efa lany tamin’ny 13 aogositra 2015 ! Ary araka ny filazan’ny ONG Global Footprint Network, dia mila tany 1,6 vao ho tratra ny filan’ny olombelona rano sy oksizena ary harena voajanahary. Ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD) izany dia mikendry fivoarana ara-toekarena sy famongorana ny fahantrana tsy mandripaka intsony ny harena voajanahary.

Ny tena izy dia izao : ny ODD lah.13 dia « mandray ho laharam-pahamehana ny fepetra enti-miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany ». Satria mihamafana ny tany noho ny fitosaky ny karbona (fiarakodia, fiaramanidina, orinasa, fahapotehan’ny ala) dia voasakantsakana ny fampandrosoana ary mitombo ny fahantrana, mihamahery vaika ny rivodoza, ny tondra-drano, ny haintany, ny fahaverezan’ny fahavelomana isan-karazany ary ny fahapotehan’ny toeram-pambolena.


Ny toeran’i Madagasikara


Samy mientana izao tontolo izao mba hampisy fampandrosoana maharitra tsy miteraka fiovan’ny toetr’andro, fa mba aiza ho aiza kosa ny toeran’i Madagasikara ? Tsy nisy fivoarana mivaingana vitany amin’io sehatra io, izy no anisan’ireo firenena vitsy kely tsy mba nahatratra na dia iray monja aza tamin’ireo Tanjona 8-n’ny Taonarivo Fahatelo ho an’ny Fampandrosoana. Ny an’ny tany rehetra ny olona nivelona tamin’ny latsaky ny 1,25 USD isan’andro dia 1.926.000.000 no nihena ho 836.000.000, ny an’i Madagasikara irery no nitombo. Ny an’ny tany rehetra nihena ny antsasany ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly, ny an’i Madagasikara kosa mifamadika amin’izany. Fa i Madagasikara kosa dia mahavoa satria iva dia iva ny azy ny tahan’ny karbona noho izy tsy mampiasa firy ny harena voajanahary eo am-pelatanany. Ny tena mpanimba ny tontolo iainana tokoa mantsy dia i Sina (ny hadiriny) sy i Etazonia (isan’olona), dia manaraka i Eoropa. Miantraika amin’i Madagasikara ny fiovan’ny toetr’andro saingy tsy afaka miatrika izany izy.

Tsy isalasalana fa izany no mahatonga ny MFB (Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Toe-bola) hampahatsiahy ny fehinkevitry ny Firaisamben’ny Fitantanam-bola Iraisam-pirenena natokana ho an’i Madagasikara ny 17 oktobra 2015 tany Lima, Pérou hoe : « ny olona niteny dia nampirisika ny Governemanta hanararaotra ny fifampiraharahana ankehitriny momba ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra mandritra ny COP21, mba hanomezana lanjany manokana ilay mampiavaka an’i Madagasikara noho izy anisan’ireo firenena faran’izay mora andairan’ny fiovan’ny toetr’andro »1. Fanamarihana izay maneho ny tsy fisian’ny lalana mazava izoran’ny politika ankapoben’ny Fanjakana sy ny PND momba ny resaka tontolo iainana ary ny fitaovana vaovao hitantanana ny vola ho azo avy amin’izany.

Miharihary tokoa mantsy fa ny resaka fiarovana ny tontolo iainana dia tsy ny mikasika ny tontolo manodidina fotsiny intsony fa lasa misandrahaka amin’ny sehatra maro be ka anisan’izany ny toekarena. Marina fa ny sehatra mahazatra momba ny tontolo iainana fantatry ny Malagasy no sahaniny (fiarovana ny fahavelomana isan-karazany amin’ny alalan’ny faritra arovana indrindra indrindra), fa lasa lavidavitra kokoa izy izao. Tafiditra any amin’ny angovo koa izy ary any amin’ny famokarana herinaratra amin’ny fitaovana tsy mandoto rivotra kokoa (sady tsy lafo) raha oharina amin’ny foibe mpamatsy herinaratra mandeha amin’ny gazoala. Tafiditra any amin’ny fampivoarana ny tanàn-dehibe koa izy, anisan’izany ny fahapotehan’ny tanimbarintsika, nefa ny asa « éco-systémiques »2-n’izy ireny dia ny misakana ny tondra-drano sy ny manadio ny rano ary ny miantoka ny fahalovan’ny fako. Izy koa dia mifandray amin’ny fitatry ny tanàn-dehibe nefa tsy misy famoronana fotodrafitrasa, tsy misy tany malalaka ho an’ny olona, tsy misy sehatra maitso, manamarina izany ny firohotan’ny olona mankeny amin’ny By-Pass isaky ny fetin’ny Paka.

Ny fahazoana rano dia ODD avy hatrany, ary zava-dehibe io na ho an’ny tanàn-dehibe na ho an’ny any ambanivohitra. Ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, toy ny jono sy ny ala, dia tsy mitsahatra ny ho fanamby, satria ny jono any amin’ny fari-dranomasintsika dia sehatra iray tena mampidi-bola nefa tsy fantatry ny olona velively. Ny politikam-pambolena, ny fampidirana rano sy ny fanamasahana ny tany izay tena zava-dehibe mihitsy ho an’ny fiantohana ny sakafo ary mba hiadiana amin’ny fahantrana dia tsy mba laharam-pahamehana firy ho an’ny governemanta3. Ny fanabeazana ny ho olom-pirenena rahampitso dia misampana any amin’ny tontolo iainana izay nataon’ny ODD lah.4 ho zo iombonan’ny rehetra « mitovy daholo » ny Malagasy. Ary farany, ny fahamarinana sy ny fampiharana ny lalàna ataon’ny fitondrana any amin’ny sehatra rehetra dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny tontolo iainana (hita izany amin’ny sokosoko isan-karazany) sy eo amin’ ny fivoarana ara-toekarena.

Tahaka ny ahoana àry ny nandrindrana ny tetiandron’ny tontolo iainana ao anatin’ny politikam-panjakana ankehitriny ? Ny lalànan’ny fitantanam-bolan’ny taona 2016 ve mampahafantatra ny toerana misy antsika manoloana ireo fihaonana fara tampony roa ireo ? Ho haintsika ve ny mangataka am-pisainana ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola ? Antenaina fa hampahafantatra mazava izay toky nomena momba an’io ny tompon’andraikitra amin’izany.


Fahantrana sy fiarovana ny tontolo iainana


Na dia avy amin’ny fandotoana ateraky ny indostrian’ny firenena sasany eto ambonin’ny tany aza ny fiovan’ny toetr’andro dia tsy maintsy mandray anjara amin’izay vaha olana ho hita i Madagasikara sy ny Malagasy. Satria raha mandroso araka ny faniriantsika ny nosintsika, dia tsy maintsy ialantsika ireo fomba mamoafady efa raiki-tampisaka ao amintsika : fandripahana ny ala sy doro tanety, tsy fikarakarana ny fako manentsina ny tatatra andehanan’ny rano maloto eny amin’ny tanàn-dehibe, fanjifana herinaratra « maloto » avy amin’ny foibe mandeha amin’ny gazoala, fibosesehan’ny 4X4 sy ny kamiao mpandoto rivotra. Manamarina izany ny fipariahan’ny harona plastika, nialan’ny ankamaroan’ny Malagasy ny mety ho lo toy ny harona taratasy na ny sobika fa naleony ny plastika tsy azo antoka. Ny fampandrosoana maharitra anefa dia tsy maintsy miala amin’ny fanjifana entana taterina avy any amin’ny kilometatra amin’arivony, ary ny bisikileta no tokony homena sehatra fa tsy ny fiara goavam-be. Tsy maintsy ampirisihina ny tsenabe mitafo (grandes surfaces) hivarotra entana nahodina avy eto an-toerana, tokony hasiana sisin-dalana natokana ho an’ny bisikileta ny arabe ary hampivoarina ny fitateram-bahoaka.

Etsy an-daniny, marihina tsara fa ny fampandrosoana maharitra dia tsy afa-misaraka mihitsy amin’ny ady amin’ny fahantrana. Ao amin’ilay « taratasy ho fiarovana ny trano iombonana »4 nosoratany ny ray masina Fransoa dia mampahatsiahy ny fiantraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana any amin’ny mahantra. Eny an-tanàn-dehibe, Malagasy mahantra ana hetsiny maro no mivangongo manamorona ny lakandrano sy any amin’ny faritra manimba fahasalamana tsy ahitana zavamaniry na iray aza, mifangarika amin’ny faritra maitso mavana vitsivitsy voatokana ho an’ny manan-katao na ny vahiny. Any ambanivohitra dia mba mahatsiaro ho eny an-tsaha ihany ianao noho ny rivotra madio sy ny zava-maniry, saingy ny fiainana andavanandro dia tsy ahitana rano fisotro, tsy ahitana tany lonaka sy ny filàna fototra, porofon’ny fanjakazakan’ny fahantrana lalina manimba ny maha olona. Ny mponina eto Antananarivo moa dia mitaraina foana isan-taona satria maloto ny rivotra iainana noho ny doro tanety avy amin’ny fanaovana tavy, na ateraky ny hatezerana amin’ny fitondrana na amin’ny mpitandro ny filaminana, na ho fanoherana ny tsy firaharahan’ny mpanao politika sy ny Fanjakana.

Ny Ray masina dia mampahatsiahy antsika fa « ny fiheverana ekolojika marina dia tsy maintsy miova ho fiheverana sosialy foana ». Marina loatra izany satria ny fahoriana sy ny habadoana no tena manimba voalohany indrindra ny tontolo iainana aty Madagasikara. Tsy ny fampiasana tafahoatra loatra ny harena voajanahary ihany no mahatonga izany. Ao ihany koa ny fitrandrahana azy ireny tsy ara-dalàna, toy ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena na ny karazana voaaro ary ny fitavanana ny harenan’ny Malagasy 23 tapitrisa ataon’ny mpanondrana an-tsokosoko sy ny mpiray tsikombakomba aminy.

Tsy anjaran’ny fiarahamonim-pirenena ny mamahavaha sy manatontosa ny politikam-panjakana. Saingy zony kosa, tahaka ny olom-pirenena rehetra, ny mahalala izay hevitry ny mpitondra ny amin’ny fomba « hanovozany soa avy amin’ny fifampiraharahana atao ankehitriny momba ny fiovan’ny toetr’andro » sy izay hevitry ny Fanjakana mikasika ny fomba handrindrany ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra amin’ny politikany ankapobeny. Tsy maintsy mbola andrasana tokoa angamba ny fivorian’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola, ny faran’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2016, vao ho fantatra bebe kokoa ny amin’izany. Saingy ny COP21 anie ka rahampitso.



Naoty :

1 Fanambaran’ny MFB, ny 17 oktobra 2015.

2 Ny « services éco-systémiques » dia avy amin’ny asan’ny tontolo iainana (ny fizotra ara-boajanaharin’ny fandeha sy ny fitahirizana ny tontolo sy ny fiainana ao). Anisan’ireny asa ireny ohatra ny famoronana oksijena any amin’ny rivotra, fanadiovana ara-boajanahary ny rano, ny fitambaran’ny fahavelomana rehetra mamelona ny biby fiompy na fanjono na fihaza, ny asan’ny biby mampanjary voa ny vonin-javamaniry, ary ny zava-manana aina mampisy sy mikolokolo ny lonaka amin’ny tany, ny fanagiazana ara-boajanahary ny karbona any anaty ala, tany, ranomasina ary any anaty tany, na koa ny fihavaozana tsy an-kijanona ny tena ilaina any anatin’ny sakafo sy ny zava-maty rehetra avy amin’ny biby, lomotra, bakteria, izay ilain’ny fahasalaman’ny olona ny tany.

3 Porofon’izany ny nampihenana tsy misy ohatra izany ny toe-bolan’io Ministera io tao anelanelan’ny taona 2015 sy 2016, L’Express, 7 novambra 2015.

4 Laudato si’, 24 mey 2015.

Antananarivo, androany faha-14 Novambra 2015