Fionganam-be

Tonga ny efa nampoizina. Ilay fihaonambe, nambara fa an’ny firenena, dia nangataka ny « fandravana » - izay natao hoe « fanamboarana » taoriana kely – ny Andrim-Panjakana rehetra ary izany no nampiharihary ny fifanolanana nihotrika tao amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Antenimieram-Pirenena, eny fa na dia nampanjariana ho « tolo-kevitra tsotra »1 fotsiny aza ireo « fehin-kevitra » izay nankatoavin’ny Filohan’ny Repoblika an-jambany ka hoe hampiharina. Na dia tsy ara-dalàna mihitsy aza iny fihaonambe iny, na dia tsy misy vidiny velively aza ny fepetra noraisiny eo anatrehan’ny lalàna, satria hoe fifanarahana politika fotsiny na « fifanarahana ara-moraly » ho an’ny FFKM (Filankevitry ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara), dia efa natao ny tsy fanao.


Ny mpifanandrina


Tamin’ny 26 mey dia nolanian’ny vato 121 tamin’ny mpifidy 151 ny paikady mba hanonganana ny Filohan’ny Repoblika, io no vokatra santatra am-bavarano sy lojika nateraky ny fifanolanana efa nanomboka tamin’ny andro nahaterahan’ny fahefana mpanao lalàna. Andro iray no namoahan’ny vata fandatsaham-bato ny Antenimiera sy ny Filohan’ny Repoblika, noho izany samy ara-dalàna izy ireo, ny Antenimiera moa nifidy ny filohany (vehivavy) sy ny birao maharitra, ka izay be vato indrindra no lany, ny 18 fevrie 2014. Olom-boafidy tokana monja no mba nananan’ny antokon’ny filoha, dia nanao peta-toko nanangana maro an’isa mpifanandrina ka nisarika solombavambahoaka avy amin’ny antoko hafa sy mahaleo tena, ary io no nanongana ilay filoha vehivavy andro vitsivitsy taty aoriana ka ny olom-boavidiny no nasolony azy. Nanomboka teo dia niovaova arakaraka ny kolikoly ny maro an’isa tao amin’ny Antenimiera, hita tamin’izany na valizy feno lelavola na kadoa – mbola hita izany ny alin’ny nifidianana ny fanonganana ny filoha araka ny tenin’ny nanatri-maso. Eny, tsy nitsahatra nitsabaka tamin’ny raharahan’ny Antenimiera ny Filohan’ny Repoblika, ary ampahany lehibe amin’ny fitoriana nataon’ny solombavambahoaka no mitombina.

Na izany aza anefa tsy hoe tsy azo kianina akory ny Antenimiera. Azo vidiam-bola izy ary andevozin’ny faniriany hitambezo tombontsoa manokana izaitratra (fiara 4X4, pasipaoro diplomatika...), fa ankoatra izany dia tsy takona afenina fa tsy mahafehy tena ny solombavambahoaka. Izy no tompon-daka amin’ny tsy fanatrehana fivoriana nefa ny andraikiny voalohany indrindra dia ny mandany lalàna, tsy mbola nanome mihitsy izy na dia tolo-dalàna iray aza – ohatra hoe mba ho namonjena ny fahataran’ny mpanatanteraka tamin’ny fananganana ny andrim-panjakana vaovao amin’ny fomba demokratika sy manorin-javatra. Ekena fa natrehiny izay fivoriana tsy ara-potoana tampotampoka ary andraisam-bola iantsoan’ny mpanantanteraka be korontana azy. Fa tsy nisy mihitsy ny adihevitra, nandany ny lalàna natolotry ny mpanatanteraka fotsiny no nataon’ny solombavambahoaka, ary ny antontan-kevitra mavesa-danja toy ny lalànan’ ny toebola dia laniana tsy misy mitsipaka ary tsy asiam-panovana ! Mahavariana fa ohatra ny sady karamain’ny mpanatanteraka izy (eo amin’ny lafin’ny fahefany) no mpanohitra azy (noho ny antony ambany dia ambany ara-pitaovana).

Raha mba nisy ny fifarimbonan’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna hanangana ny Andrim-panjakana voalazan’ny lalàna fototra dia nety ho nanaporofo izany fa tena samy nanana finiavana tokoa izy ireo hanangana ilay Fanjakana tan-dalàna nampangetaheta ny vahoaka. Ny fanajana ny Lalàmpanorenana no fiantombohan’io Fanjakana tan-dalàna io, ary voalaza ao ny tokony hanendrena filohan’ny mpanohitra, saingy mbola tsy nataon’io antenimiera io izany. Raha tsorina dia tena asa famonjena ny vahoaka mihitsy ny ho nandravana ny Antenimiera raha vao nanomboka nandeha amin’ny tsy tokony ho nalehany izy. Naleon’ny Filohan’ny Repoblika nametraka azy teo ihany mba hatao fitaovana : ankehitriny izy main’ny afo natsangany.


Ny paikady


Mipetraka àry ny fanontaniana ny amin’ny fomba hitantanana ilay fiampangana hanonganana nolanian’ny Antenimieram-pirenena. Hoy ny Lalàmpanorenana :
« Ny Filohan’ny Repoblika dia tsy tompon’andraikitra noho ny zava-natao teo amin’ny asany na teo am-panaovana ny raharahany afa-tsy ny amin’ny famadihana Tanindrazana, ny fandikana bevava na ny fandikana miverimberina ny Lalàmpanorenana, na koa ny fanaovana antsirambina ny andraikiny ka hita miharihary fa tsy mifanaraka amin’ny fisahanana ny asa maha-filoha.
Ny Antenimieram-pirenena no afaka miampanga azy amin’ny alàlan'ny latsabato atao ampahibemaso ary lanian’ny roa ampahatelon’ny mpikambana ao aminy.
Azo tsaraina eo anoloan’ny Fitsarana Avo Izy. Ny fiampangana dia mety hiafara amin'ny fanalàna azy amin’ny toerany »
.

Ny Lalàmpanorenana dia milaza fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no misolo toerana ny Fitsarana Avo (HCJ) raha ohatra ity farany ka mbola tsy mitsangana, na dia efa notakian’ny Lalàmpanorenana mafy aza izany. Efa nanahy ny momba an’io fahabangana2 io ny SeFaFi, saingy tsy nisy vokany. Izao no lazain’ny Lalàmpanorenana ny amin’izany ao amin’ny andininy 167 :
« Ho fanajàna ny Lalàmpanorenana, ny Filohan’ny Repoblika dia miantso ireo ambaratongam-pahefana mahefa mba hanolotra ireo ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo ahafahana manangana io rafitra io. Izany dia tanterahina ao anatin’ny 12 volana manaraka ny fotoana nandraisany fahefana, ka raha vao tapitra io fe-potoana io dia atsangana avy hatrany ny Fitsarana Avo. Raha misy ny tsy fahatomombanana dia azon’ny rehetra mahaporofo tombontsoa atao ny mampakatra ny raharaha manoloana izay andrim-panjakana mahefa mba ny hangatahana fanasaziana.
Raha misy antony manokana, amin'izay mikasika ny Filohan'ny Repoblika, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia omem-pahefana handray ny sazy izay mety ho noraisin'ny Fitsarana Avo raha toa izy ka efa nijoro ».

Tsy mifanaraka ny hevitry ny mpahay lalàna ny amin’io. Ho an’ny sasany, azo atao ny manatona ny HCJ, satria efa voatendry ny mpikambana 7 amin’ny 11 tokony handrafitra azy. Ny andrim-panjakana hafa « mandringa » no jereny amin’izany, toy ny HCC izay miasa, nefa 7 izy no ao raha 9 no tokony handrafitra azy. Ny sasany indray mandà izany : tsy mbola natsangana tamin’ny fomba ofisialy ny HCJ, mbola tsy nahavita fianianana ny mpikambana ao, ary maherin’ny ampahatelon’ny mpikambana no mbola tsy ao ka tsy misy hasiny ny zavatra ataon’ny andrim-panjakana toy izany.


Fanapahan-kevitra politika


Aoka isika tsy ho voafitaka fa misy kajikajy politika ao ambadiky ny fifanjevoana momba ny lalàna. Ahoana izao ny momba ny fizotran’ilay fiampangana ? Ny fisehoan-dRavalomanana an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery dia nandrehitra indray ny afon’ny fanonganam-panjakana, porofo mivaingana fa tsy nahomby velively ilay fampihavanana. Hita amin’izany fa ny fiantsoantsoana ilay sampy masina atao hoe « fitoniana » ambaran’ny olom-pirenena na ny masoivoho - izay manadino ny tokony tsy hitsabahany amin’ny raharahan-tokantranontsika sy ny nataony tamin’ny fifidianana tamin’ny 2013 - dia tsy manakona velively ny finiavana hitazona ny Filoha eo amin’ny toerany, dia lazainy fa ny solombavambahoaka no hany tompon’andraikitra amin’ity krizy amin’ny andrim-panjakana ity. Mbola lalina lavitra noho izany anefa ny aretina, tsy avy amin’ny Lalàmpanorenana intsony ilay izy (tsy tonga lafatra izy nefa manome hasina kosa ny Antenimiera ary manome sata ny fanoherana) ary tsy avy amin’ny andrim-panjakana koa. Tsy nitsahatra nanova Lalàmpanorenana sy andrim-panjakana i Madagasikara nandritra ny 50 taona nefa tsy nahitam-bokany izany. Ny olana mantsy dia avy amin’ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy ny fahefana sy noho ny tsy fananana fisainana demokratika eo amin’ny manam-pahefana, ny ho azy aloha no mahamay azy fa tsy ny soa iombonana. Raha mbola tsy miova ireny fomba politika ireny, na ho an’ny Filohan’ny Repoblika, na ho an’ny governemanta, na ho an’ny solombavambahoaka, na ho an’ny mpitsara, na ho an’ny foloalindahy, dia tsy hihatsara na oviana na oviana ny toe-draharaha na dia horavana daholo aza ny andrim-panjakana rehetra, na dia hovana aza ny Lalàmpanorenana.

Tsy ho tantin’ny firenena intsony ny mbola handia indray fotoana misy fitondrana sadasada. Ny hiafarany dia mety hisy fifanarahana eo amin’ny Filoha sy ny Antenimieram-pirenena, fifanarahana tsy ho fihatsarambelatsihy tsy mitondra mankaiza tahaka ny tamin’ilay Fihaonambem-pirenena. Io fifanarahana io no hamaritra ny fomba hiarahany miasa mandra-pahataperan’ny fe-potoana hiasany, io no hanery ny solombavambahoaka rehetra hiverina ao amin’ny safidy politika nahatonga ny olona hifidy azy, ary hampahalala ho ren-tany ren-danitra na manohana ny antokon’ny filoha sy ny governemanta izy na miandany amin’ny mpanohitra. Ho setrin’izany kosa, ny Antenimiera dia hihemotra ka tsy hangataka intsony ny fanonganana ary ny Filoha dia hanome toky fa tsy hanafoana ny Antenimiera mandra-pahataperan’ny fe-potoana hiasany. Ny ho mpitsara an’io fifanarahana io dia ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) izay havaozina ny firafiny (efa tamin’ny Tetezamita izy tsinona no notendrena), ka ferana ho 9 ny isany ary olona ekena fa mahavita azy sy marina no hatao ao3. Ny tanjona voalohany dia ny hanatontosana am-pilaminana ny fifidianana ny ben’ny tanàna, mba hisian’ny « maro an’isa/mpanohitra » ary ny hananganana ny Antenimieran-doholona. Izany fepetra izany dia mety hahatonga ny fanaovantsika politika ho demokratika kokoa, ary ho voahaja koa ny safidy tamin’ny fifidianana, satria na dia eo aza ny tsininy sy ny hadisoany tsirairay avy, na ny Filoha na ny solombavambahoaka dia samy olomboafidin’ny repoblika avokoa. Tsy voafidy tsara fa voafidy na izany aza...



Naoty :

1 « FFKM : Fampihavanana sy kitoatoa politika », fanambaran’ny SeFaFi, 5 mey 2015.

2 Jereo ny fanambarana ny 11 fevrie 2014 : « Aorian'ny fifidianana, fametrahana amin'ny toerany ny rafi-panjakana sy fampihavanana », ao amin’ny hoe Misavorovoro fiantomboka ny Repoblika faha-IV, 2015, SeFaFi, t. 6-11 ; ary koa ny fanambarana tamin’ny 4 oktobra 2014 « Repoblika bingobingo » ibidem, t. 44-53.

3 Efa nangatahin’ny SeFaFi tao amin’ny fanambarany tamin’ny 1° jiona 2011 izany : « Atsahatra ny savoritaka, ialana ny tetezamita » : « Ny mpitsara any amin’ny Fitsarana tampony any Etazonia dia tsy misy afa-tsy sivy. Olona sivy mahavita azy sy mahasolo tena ny sasany dia tokony ho ampy tsara ho an’ny Filankevitry ny fampihavanana ». Jereo Ilay taona nanala baraka, SeFaFi 2012, t. 32.

Antananarivo, androany faha-02 Jiona 2015