Iza no mandidy, eto Madagasikara ?

Ny 30 aogositra 2016, ilay ramatoa Iraka manokan’ny Komitin’ny Vondrona Afrikana dia nitaky ny hampiharana ny fepetran’ny Tondro zotra hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy natao sonia ny 16 septambra 2011. Ny fahatongavany teto Antananarivo fotsiny anefa dia porofo mivaingana fa efa tena nifarana tanteraka tamin’ny fomba ofisialy ny krizy teto Madagasikara ! Kanjo indro izy fa mbola nandidy ny Malagasy indray tsy hieritreritra hanao fifidianana filoha alohan’ny fotoana satria, hono, tsy eken’ny Vondrona Afrikana izany (« tsy ny fifidianana mialoha akory no hanavotra an’ity vahoaka ity »), sady nampiany hoe tsy manam-bola hanaovana izany ny firenena : « iza no hamatsy vola izany fifidianana mialoha izany ? ». Izany rehetra izany dia ho valin’ilay hetsika fanoherana hoe Mitsangàna Ry Malagasy izay nangataka ny fialan’ny filoham-Pirenena sy ny hanaovana fifidianana mialoha. Mazava izany fa ny Vondrona Afrikana dia manao didin’ny be sandry fotsiny hanapaka ny amin’ny hoavin’i Madagasikara, na inona na inona ny hevitry ny Malagasy momba izany.

Ny 28 oktobra 2016, ny Country manager–n’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara dia namaritra toy izao ny « laharam-pahamehan’ny Fanjakana » Malagasy : « Moa ve ianareo hanarama mpampianatra mba hiantohana ny fidiran’ny mpianatra, na eto Antananarivo izany, na any Farafangana, na any Mahajanga, na any ambanivohitra lavitra tiana hahazo mpampianatra, sa hanome jiro ny 14%-n’ny mponina eto Antananarivo ? Safidy io ». Dia noderaina ny ministeran’ny fitantanambola « noho izy nanome vahana ny sampan-draharaha fototra miahy ny Malagasy maro an’isa fa tsy nihevitra ny hitsimbina mponina vitsy kely eto Antananarivo ka hanome azy herinaratra »1. Raha fintinina izany dia izao : mamokatra amin’ny alalan’ny herinaratra io mponina « voatsimbina manokana » io any amin’ny orinasa na birao na toeram-piasany any, fa tsy raharahaina izany ; ary koa, na mba mety hatomboka aza ny famatsiana herinaratra ny any ambanivohitra, tsy raharahaina koa izany, tsy mitombina izay laharam-pahamehana ho an’ny firenena raha tsy efa nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena.

Mipetraka àry ny olana ny amin’izay mandidy eto Madagasikara: ny fahefana ara-dalàna sa ny mpamatsy vola ? Tokony hovakiana ny Tatitry ny Famatsiam-bola Iraisam-pirenena (FMI) Lah. 16/273 tamin’ny aogositra 2016, ny famoaham-bola isan’enimbolana hatramin’ny jolay 2019 mahatratra 43,5 tapitrisa USD dia mifototra hatrany hatrany amin’ny fahitan’ny FMI ny asa isan-karazany vitan’ny governemanta sy ny « fanitsiana ara-drafitra ». Manao izay azony atao ny Ministry ny Fitantanambola hanome izay takian’io mpamatsy vola voalohany io. Raha takian’ny FMI ny fifehezana sy ny fampihenana ny fandefasam-bola mankany amin’ny orinasam-panjakana toy ny JIRAMA, dia ampahafantarin’ny ministera fa ny gaboraraka sy ny kolikoly no tena mampikororosy fahana ny JIRAMA. Misy faktiora tsy voaloa : « 60%-ny faktiora, izany hoe 50 tapitrisa Ariary isam-bolana amin’ny faktiora mitentina 80 tapitrisa Ariary » ; fifanarahana ara-barotra mampiahiahy : « ny vidin’ny solika dia lafo kokoa noho ny eny amin’ny fivarotan-dasantsy nefa amin’ny alalan’ny tolo-bidy hatrany no ividianan’ny orinasam-panjakana ny ankabetsahan’ny solika » ; tsy fahaiza-mitantana : « fatiantoka tsy ara-teknika tafakatra 20%, mahakasika indrindra ny fampidiran-jiro halatra »2, sns. Raha mangataka ny hampitomboana ny fampidiran-ketra ny FMI, dia hetra vaovao no hita ao amin’ ny lalànan’ny fitantanambola 2017 toy ny hetran’ny fonenana ho an’ny fampandrosoana sy ny hetran’ny biby fiompy... Na eo aza ireny ezaka ireny dia tsy tsapa loatra fa hoe tena ny fitondrana tokoa no tompon’ny hoavintsika mianakavy. Raha tsy atosiky ny FMI sy ny mpamatsy vola, ny governemanta ankehitriny tsy mametraka ho laharam-pahamehana ny fitondrana ara-toekarena faran’izay hentitra. Averina indray fa mipetraka mihitsy ilay olana ny amin’izay tena mandidy eto Madagasikara : ny fahefana ara-dalàna ve sa ny mpamatsy vola ?

Ny sisa hofantarina dia ny hoe hanome ny 3.4 lavitrisa dolara ve ny fivorian’ny mpamatsy vola hatao any Parisy ny 1° sy 2 desambra ho avy izao, io mantsy no hamatsiana ny tetikasa samihafa hanantanterahana ny Tetikasam-Pirenena ho an’ny fampandrosoana. Inona no hosafidian’ny mpamatsy vola ao amin’ny lisitry ny tetikasa hatolotra azy ? Ny 360 tapitrisa dolara hanamboarana ny faritra ara-toekarena manokana ve (marihina fotsiny fa lelavola mitovy amin’io no totalim-bola nomena hatramin’ny 2019 avy amin’ny Fanamorana ny Fitrosana Mivelatry ny FMI) ? Sa ny 172 tapitrisa ho an’ny fanabeazana3 ? Sa 89 tapitrisa ho fanavaozana ny seranam-piaramanidin’i Toliary, mba tsy hiresahana afa-tsy ohatra vitsivitsy4. Ny « tetikasa enti-mandrafitra » ve mifanaraka tsara amin’ny laharam-pahamehan’ny mpamatsy vola, tsy eo amin’ny lafiny teknika fotsiny fa eo amin’ny ara-pitaovana koa, ato amin’ity tontolo nanjary manalasala ity nefa feno mahamaika tsy hita pesimpesenina ? Ho voarain’i Madagasikara ve ny fampanantenana antenainy hamenoana ny vola miditra avy eto an-toerana izay tsy ampy ary hanafoanana ny fihemorana ara-toekarena taorian’ny taona vitsivitsy izay ? Ny fampanantenana tamin’ity herinandro farany ity ve ho vaovao sa ho famerenana fotsiny ny fampanantenana famatsiam-bola efa fantatry ny rehetra ? Ohatrinona amin’ireny fampanantenana ireny no ho avy any amin’ny sehatra tsy miankina ka handalo any amin’ny PPP izay tsy mba mangarahara loatra ? Na dia ho lasa fianianana mihitsy aza ny fampanantenana, na dia ho hita miharihary aza fa navoaka tokoa ny vola, ny Fanjakana ve hahavita manatontosa azy ara-dalàna ?

Nanomboka tamin’ny « fandaharana fanitsiana ara-drafitra »5 nanodidina ny taona 1980, taorian’ny fitantanana ara-toekarena nampidi-doza nataon’ny filoha Ratsiraka, ka hatramin’ny faran’ny Tetezamita tamin’ny 2009-2013, ny tantaran’i Madagasikara vao tsy ela akory izay dia mampiseho miharihary fa tsy mba nanontany izay hevitry ny firenena na oviana na oviana ny « mpamatsy vola ». Tsy omena tsiny loatra izy satria tsiahivina fa na iray aza tamin’ireo fitondrana nifandimby tsy mba nisy tetikasa mirindra sy mivaingana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy, tsy nisy na iray aza tamin-dry zareo nanomboka asa mitohy hanatsarana ny toe-piainan’ny mponina. Porofon’izany, ny mpitondra ankehitriny dia afa-po fotsiny amin’ny fandraisana fepetra vonjy tavan’andro, ronono an-tavy ary mikendrikendry fifidianana, tsy manana fijery ara-toe-karena mahatsinjo ny antomotra sy ny tsy lavitra loatra ary ny tena lavitra be.



Naoty :

1 L’Express de Madagascar tamin’ny 31 oktobra 2016. Indray andro mialoha an’io i Sylvain Ranjalahy dia efa namaly izany tao amin’ny matoan-dahatsorany mitondra ny lohateny hoe « mijery sa mahalala » : « hitsin-dalana io ».

2 L’Express de Madagascar, 27 oktobra 2016.

3 Ny mpamatsy vola dia efa nampanantena fa hanome 94 tapitrisa USD amin’ireo 266 tapitrisa USD tontaliben’ny nangatahina.

4 Jereo ny sita web-n’ny fivoriana : www.cbi-madagascar.com

5 Jereo Gilles Duruflé, L’ajustement sutructuel en Afrique (Sénégal, Côte d’Ivoire, Madagascar), Karthala, 1988.

Antananarivo, androany faha-29 Novambra 2016