Mba tsy ho loza ny rahampitso…

Iaraha-mahita fa mitatra ny fahoriana. Ana hetsiny maro ny tanora tonga eo amin’ny tsenan’ny asa isan-taona no tsy mahita fomba na iray aza hiatrehana ny filan’ny tenany sy ny an’ny fianakaviany, raha toa ka tany sy tafo ary asa no kely dia kely indrindra tsy maintsy atolotry ny fiarahamonina ny mponina1. Manoloana izany, ahoana ny amin’ny safidy politika ara-toekarena voasoratra ao amin’ny Drafi-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND) ? Mety hamaly ny hetahetan’ny vahoaka ve ireny safidy ireny eo amin’ny lafiny fampiofanana sy asa ary fotodrafitrasa sy fitondrana raharaha ?


Tapi-dalan-kaleha


« Ny kisarin’ny fitomboana dia mikendry ireto fitomboana manaraka ireto : 5,0% amin’ny 2015, 7,0% amin’ny 2016, 8,9% amin’ny 2017, 10,4% amin’ny 2018, 10,5% amin’ny 2019. Izany dia hotratrarina amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon-tany, ny orinasa afaka haba, ny BTP, ny fizahantany, ny fitaterana (sy ny fotodrafitrasa miaraka aminy) ». Ireny no tanjon’ny PND izay vinavinaina hitentina 18 lavitrisa dolara US, izany hoe 3,6 lavitrisa isan-taona mandritra ny 5 taona. Saingy, araka ny filazan’ny mpahay toekarena, dia tsy mihoatra ny 1 lavitrisa dolara isan-taona ihany no mety ho lanin’ny firenena, raha jerena amin’ny fahaizan-draharaha sy ny fitaovam-piasana ananana. Ny mameno an’io banga io no tokony ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana.

Rehefa mihoatra ny tahan’ny fitomboan’ny mponina ny tahan’ny fitom-boan’ny toekarena dia marika anankiray io ahitana fa misy tokoa ny fandrosoana ; amin’izay mantsy dia ho zakan’ny toekarena ny fitomboan’ny fandaniana rehetra enti-manasoa ny vahoaka amin’ny ankapobeny : fahasalamana, fanabeazana, fotodrafitrasa, asa. Nefa dia najotso io fitomboana io ka lasa eo anelanelan’ny 3 sy 3,5% ho an’ny 2015. Raha mitombo 2,9% ny mponina ka 3% ny fitomboan’ny toekarena dia mbola ho toy izao hatrany ny ho fandehany ka tsy hanafaka velively ny mponina amin’ny fahantrana. Ankoatra izany, ny fitomboana malaky dia ilaina saingy tsy ampy hanatsarana ny fari-piainana : raha tsy voatsinjara amin’ny olon-drehetra izy dia mainka koa hampitatra ny tsy fitoviana eo amin’ny fiarahamonina. Izany no nahatonga ny FMI hampahatsiahy fa ny fanampiana goavana omena ny JIRAMA sy ny Air Madagascar2 dia manakana ny tena fampandrosoana marina an’ireo orinasa ireo, ary manakana koa ny famatsiana ara-bola ny fampiasam-bola sy ny fepetra sosialy mahasoa ny besinimaro.

Etsy an-daniny, ny PND dia manome tombon-dahiny ho an’ny « faritra afaka haba » karazany roa. Ny voalohany dia ny tahaka ny AGOA ; ny traikefa dia nahitana fa mamorona asa tokoa izy, saingy tsy afa-mifaninana amin’ny mpifanandrina aminy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny antony manokana, toy ny halaviran’ny seranan-tsambo sy ny halafon’ny fitaterana amin’ny arabe, ny fanafarana ny akora toy izay famatsiana avy eto an-toerana, sns. ; tsy afaka mifaninana izany ny vokatra avy eto Madagasikara raha tsy atao karama vary masaka ny an’ny mpiasa izay voatery hanaraka ora fiasana tsy zakan’olom-belona3. Ambonin’izany, tsy mandoa hetra ny orinasa afaka haba ka misy vola be izany tsy miditra amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana, ary noho ny fahefa-mividin’ny mpiasa ambany loatra dia ny tsena eto an-toerana no voa mafy. Ny « faritra manokana ara-toekarena » izay hindrahindrain’ny fanjakana maorisiana fatratra kosa, raha ny filazan’ny gazety any an-toerana4, dia tsy inona fa faritra ivelan’ny firenena (seranana sy nosy) eo ambanin’ny lalàna avy any ivelany ka tsy voafehin’ny fiandrianam-pirenena.

Ary ny asa goavana, toy ny fanavaozana ny seranam-piaramanidin’Ivato dia voafetra ihany ny fiantraikany eo amin’ny asa, tsy hateza ny fampiakarany ny fari-piainan’ny mponina fa ny saranga ambony irery ihany no hahazo tombony aminy. Saingy ny fanjakana kosa dia tsy maintsy amin’ny mpamatsy ny vola nanaovana ireny tetik’asa ireny no hifanazava fa tsy amin’ny solombavambahoaka velively, na amin’ny vahoaka izay mpisitraka azy ireny voalohany. Ny maha-maika ny safidin’ny fitondrana dia ny tetik’asa mahasarika ny maso fa tsy ny tena filàn’ny vahoaka marina. Manginy fotsiny ny ahiahin’ny mpamatsy vola tsy mitsaha-mitombo manoloana ny fiainana politika mitsingilahila sy ny fikaviavian’ny mpitondra.

Mandritra izany, mahazo vahana ny fahantrana sy ny tsy fandriampahale-mana. Tsy mandefa vaovao ny minisitera (Mponina, Fahasalamana, Fana-beazana), fa dia ny fikambanana iraisam-pirenena (UNICEF, OMS) sy ny ONG no mamoaka antontan’isa mampatahotra. Asehony fa mitombo ny tsy fahampiana ara-sakafo ho an’ny zaza, mikororosy fahana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly sy ny fahazoana fitsaboana, ary midina ny fanantenam-pahavelomana. Tsy misy miantoka intsony ny raharaha fototra any ambanivohitra lavitra any ; any amin’ny tanàn-dehibe dia mihaohao ny mpangataka, miroborobo ny asa an-tselika sy ny fonenana tsizarizary. Ny ankamaroan’ny OMD (Tanjon’ny Taonarivo ho an’ny Fampandrosoana) dia tsy tratra hany ka any amin’ny rambony ny firenena raha mitaha amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Hatramin’ny rahoviana ity vahoaka efa mirepirepy ity no mbola hiaritra ny fanaovana tsinontsinona azy sy ny fampiasana azy ho fitaovana ? Etsy an-daniny, firy lavitrisa ny Ariary tsy fanta-piaviana nolaniana nanaovana ilay fifidianana farany teo izay tsy naharototra velively ny olona ka izay tratra no tsy tonga nandatsa-bato ?


Inona ny hatao ?


Izao aloha ny firenena dia mijaly noho ny tsy fisian’ny laharam-pahamehana abaribary sy takatry ny rehetra, na ny mponina izany na ny mpampiasa vola – sy ny « mpamatsy ». Ho aiza ihany àry isika ity ?, hoy ny mponina manontany tena, saingy tsy mamaly ny fitondrana. Tsy misy laharam-pahamehana, tsy misy fitsinjovana ny aleha, tsy mitondra izy. Samy manao izay tiany hatao na azony atao any amin’izay misy azy any ny minisitera, tsy misy firindrana, tsy misy fiombonana. Ny « tomban’ny 100 andro » no porofon’izany : tanjona tsy misy finiavana, mora tanterahina loatra ka tafintohina ny vahoaka rehefa tsy nahita na inona na inona niova nefa aiza ity fireharehana ho nahatontosa azy ! Ankoatra an’izany, zava-bita tsy dia mankaiza loatra akory no tokanana amin’ny fomba manetriketrika ary ny propagandy any amin’ny haino aman-jerim-panjakana no naka ny toeran’ilay fahaizana feno fahamalinana takian’ny fitondrana.

Anisan’ny laharam-pahamehana ny fitsinjaram-pahefana izay mibaribary ny tsy maha eo azy ao amin’ny PND. Nefa raha tsy eo izy dia tsy hiverina ny fitokisana ny mpitondra ary tsy hahatsapa tena ho tompon-draharaha. Tsy manana fahefana sy vola enti-miasa ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna vao nofinidy teo, ary tsy hahazo fanampiana kely dia kely avy amin’ny Fanjakana foibe5 raha tsy mora baikoina ara-politika. Tsy hitondra afa-tsy fahadisoam-panantenana ho an’ny vahoaka io fomba fanao io.

Ny politikan’ny indostria moa dia tafajanona ho maizimaizina hatrany. Saro-tra noho izany ny hahatakatra ny antony nakana fikambanana tsy miankina vahiny hanendry sendikàn’orinasa anankiray hamaritra ny politikam-pirenena momba ny indostria. Ny sehatra tsy manara-penitra no tokony hosahanin’io politika io voalohany indrindra. Ny orinasa ao amin’io sehatra io izay mana-karama ny 80% amin’ny mpiasa dia sady tsy mandoa TVA no tsy mandoa hetra, any ivelan’ny faritry ny ara-dalàna, nefa misitraka ny fanaovana raharaha ho an’ny rehetra, ny mpiasany anefa tsy mahazo na fiahiana ara-tsosialy na izay zo ho an’ny fisotroan-dronono. Manaraka izany, ilaina ny manampy araka izay tratra ny orinasa miasa tanana sy ny orinasam-pianakaviana eo amin’ny fitantanana sy ny hahamatihanina ny mpiasa, satria ireo no tena mpamorona asa be indrindra. Fa ny fanaovana rainazy amin’ny mpamongady sy ny mpivarotra sasany izay mandà ny faktioran’ny mpamatsy azy sy ny mpividy ao aminy dia tena tsy azo leferina intsony. Etsy an-daniny, mba hitazomana ny tanora manam-pahaizana sy mahomby, izay mahita asa metimety kokoa sy tsara karama kokoa any ivelany, ny orinasa goavana dia euros na dolara ankehitriny no andoavany ny karama any amin’ny kaonty sokafany any ivelany any. Fotoana fohy ihany anefa no mety hahomby izany politika fampirisihana ara-bola tsy ara-dalàna izany ; fa rehefa ela ny ela, io ihany no hanimba ny toe-bolan’ireo orinasa ireo.

Izao toe-javatra izao dia porofon’ny tsy fisian’ny politikan’ny fidiram-bola. Ahoana moa ny fomba hamelomana fianakaviana amin’ny karama farany am-bany mitentina 133.000 Ariary, izany hoe 35 euros eo ho eo, fantatra koa fa ny ankamaroan’ny mpiasa dia karamaina ambanin’io faritra ara-dalàna io ary tsy andoavana ny latsak’emboka ho an’ny fiantohana ara-tsosialy sy ho an’ny fisotroan-dronono (ny voalohany amin’izany dia ny orinasam-panjakana, hita io tao amin’ny Air Madagascar sy ny INSTAT) ? Tsy azo ampiandrasina intsony ny firosoana amin’ny fampiakarana tsy misy ankanavaka ny karama ambany rehetra : fanondrotana isan-taona, ambony lavitra noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, no tanjona ambany indrindra tokony hotratrarina. Tsy azo ampiandrasina ny fampihenana ny elanelana mahamenatra misy eo amin’ny vola miditra izay anisan’ny lehibe indrindra eran-tany, izay mihoatra ny 1 ka hatramin’ny 1.000 ! Ny mpitondra amin’ny sehatra rehetra mianoka ao anatin’ny harem-be, avelany ny vahoaka hisedra ny fitsitsiana, tsy misy fanaraha-maso ny amin’ny niavian’ny harenany, tsy misy fanadihadiana ataon’ny Bianco : ahoana ny amin’ilay lalàna momba ny fahazoan-karena tsy fanta-piaviana (fifandraisan’ny mariky ny fananan-karena ety ivelany sy ny loharanom-bola ofisialy) ?

Ary farany, ny tantsaha no maro an’isa indrindra amin’izay tra-pahavoazana noho ity fitondrana ity. Noho ny haratsin’ny lalan-tany tsy misy mpikarakara, ny mpamboly, ny mpiompy sy ny mpanjono dia tsy tafavoaka intsony amin’ny vidiny andraisan’ny mpandranto ratsy fanahy sy tsy tan-dalàna ny vokatry ny asany. Tsy afaka miantoka intsony ny fianaran-janany izy raha mba misy sekoly any aminy, tsy afaka mitsabo tena raha mba misy CSB any aminy, matetika no alaina aminy ny tany tsara indrindra noho ny tetika maizina amin’ny fananan-tany, dia mitsoaka ny any ambanivohitra izy ary manatevin-daharana ny mafy ady eny an-tanàn-dehibe. Mba tsy ho tapi-dalan-kaleha, ny vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy dia ny manandratra ny fambolena sy ny fiompiana ataon’ny mpianakavy amin’ny alalan’ny fampiofanana (SRI, sns.), amin’ny alalan’ny fampindramam-bola hividianana izay ilaina sy ny fitaovana madinidinika, amin’ny alalan’ny fampiakarana miandalana ny vidin’ny vokatry ny tany, ary amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana mampifandray ny any ambanivohitra.

Ny fanalalahana tsy voafehy no manjaka eto amin’ny Nosy, hafarana ny ankamaroan’ny zavatra fampiasa andavanandro nefa azo atao tsara ny mamokatra azy eto an-toerana. Raha olona vitsy dia vitsy no mifehy ny sehatra ara-toekarena sy ara-politika, mba hiarovany ny fananany sy ny tombontsoany, ny maro be amin’ny vahoaka kosa dia miha milentika tanteraka any anatin’ny fahantrana tanteraka. Izao lalana misakana ny fandrosoan’i Madagasikara izao dia hiafara amina korontana mahery vaika tsy ho voafehy. Amin’izay dia ho tratra aoriana loatra ny fidradradradrana.



Naoty :

1 « Ilay ‘‘T’’ telo malaza (terre, toit et travail) tany, trano ary asa ho an’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra (…) zo masina ireo », Papa Fransoa tany Santa Cruz de la Sierra (Bolivia), 9 jolay 2015.

2 « Ho an’ny taona 2014, ny fandefasana sy ny fanampiana ara-bola dia nahatratra MGA 797,9 lavitrisa. Narotsaky ny fanjakana ho an’ny Jirama ny MGA 460 lavitrisa, MGA 79,6 lavitrisa ho fanampiana amin’ny solika, MGA 10 lavitrisa ho an’ny Air Madagascar, ary MGA 3,7 lavitrisa monja ho fanampiana ny kaomina sy ny faritra », Banky Iraisam-pirenena, Résumé exécutif, septambra 2015, tak 13, fanamarihana 15.

3 Jereo Gyl Dany Randriamasitiana, « L’esclavage moderne des travailleurs. Les entreprises franches à Antananarivo », in Ignace Rakoto et Sylvain Urfer (dir.), Esclavage et libération à Madagascar, Karthala-Foi & Justice, 2014.

4 Défi Media tamin’ny 1° mey 2015.

5 Izany hoe MGA 3,7 lavitrisa ho an’ny kaomina sy ny faritra. Jereo ny fanamarihana 2.

Antananarivo, androany faha-12 Septambra 2015