Mifanaritaka ny fanjakana

Dimampolo taona katroka izay no nampanantenan’ny mpitondra paradisa ho antsika. Na sosialista na malalaka dia paradisa hatrany no arangaranga aorian’ny krizy, sy amin’ny fiantombohan’ny fahefana vao norombahina: ho resy ny fahantrana ary ho tafaverina ny fandriampahalemana, ho voatsabo ny marary ary hahazo fanabeazana ny ankizy, hahazo trano ny tsy manan-kialofana ary hahazo asa ny tsy an’asa. Fampanantenana hadino vetivety, satria mbola vao mainka mihalalina ny fahantrana, dia misy krizy hafa indray hanoloana olom-baovao ilay mpanavotra voatendrin-janahary. Tsy maintsy hiaretana foana ve io fiverimberenena mamoadoza io, ka nahatonga an’i Madagasikara ho firenen’ny tsy fahombiazana efa voarindra tao anatin’ny antsasa-tsiekla, firenen’ny zavatra azo natao tsy notontosaina na oviana na oviana ? « Mangetaheta ambony lakana », hoy ny ohabolana.

Maro samihafa ny fomba nanazavana an’ireny tsy fahombiazana nisesisesy ireny, saingy tsy mitombina daholo akory izy ireny. Misy anankiray tsara raisina satria tsy isalasalana fa mitombina na dia amin’ny ampahany ihany aza : ankoatra ny tsy fisian’ny riba ara-panjakana na iray aza, dia mbola eo koa ny fisavoritahana tsy takona afenina izay azo ahitsy raha misy finiavana sy fiheverana ny tombontsoa iombonana na dia kely fotsiny aza.


Tsy misy vinam-piarahamonina, tsy misy drafitra fampandrosoana


Afa-tsy ny drafitra ideolojika sy lavitra ny zava-misy tao amin’ny Boky Menan-dRatsiraka tamin’ny 1975 dia tsy nisy mihitsy na iray aza tetik’asa matotra natolotry ny kandidà ho filoha nifandimby fa rehefa voafidy izy ireny dia eo am-pandrasana vao mahita izay atiny. Eo amin’ny lafiny politika dia mihazakazaka izy manangana antoko politika bemiray, tsy misy ambaindainy, tsy misy rafitra, feno mpanararaotra, handimby toerana ny an’ny mpitondra teo aloha : AREMA, UNDD, TIM, ary amin’izao fotoana izao HVM. Tsy misy hafa amin’izany koa ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Ho porofon’izany dia tsy misy farany ny fanitsiana ny PND (Fandaharan’asam-Pirenena ho an’ny Fampandrosoana). Raha tsy voaterin’ny ODD (Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra) angamba taty aoriana dia tsy ho nisy velively io antontan-kevitra io, tahaka ny Map-n-dRavalomanana izay nafantoka tamin’ny OMD (Tanjon’ny Taonarivo fahatelo ho an’ny Fampandrosoana). Fa amin’izao fotoana izao aloha io PND io dia manaporofo fa tsy misy mihitsy ny politika ara-tsosialy sy ara-tokarena voalanjalanja, mifandraika amin’ny zava-misy ary tsy mifandaka.

Mbola hita any amin’ny sehatra saropady hafa koa io fisalasalana io. Mikasika ny fitsinjaram-pahefana, ny ekipa eo amin’ny fitondrana dia tsy manana hevitra maty paika na momba ny fahefana hankinina amin’ny faritany, ny faritra na ny kaomina, na ny satan’ny tanàn-dehibe. Izany no niteraka ny tolo-dalàna nifanesy sy nifanipaka mikasika ny fitsinjaram-pahefana, indrindra ilay mikasika ny satan’ny renivohitra, izay tena vokatry ny vonjy tavan’andro sy ny haratsiam-pisainana tanteraka fotsiny izao. Ny olana mikasika ny mpampianatra FRAM (Mpampianatra karamain’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra) dia asavoritaka sy atao rainazy ny famahana azy nefa raha momba ny fampianarana dia io no manakona ny tena olana, izany hoe ny fandaharam-pianarana sy ny fandrindrana ny fianarana, ny fanofanana mpampianatra sy ny fanorenana sekoly, ny lysea sy ny oniversite. Moa ve izao ohatra ny fanamaroana ny foibe oniversitera any amin’ny faritany dia tena vokatry ny drafitra maty paika voadinika lalina sa vokatry ny fahefan’ny antokon’olona manery avy any an-toerana ?

Toraka izany koa ny momba ny politikan’ny fiarovana sy ny fandriampahalemana anaty. Manodidina ny hetsika « coup d’arrêt », ny famaizana ny halatra omby tany atsimo dia nilazana tamin’ny fomba ofisialy fa nahafatesana olona 573, ka ny 445 dia dahalo, ny 115 olon-tsotra ary ny 13 mpitandro ny filaminana. Tsy misy mahalala na nisy na tsia olon-tsotra noheverina ho dahalo, fomba ahoana no nahafaty azy, ary inona ny onitra nomena ny fianakaviany. Ny hamaroan’ny sivily sy miaramila maty dia porofo fa tsy maty hanina ilay hetsika miaramila natao, ary tsy naharototra firy ny olona ny fahafatesan’ny mpiray tanindrazana aminy. Raha velarina kokoa ny resaka, inona moa ny toerana omena ny tafika eo anivon’ny fiarahamonina ? Tifitra vary raraka ny fanendrena ho jeneraly (59 tamin’ny faran’ny desambra 2014), tsy isaina intsony ireo kolonely an’arivony miandrandra fisondrotana, mifangarika tanteraka amin’ny miaramila izay tsy misy afa-tsy 30.000 fotsiny rehefa atambatra daholo ny sokajiny rehetra. Manoloana io toe-javatra mahatsikaiky sy mahonena loatra io, inona àry ny zava-kendren’ny mpitondra, nahoana no mbola tohizina ihany ny fanofanana manamboninahitra ambony an-jatony maro ? Maro be ny ohatra tahaka izany izay manaporofo fa tsy mahatsinjo lavitra ny Fanjakana amin’ny asa ataony.


Tsy misy fanaraha-maso ny fanapahan-kevitra, tsy misy fanasaziana


Arahina dokam-barotra izaitsizy ny fanapahan-kevitra noraisina, nefa dia tsy misy tohiny izy ireny matetika, tahaka ny hoe ny fanambarana fotsiny dia ampy, ary ny sampan-draharaha voakasik’izy ireny dia tsy miraharaha velively ny fampiharana azy. Isaky ny misy minisitra miova, isaky ny vaky ambatolampy ny zava-mamohehatra nahavoarohirohy antokon’asa anankiray, dia milokaloka ny tompon’andraikitry ny zandarmaria sy ny polisy fa tsy hisy intsony ny toy izany, fa ho fongatra hatramin’ny fakany ny kolikoly ao amin’ny antokon’asany. Nefa dia mbola mainka koa mahazo aina hatrany ny fakana vola any amin’ny lalam-pirenena sy eny an-tanàn-dehibe, ary tsy misy tohina amin’izany intsony.

Isaky ny fotoam-pahavaratra, feno lavaka lalina ny lalana nandaniam-bola be ny fanamboarana azy volana vitsivitsy foana taty aoriana, tahaka izay hita eto an-drenivohitra ankehitriny ; ireo lakandrano avy nodiovina vao tsy ela akory izay, novoriana ny tompon’andraikitra, nantsoina ny mpanao gazety, hanatri-maso an’izany, ary nampanantenaina tamin’izany fa hokolokoloina izy ireny, dia efa tsentsina indray izao ; dia lasibatry ny fandrodanana indray ny trano miorina tsy ara-dalàna manentsina ny fikorianan’ny rano. Tsy mitsahatra ny fanomezan-toky hentitra ny hanalana amin’ny sisin-dalana sy ny atilalana ny mpivarotra tsy ara-dalàna mba hampitony ny mpandeha an-tongotra sy ny mpamily, nefa vao vita ny fihetsiketsehana tsy maintsy atao dia miverina amin’ny korontana mahazatra ihany ny zavatra rehetra ; efa noraisina ny fanapahan-kevitra hanafoana ny samy manao ny saim-pantany eo amin’ny fifamoivoizana, toy izany koa ny tsikombakomba ifanaovan’ny mpamily tsy tan-dalàna sy ny polisin’ny fivondronana. Aim-bery foana !

Miverimberina matetika ny grevin’ny mpianatry ny oniversite satria tsy voaloa ny vatsim-pianarany, satria tian’ny minisitera horoahina ireo tsy mpianatra akory nefa mibodo ny trano eny amin’ny site oniversitera, eny izy no mitantana ny risoriso fanaony, na koa satria misy fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra niaviany mitaky ny hizarana ny tranon’ny site vaovao araka izay ilàny azy. Fa na dia teo aza ny toky nomen’ny minisitera dia mbola tsy hita hoe voaloa ara-dalàna ny vatsim-pianarana, mbola tsy hita izay fanadiovana maharitra natao teny an-toerana. Toy izany koa matetika ny seranam-piaramanidina, indrindra ny an’ny Renivohitra, lasa sehatra anjakan’ny fanondranana an-tsokosoko isan-karazany : volamena, vola vahiny, vatosoa, karazam-biby voaaro, sns. Isaky ny mihetsika dia omena toky hatrany fa tsy maintsy ho tratra ny tompon’andraikitra ary ho azo antoka ny fidirana ao amin’ny seranana. Volana vitsivitsy aty aoriana, miverina amin’ny taloha daholo indray ny raharaha.

Eo anatrehan’io tsy fanarahan-dalàna na aiza na aiza io, ny tena olana, tsy mba tenenina na oviana na oviana, dia ny tsy fisian’ny famaizana. Ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanondranana an-tsokosoko, amin’ny tolo-barotra namboamboarina, amin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka, amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny famonoana olona tsy nandalo fitsarana ary atao fialan-tsiny ny fitandroana ny filaminana, dia tahaka ny tsara mpiaro avy any ambony any, hany ka voahosihosy ilay Fanjakana tan-dalàna.Tsy ampiharina na oviana na oviana ny famaizana notenenina, na nanaovana kely fotsiny ka tsy misy dikany, fa ny nasiana mafy dia ny boto faniraka. Ny fidiran’ny politika ao amin’ny fitsarana, miampy ny kolikoly mahazo vahana ao anatiny, dia manamora io fihasimbana io1. Tsy misy izay tsy mahalala an’izany, lohalaharana amin’izany ny tompon’andraikitra voalohany, saingy mbola tsy nisy nofaizina.

Tsy maintsy ambara fa avy any ambony ny ohatra, satria tsy mbola nisy mpitondra voatohintohina hatramin’izay na iray aza. Mainka koa aza izy ireny ankehitriny miseho efa nihavana hanavotra ny firenena ka mihambo mbola hisahana ny andraikitra voalohany ! Tahaka ny mpanao politika rehetra dia mitaky ny tsy ho azo enjehina amin’ny nataony izy ireo, na inona izany na inona. Ary rehefa tsy hitany intsony izay fomba handavana ny haratsiana mamohehatra vitany, ireo Filoham-pirenena taloha sy am-perin’asa dia manadio tena amin’ny alalan’ny filazana ambangovangony fotsiny2. Io tsy fahafahana manasazy ny tompon’andraikitra ambony io, izay tohanan’ny ankamaroan’ny olona ambony rehetra (politika, toekarena, fitsarana, avara-pianarana, miaramila, filazam-baovao, finoana, sns.), io no antony goavana indrindra mahatonga ny fanjakana tsy handeha amin’izay laoniny sy ny tsy fahombiazana sesilany diavin’ny firenena na iza na iza no eo amin’ny fitondrana. Raha mbola tsy mitovy ny fitsarana ho an’ny olona rehetra dia ho nofy foana ihany izany manantena fiarahamonina mandroso izany.


Fandavana ny mangarahara


Ny ambaindain’ny fiainana politika dia ny fisian’ny mpisolo tena izay mahatonga ny olom-boafidy tsy maintsy miasa amin’ny anaran’ny olom-pirenena satria ireo no nanome azy ny fahefana araka ny lalàna. Tsy azy ny fahefana fa nampitondrain’ny mpifidy azy. Tahaka izany koa, ny mpitantana dia miasa ho an’ny olom-pirenena nefa ry zareo dia matetika no miseho ho mpibaiko ny olona tantaniny. Tena tsy azo ialana eto ny tamberin’andraikitra satria io dia mitaky amin’ny mpanao politika hanao ny tatitry ny asa vitany amin’ireo nametraka azy amin’ny toerana misy azy, satria izy ireo irery ihany no afaka mitsara na nety na tsia ny asa nataony sy ny zava-bitany. Io tamberin’andraikitra io no miantoka ny fitokisana mampifamatotra ny mpitondra sy ny entina, nefa hevitra tsy fantatry mpanao politikantsika izy io. Ry zareo mantsy rehefa mitantana ny firenena sy ny harenany dia ohatra ny hoe ry zareo ny tompony ka afaka manjakazaka ao, ary ailiny tsy hahalala izay ataony ny vahoaka.

Raha tiana ho foana ireny fanararaotam-pahefana ireny dia tsy misy afa-tsy ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny raharaham-panjakana ihany no fanefitra ; noho ny fandrosoana eo amin’ny teknolojia sy ny mekanisma toy ny EITI (Firosoana amin’ny Mangarahara amin’ny Indostriam-Pitrandrahana) dia mbola azo hatsaraina be dia be tokoa io. Araka izany, zo avy aiza moa no itakiana alalana avy amin’ny minisitera rehefa mangataka na dia antontan’isa kely fotsiny aza mikasika ny sampan-draharaha iray ao anatiny ? Tsy tsiambaratelom-Panjakana ireny isa ireny ary tsy fananan’ny minisitra manokana. Kolokoloina ilay haizina mba hahatonga ny olom-pirenena tsy hahalala na inona na inona ka ho mora handairan’ny rainazy amin’ny endriny samy hafa. Toy izany ny momba ny lalànan’ny teti-bola izay miantoka ny andavanandron’ny rehetra amin’ny taona ho avy. Nahoana no nosakanana tsy hisy loa-bary an-dasy mikasika ny hevi-dehibe itondrana azy fa dia nofaritana antsokosoko tany ilay izy, nampian’ny tsikombakomban’ny fikambanana iraisam-pirenena sasantsasany, dia nasaina nolanian’ny solombavambahoaka tsy mahavita azy haingana dia haingana, tsy nisy adihevitra, tsy nasiam-panovana ? Toy izany koa ny fifanarahana nataon’ny fanjakana : ny harena voajanahary sy ny harem-pirenena hafa dia an’ny firenena rehetra fa tsy an’ny mpitondra samirery. Zo avy aiza no ahafahany manao sonia fifanarahana amin’orinasa misy vola tsy hitan’avanavana, nefa mandà ny hilaza amin’ny vahoaka tena tompony ny votoatiny.

Azo ampitomboina ny ohatra, efa fantatry olon-drehetra daholo izy ireny. Fa ny ohatra tsara indrindra mampiseho ny fandavana ny mangarahara avy amin’ny tompon’andraikitra dia ny momba ny andramena. Fahafaham-baraka efa nahasaozanina ny firenena an-taonany maro, efa misy fantatra anarana ireo mpanondrana an-tsokosoko : angaha tsy efa nampitain’ny praiminisitra any amin’ny nandimby azy ny antontan-taratasy ? Ny ONG voakasik’izany dia mahalala sady manoro ny toerana anangonana ny bolabola, ny anondranana azy any anaty sambo izay miandry any afovoan-dranomasina any, ary ny anaran’ny tompon’andraikitra. Mahagaga anefa fa tsy tontosa hatramin’ny farany na oviana na oviana ny fanadihadiana, ka tsy afa-mitsara ny tribonaly satria tsy misy na inona na inona eo am-pelatanany. Ry zareo mpitondra ambony moa, mazava loatra, tsy mahalala na inona na inona...


Andrim-panjakana diso lalana


Miankina amin’ny andrim-panjakana ny fizotran’ny asan’ny Fanjakana, ny raharahan’izy tsirairay avy no miantoka ny fisarahan’ny fahefana, noho izany miantoka koa ny ny fisian’ny firenena tsara tantana. Misy iray amin’izy ireny anefa miasa mbola tsy feno tanteraka ny isany3, toe-javatra tsy azo ekena saingy toa mbola haharitra volana maro. Ambonin’izany toa atao mihitsy izay tsy hahafahan’ireny andrim-panjakana ireny manatontosa ny andraikiny. Ny lalàna manangana ny HCJ (Fitsarana Avo) dia tena natao tsy hahafahana manenjika ny Filohan’ny Repoblika, ny fepetra tsy maintsy arahina dia nokendrena tsy ho tontosa mihitsy. Toy izany koa ireo olona 44 ao amin’ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) dia tsy afaka hanatontosa ny andraikiny noho ny hamaroan’ny isany sy ny fanendrena azy niainga avy amin’ny mason-tsivana tsy takatry ny vahoaka. Ary ny nisafidianana ny FFKM (Filankevitry ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara) hisahana ny fampihavanana dia efa nanilika ny FFM.

Fa ny andrim-panjakana faran’izay tsy azo itokisana indrindra dia ny Antenimieram-Pirenena. Ireo solombavambahoaka 151 ao anatiny dia mivaro-tena amin’ny fitondrana isaky ny misy fandatsahambato lehibe atao, hitam-poko hitam-pirenena izany, tsy menatra akory izy miala amin’ny vondrona politika iray dia mifindra any amin’ny iray hafa, na efa eo aza ilay fandidiana azy hankato raketin’ny Lalàmpanorenana (and. 72). Koloiny fatratra ilay tsy fanatrehana fivoriana ary tsy misy eritreretiny afa-tsy ny hangorona tombon-tsoa manokana araka izay tratra. Ny tena mampiseho miharihary fa lo tokoa ilay antenimiera andrim-panjakana dia ilay izy nifidy ho anisan’ny filoha lefitra olona iray voatondro ho nanolana zaza tsy ampy taona4. Ny fahasahiana nanohana asa ratsy toy izany dia mahalaza zavatra betsaka momba ny toe-panahin’ny solontenantsika, ny Lalàmpanorenana anefa dia manitrikitrika fa « ny solombavambahoaka dia manao ny asany araka ny feon’ny fieritreretany ao anatin’ny fanajana ny ethika » (and. 71). Mba manana feon’ny fieritreretana ve anefa aloha izy ireo ?


Fanta-bahoaka io faharatsian’ny fitantanana io, ary mampanakoako izany mafy ny filazam-baovao. Io no mamotika ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra ka na tsara rindra toy inona aza ny kabary dia tsy hanova na inona na inona fa mainka koa aza hampitombo ny ahiahy. Mba azon’ny politika an-tsaina ve ny halalin’ny hantsana manasaraka azy amin’ny vahoaka ? Raha mbola miziriziry tsy hijery ny zava-misy izy ka tsy miezaka hampihena io fikorontanana io dia mbola tsy hatoky azy ny olona, ary atahorana ny hiverenan’ny voka-dratsin’izany araka ny efa nampianaran’ny tantara azy antsika nanomboka ny taona 1972. Raha tsy vitan’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ny mandrindra, manasazy, manaiky ny tamberin’andraikitra ary hanana ethika na dia kely fotsiny aza, dia mihazakazaka manatona ny fahaverezany izy ary mitarika ny firenena manontolo hianjera miaraka aminy.



Naoty :

1 Mbola hataon’ny SeFaFi lohahevitry ny fanambarany manaraka io.

2 « Nahatsapanay fa tompon'andraikitra izahay tamin'ny zavatra niseho teto amin'ny firenena, ao ny nety ao ny tsy nety ka niteraka ratra ». Fanambarana, 15-01-2015.

3 Jereo ny fanambaranay tamin’ny 4 oktobra 2014 : « Repoblika bingobingo ».

4 Onena ny SeFaFi rehefa nitranga ireny toe-javatra ireny, fa tsy nisy vokany izany : fanambarana tamin’ny 26 mey 2011, « Arakaraka ny hoe be fahefana ianao na fadiranovana… », in L’observatoire de la vie publique à Madagascar. D’une crise à l’autre (2001-2013), Foi & Justice, p. 337-338.

Antananarivo, androany faha-07 Febroary 2015