Ny fahefana, hiasa ho an'iza ?

Efa hatramin’ny 1960 i Madagasikara no nitady izay lalan-kizorany. Raha mampitsiriritra ny dingana ho an’ny fandrosoana vitan’ny firenena nitovy lenta taminy, ny fari-piainana eto amin’ny Nosy kosa dia tsy mitsaha-mikororosy fahana. Mizaka ny tsy eran’ny aina ny mponina nefa tsy afa-manoatra fa dia ny mikomy ombieny ombieny amin’ny mpanao politika sisa vahaolana hitany, ireo no mampahantra sy manosihosy azy ary tsy mba mihevi-tena ho diso na oviana na oviana. Ny mpitondra ankehitriny mantsy dia efa teo ihany tamin’ny fitondrana teo aloha, ary ireo tsy tafaverina intsony dia tsy manan-tsaina afa-tsy ny hiverina eo amin’ilay seza nanalana azy...

Efa 15 taona izay ny SeFaFi no namotsipotsitra ny mikorontana sy ny tsy mandeha amin’izay laoniny eo amin’ny fitantanana ny firenena. Saingy mikiry biby hatrany ireo mpitondra nifandimby tsy hiraharaha ny torohevitra sy ny fampitandremana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Ankoatra ny raharaha manafintohina ny olom-pirenena sady manimba ny endriky ny firenena eo imason’ny fiarahamonina iraisam-pirenena, dia mbola mipetraka foana ny fanontaniana : nahoana àry no tsy te hahalala sy be marenina ny mpitondra nifanesy, ary nahoana izy no tsy naharefy ny zavamisy ka naka izay fanapahan-kevitra tokony ho noraisina ?


Ny paika


Mahalala an’izao daholo ny olon-drehetra, afa-tsy ny mpitondra antsika ihany : matoa mirotsaka amin’ny politika dia satria mikatsaka ny soa iombonana ho an’ny firenena. Izany no antony nanoloran’ny fokonolona ny fahefana any amina solontena natao hiasa amin’ny anarany ho fanasoavana ny rehetra : ny fokonolona any amin’ny sefo fokontany, ny kaomina any amin’ny ben’ny tanàna, ny faritra na ny faritany any amin’ny mpitondra azy isan-tokony, ary ny firenena manontolo any amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta. Ireny olona ireny no mandrafitra ny antsoina hoe fahefana mpanatanteraka, ary izy no miandraikitra ny fanatanterahana ny fampanantenana nahatonga ny olona hifidy azy, izy no manapaka hevitra amin’ny anaran’ny olom-pirenena. Tsy maintsy mitatitra ny zava-bitany any amin’ny mpifidy azy sy ny olona rehetra entiny koa izy ka manaja ny fotokevitry ny tamberin’andraikitra. Tsy maintsy samy manatontosa ny andraikiny eo amin’izay ambaratonga misy azy avy ny tsirairay fa samy mampihomehy daholo na ny prezidàm-pokontany mitokana tohadrano na ny prezidàn’ny Repoblika mitokana sekoly fanabeazana fototra ! « Ny omby no tsara ambina, ny tsirairay no samy manao ny tandrifiny avy », hoy ny ohabolana. Ny hevitra tapahina, ny fitenenana raisina, dia samy tsy maintsy mifandanja amin’ny haben’ny fahefan’ny tsirairay.

Etsy an-daniny, misy tompon’andraikitra hafa misahana manokana ny fiheverana sy fandaniana ny lalàna sy ny hevitra mitantana ny fiaraha-miainan’ny olom-pirenena. Ireo no antsoina hoe fahefana mpanao lalàna, voakasik’izany ny mpanolotsainan’ny tanàna, ny solontenam-paritra na faritany, ary indrindra moa fa ny solombavambahoaka izay voatondro manokana hanao lalàna na hampifandrindra azy amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina sy ny filàn’ny olom-pirenena. Izany dia mba hilazana fa tena tsy mifanaraka sy « mampihomehy » mihitsy ny hambon’ny mpanao lalàna misisika hampivoatra ny boriborintany misy azy na hitantana ny vola nomen’ny Fanjakana. Tsy hita izay hilàna 4x4 sy tambinkarama tsy toko tsy firohana raha hanao lalàna ; fa ny tena tsy azo ialàna kosa dia ny fahatongavan’izy rehetra ao amin’ny Antenimieram-pirenena mba hampandeha tsara ny fahefana mpanao lalàna. Raha izany àry no izy, ahoana moa no haneken’ny olom-pirenena fa solombavambahoaka 18 monja (amin’ny 151) no nandany ilay lalàna tsy vanombanona momba ny fifandraisana izay hita miharihary izao fa manitsakitsaka ny fahafahana fototra, nefa dia afaka soa aman-tsara tamin’ny fitiliana na manaraka ny lalàmpanorenana na tsia, ka efa kely sisa dia havoakan’ny filohan’ny Repoblika ho manan-kery ? Ary ahoana koa ireny lalàna momba ny Tetibola ireny izay lany tsy misy mitsipaka, tsy ao anatin’ny indray andro manontolo akory, tsy niadian-kevitra kely akory ny votoatiny, tsy nasiam-panitsiana na iray aza, nefa any amin’ny tany tena demokratika dia mila herinandro maro sy volana maro ny adihevitra teknika momba azy ?

Ary farany, ny fampandehanana tsara ny fiarahamonina dia mila fahefana hitsara ny fifanolanana eo amin’ny samy olom-pirenena ary eo amin’ny olom-pirenena sy ny mpitondra azy. Io no andraikitry ny fahefana mpitsara ; ary mba hahamasin-teny azy dia tsy maintsy tsy mitanila izy ka noho izany mahaleo tena eo anatrehan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna. Ny mpitsara dia natao hampahafantatra ny lalàna ary handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny lalàna (amin’ny Lalàmpanorenana ho an’ny mpitsara momba ny lalàmpanorenana), baikoin’ny feon’ny fieritreretany, mandà izay mety ho fitsabatsabahana politika rehetra sy ny fanangolena ara-bola na zavatra hafa. Amin’izay ihany vao ho masin-teny amin’ny vahoaka ny fitsarana matetika loatra no voahitsakitsaka io fenitra io, an-karihary izao, ary ry zareo mpitsara mihitsy no mahavita izany.

Raha feno ireo fepetra ireo, na fara fahakeliny raha samy miezaka daholo ny andaniny sy ankilany hanao izay hahafeno azy, dia ho roso eo amin’ny lalan’ny « demokrasia » ny firenena, ny « tsara tantana » sy ny « Fanjakana tan-dalàna » – fiteny tsara rafitra zary very hasina noho izy tsy an-kijanona no averim-berin’ireo mpitari-bato vilam-bava indrindra indrindra. Tsy vita tsy misy fiomanana ny fizakam-pahefana. Ny traikefa teo am-panaovana azy no ahazoana azy, ary tsy maintsy hajaina ny etìka sy ny soridalana ary ny fitsipika izay iainana.


Ny fampiharana


Lavitra dia lavitra ireny paika ireny, tsy afaka ny tsy hiaiky fa samy tsy misy mahasahana ny andraikiny na ny fahefana mpanatanteraka, na ny mpanao lalàna, na ny fitsarana. Ny abaribarin’izy rehetra dia ny fandavana ny zava-misy, samy manitsakitsaka ny lalàna izy, samy tsy miraharaha ny olona, samy milona amin’ny kolikoly, samy voampanga daholo na eto an-toerana na any ivelany. Io tsy fahombiazana io dia avy amin’ny tsy fahaizana ara-teknika ho an’ny sasany, avy amin’ny tsy fisian’ny fijoroana amin’ny tena hevitry ny tena sy ny herimpo hiasa, ary avy amin’ny fisainana sy fihetsika feno avona ary lalim-paka. Ao anatin’izany ny niavian’ny mampihitsoka ny firenena efa an-taonany maro be.

Ny mibaribary voalohany eo amin’ny fizakana ny fahefana dia ny fandavana ny zava-misy. Ohatra fotsiny, ahoana moa no ahasahian’ny tompon’andraikitra politika mandà imasom-bahoaka fa tsy misy ny fahantrana, nefa ny antontan’isa rehetra ary ny mari-pamantarana rehetra na avy eto an-toerana na avy any ivelany dia samy mandefa antsika any amin’ny laharan’ny firenena 10 faran’izay mahantra indrindra eto an-tany ? Nahoana no mbola ihambahambana ihany ny kere any Atsimo, nefa an’aliny maro ny olom-pirenena any isan-taona no miaritra ny ngidin’ny hanoanana ? Nahoana no avela hihombo ny tsy fandriam-pahalemana miharo vonoana olona na eny an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra, ankoatra ny halatra omby sy ny vonoana olona aterany ?

Tsy hainy ny nandray ny fepetra mifandraika amin’ny zava-misy, tsy vitany ny niezaka hamaha faran’izay haingana ny raharaha tena mampivarahontsana, hany ka fihetsika tsy mandeha amin’ny laoniny sady manala baràka no naterak’izany. Fomba fiainana mahamenatra sy mihantsy no arantiranty ho hitan’ny vahoaka milona ao anatin’ny fahoriana, porofo izany fa tafahoatra loatra ny tsy firaharahana ny mpiray tanindrazana, tena fanivaivana tsy hay zakaina mihitsy aza no atao azy. Tsaroana eto ny fandehanana an-kisesy amin’ny fiaramanidina manokana na any amin’ny kilasy voalohany, ny lanonana andaniam-bola be sy ny fitafiana mirenty, ny fanasana tsy an-kijanona any amin’ny hotely faran’izay raitra, ny fitanjozotry ny 4x4 vaovao manjelajelatra, ny fitaratra hamaintisina, ny anjombona atatatata, ary ny mpitandro ny filaminana manambony tena sy manambany ny mpitondra fiarakodia ary manao zinona ny fitsipiky ny fifamoivoizana. Ny fanaovan’ny mpitondra an’izany dia fanandevozana ny vahoaka izay tokony hotompoin’izy ireo.

Ny mpanao politika misahana ny soa iombonana dia nofidiana noho ny fandaharan’asa izay maha ara-dalàna ny fahefany, izany hoe noho ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra. Hotsindran-tsindranina : ny faran’ny delestazy ao anatin’ny telo volana, ny fanamboarana ny lalana Ambilobe-Vohimaro, ny famahana ny olan’ny oniversite, ny mangarahara eo amin’ny fampahalalam-baovao sy ny fisokafan’ny haino aman-jeri-panjakana ho an’ny rehetra, sns. Ny fandavana ny hanatanteraka ny teny nomena dia tsy mahamasin-teny intsony ny mpanao politika. Tsy vitan’ny mamerimberina tsy an-kijanona hoe voafidim-bahoaka (tamin’ny firy isan-jaton’ny olom-pirenena moa ?) ny itazomana ny maha ara-dalàna ny mpitondra : ny olom-boafidy tsy nanatontosa ny fampanantenana nataony dia manaisotra ny tenany tsy ho ao anatin’ny ara-dalàna ary manamohaka ny fahefany. Zon’ny mpampiasa ny mandroaka ny mpiasa tsy mahavita ny asany, ny fifanarahana nahitana fepetra tsy voahaja dia azo tapahina ; ny mpanao politika irery angaha no afaka tsy milaza izay zava-bitany ka ataony fialana ny hoe fampanantenana no nifidianana azy ?

Ary farany, ny fanaovana politika dia ahitana fanitsakitsahan-dalàna tsy an-kijanona, ny lalàna anefa dia tokony « hitovy ho an’ny rehetra ». Tsy misy ambonin’ny lalàna, hono – afa-tsy ny mpanao politika. Porofon’izany, azo antoka fa tsy maty manota ny manana fahefana amin’ny ambaratongany isan-tokony, omban’ny olona tsy an-kanavaka manodidina azy. Tsy mbola nisy hatrizay mpitondra na iray aza ka voaheloka noho izy nanodinkodina volam-bahoaka, na nanararao-pahefana, na nanondrana an-tsokosoko hazo sarobidy, nangorona tsy ara-dalàna velaran-tany na nanao fifanarahana fitrandrahana harena an-kibon-tany an-tsokosoko. Mbola loza lavitra noho izany, mitatra hatrany amin’ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana, ambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatrany hatrany fa ara-dalàna, ny tsy fisian’ny sazy, ka voaaro tsara amin’ny fanoherana mety hitranga ny mpitondra. Toy izany izao ny momba ny andininy 10 sy 11 (fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy zo hahazo vaovao), 41 (fanambaram-pananana), 50 (fampiatoana ny prezidàn’ny Repoblika), 54 (fanendrena ny praiminisitra) na 72 (ny solombavambahoaka tsy maintsy manaraka ny baikon’ny antoko nandaniana azy mandritra ny fe-potona iasany). Aharihary sy takiana ny ho tsy maty manota, manafintohina ny fijoroana ho vavolombelona amin’izany nataon’ny Tondro zotra tamin’ny 2011, izany no anisan’ny antony lehibe nandavaka ny hantsana mampisaraka ny mpanao politika amin’ny fiheveran’ny vahoaka.


Inona àry no hatao ?


Tsy miafina na amin’iza na iza fa tena mampatahotra ny toe-draharaha ankehitriny – afa-tsy amin’ny mpanao politika izay mivelona any ivelan’ny zava-misy ihany angamba. Mitombo isa ny lakolosy fampitandremana, avy amin’ny fiarahamonim-pirenena manerana ny vazantany rehetra. Na izany aza, moa ve mbola tokony hiverina hanao Tetezamita vaovao indray, hiantso fiaraha-midini-pirenena tsy mahasolo tena akory ny mponina sady miharihary fa fitaovam-piasana fotsiny toy ny teo aloha ihany, ary hanao tefy maika Lalàmpanorenana vaovao ? Ireny tolo-kevitra avy amin’ny mpanao politika efa nailika na avy amin’ny matim-boninahitra tsy sahy miseho masoandro ireny dia tsy hahavaha na inona na inona. Ny ho ratsy indrindra dia mainka koa ireny hamono hasina tanteraka ny fitondrana ary ny ho tsara indrindra dia ireny no hamerina ireo efa teo ihany...

Tsy ny resaka intsony izao no vahaolana fa ny asa. Asa fa tsy kabary (acta non verba), tian’ny prezidà Tsiranana ery ny namerimberina izany. Tonga izao io fotoana io, saingy tsy maintsy lavina ny fomba fiasa natolotry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mba hamongorana hatramin’ny fakany ny kolikoly mantsy (satria izy no andrim-panjakana fahatelo faran’izay mpanao kolikoly, araka ny voalazan’ny BIANCO vao tsy ela akory izay) dia eritreretiny ny hampiditra any anaty fandaharam-pianarana ny lesona momba ny fanoherana ny kolikoly. Izany hoe mpampianatra mpanao kolikoly izany no hampianatra an’io taranja io, ary ny mpiasa ambony any amin’ny minisitera no hiantoka ny fampiharana azy !

Tonga izao ny fotoana handrefesana izay vita nandritra ny tapany voalohany tamin’ny fe-potoana niasan’ny filohan’ny Repoblika, sady fe-potoana voalohany ho an’ny Repoblika faha-IV. Eo am-piandrasana an’izany dia tsy azo ampiandrasina intsony ny fananganana ny Fitsarana ny olona ambony (Haute cour de Justice), ny Tribonaly misahana ny hazo sarobidy, ary ny tribonaly miady amin’ny kolikoly tsy mitanila, hahaleo tena ny mpikambana ao ary ho afaka tanteraka hanao fanadihadiana mikasika ny raharaha rehetra. Ary, indrindra indrindra, atomboka amin’ny fanasaziana ireo mpanao kolikoly efa fanta-bahoaka.

Antananarivo, androany faha-20 Augositra 2016