Ny fampianarana avy amin'ilay didim-pitsarana

Nangataka ny hanonganana ny Filoha ny Antenimieram-pirenena, nolavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) anefa izany ka nisahotaka ny mpanao politika ary lasa eritreritra ny vahoaka. Ireny toe-javatra ireny anefa dia ampahany mipoitra kely ety ivelany fotsiny amin’ny disadisa lalim-paka mbola mampikatso ny fiainam-pirenena.


Fanapahan-kevitra hafahafa


Tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny HCC, manaiky izany ny SeFaFi. Nefa izany akory tsy misakana ny handinika. Hatramin’izay fotoana nitsanganany izay ny HCC dia niandany hatrany tamin’ny fitondrana na dia rariny loatra aza raha tsy fankatoavana no mety ho nateraky ny fanapahan-kevitra noraisiny. Izany no nitranga tamin’ny 26 aprily 2002 sy ny 18 marsa 2009 ary dia toy izany koa ny 12 jiona 2015. Mifanindran-dalana tsara amin’ny mpikambana sasany raiki-tampisaka ao ireny fanapahan-kevitry ny HCC ireny. Tsy mahagaga loatra raha politika kokoa ireny fanapahan-kevitra ireny fa tsy dia ara-pitsarana loatra, nefa izany dia tena tsy mifanaraka mihitsy amin’ilay faniriana dradradradraina fa hanangana fanjakana tan-dalàna.

Momba ny fanajana ny maha laïka ny fanjakana, ohatra, ny andalany 2 amin’ny andininy 2-n’ny Lalàmpanorenana dia notanisaina fa tsy noresahina mihitsy kosa ny andalany 3 : « Ny Fanjakana sy ny fikambanam-pinoana dia tena tsy mahazo mifampitsabatsabaka eo amin’ny sehatrasan’izy ireo tsirairay avy ». Ny HCC dia nihevitra fa « ny fandraisana andraikitra sy anjara nataon’ny FFKM ho an’ny fampihavanam-pirenena dia tsy fanosihosena lozan-tany velively ny Lalàmpanorenana », ka mba tian’ny olona ho fantatra ny maha samy hafa ny fanosihosena lozan-tany sy ny fanosihosena maivamaivana.

Momba ny mbola tsy nananganana ny Fitsarana Avo, moa ve mamaly ny fanontaniana ny filazana hoe fanerena ho an’ny fitaovana fa tsy fanerena ho an’ny vokatra ? Vao ny 4 oktobra 2014 ny SeFaFi dia efa nampitandrina rehefa niresaka « Repoblika bingobingo », nanome tsiny « rafi-panjakana bangabanga » ary « mpanatanteraka saozanina » ka nanainga ny mba « hialana amin’ny fidonanaham-poana »1. Io tsy fanaovana na inona na inona io ve tsy mahakasika ny « fanerena ho an’ny fitaovana » izay andraikitra sahanin’ny Filoha ?

Fanamarihana farany, tsy ny hanao famakafakana ny lafiny rehetra mantsy no tanjona, dia ny momba ny tsy fanajan’ny fitondrana ny tsy fombàna ny atsy na ny aroa (and. 39). Mahavariana fa dia noferan’ny HCC ho tsy mankaiza velively ny fiantraikan’izany, hoy izy hoe « tsy misy fepetra ao amin’ny Lalàmpanorenana manakana ny Filohan’ny Repoblika tsy hanendry mpikambana ao amin’ny Governemanta avy ao amin’ny maro an’isa manohana ny filoha ». Ekena ! Nefa ve izany dia mampitombina ny fanendrena olona zavon-tany izay tsy fantatra hoe mitanila ve, na tena mahavita azy ve, io anefa no mahazatra ny fivorian’ny Minisitra ?


Fitantanana tsy mifanentana


Mba hahafantarana sy hitsaboana ny krizy politika dia tsy maintsy voafehy ny antony. Ny krizy nifanesy dia avy amin’ny rafi-pitantanana tsy mahomby ny ampahany. Iaraha-mahalala fa na ny vahoaka na ny fianakaviambe iraisam-pirenena na ny mpamatsy vola dia samy mitaky daholo ny hanatanterahan’ny mpitondra ny zavatra nokabariany. Amin’izany koa ny asa politika izay atao dia tokony hifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana. Noho izany, nahoana moa no ireo nanoratra ny Lalàmpanorenana indrindra no tsy miditra ao amin’ny lojikan’ny maro an’isa/mpanohitra, nefa io no tena fihavaozana goavana indrindra ? Nailiky ny fitondrana hankany amin’ny fanoherana izy dia mandà ny hizaka ny vokatr’izany hany ka mikatso ny fihodinana ara-demokratikan’ny andrim-panjakana.

Ny asan’ny Antenimiera dia ny manao lalàna nefa izy dia tsy mahavita vinavinan-dalàna mirindra. Ilay fivoriana ara-potoana ankehitriny izao dia lany fotsiny amina kabary tsy misy farany sy fikononkononana somabisamby, ary efa mandeha sahady ny resaka ny amin’ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana hafa indray izay mampidi-bola be any am-paosin’ny solombavambahoaka saingy mambotry ny Fanjakana. Mandritra izany fotoana izany dia ao ireo tolo-dalàna manan-danja miandry fotsiny : lalàna fanitsiana ny toebola, lalànan’ny harena an-kibon’ny tany, lalànan’ny fifandraisana, lalànan’ny fitarihana ny fananan-tany, lalàna momba ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana, sns. Be loatra ny fotoana very !

Ny fiatrehana ny fitokonana koa dia mbola mampiseho io fikorontanana io eo amin’ny fitantanana. Matetika ny SeFaFi no efa nisarika ny saina momba ny tsy fahampian’ny fifanakalozan-kevitra2. Ara-dalàna mantsy ny fitokonana, saingy ny avonavon’ny mpitondra dia mainka koa mampihenjana ny fitakiana. Iza no sahy hanome tsiny ny mpiasan’ny Air Madagascar izay manohitra ny hampiasan’ ny Filohan’ny Repoblika ny fiaramanidina ho an’ny filàny manokana, izay mitaky ny hanefana ny latsak’emboka sosialy nahodinkodina efa an-taonany maro, izay mandà ny fampiasana teratany vahiny hisahana ny sidina mankany Eoropa, izay mitaky mba ho hentitra sy mahay ny asany kokoa ny mpitondra ? Etsy an-kilany, iza no sahy handà fa misy mpiasa sasany mitsikombakomba amin’ny fanondranana entana an-tsokosoko any amin’ny seranam-piramanidina any ? Dia toy izany koa ny fitokonana any amin’ny sampan-draharahan’ny Fananan-tany sy ny Oniversite izay tena fanjakan’i Baroa tsy henatra tsy tahotra hatramin’izao ? Ary ahoana no niafaran’ilay fanavaozana ny Jirama efa nandrasana ela ?

Tsy azo atao koa ny hangina fotsiny manoloana ny tsy fisian’ny fandriampahalemana na aiza na aiza. Momba izany indrindra, moa ve ho fitandroana ny fandriampahalemana na ny filaminam-bahoaka no antony nanakanana teto Antananarivo renivohitra ilay prosesio fanao efa am-polo taonany maro izao, miala avy ao Mahamasina mankao amin’ny Kolejy Masina Misely isaky ny alahadin’ny Sakramenta Masina ? Soa ihany fa tsy mahafaty ny afa-baraka, tsy tahaka ny an’ny mpangalatra ! Iza no mbola sahy hidera ny mpitondra antsika ho mahay mitantana ?


Fifanarahana tsy handray andraikitra


Mandritra izany fotoana izany, ny fanomanana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ilay resaka mavesa-danja momba ny « fokonolona » sy ny « fokontany » dia napetraka an-jorom-bala. Mbola hiveren’ny SeFaFi io satria tafahoatra loatra ny fanararaotana. Fa ndao hofehezina amin’ny resaka fifanarahana andraisana andraikitra nangatahin’ny HCC izay maniry ny hahatonga azy io ho « antoky ny hampandeha tsara ny Fanjakana », andraikitra nankinin’ny Lalàmpanorenana (and. 43) amin’ny Filohan’ny Repoblika anefa izany. Raha raisina amin’ilay tetika hita tao amin’ny sitan’ny prezidansa, izay notondroina ho piraty, dia mety ho fizarana seza ho an’ny mpanao politka indray ilay izy. Raha izany, io fifanarahana tsy fandraisana andraikitra io dia hitarika toe-javatra hampisy krizy hafa indray ka mainka koa hampitsingilahila ny fiainam-pirenena.

Zavatra hafa tanteraka no tao an-tsain’ny SeFaFi, ao amin’ilay fanambarana nataony farany3, rehefa nanolo-kevitra izy ny hanaovan’ny Prezidansa sy ny Antenimieram-pirenena fifanarahana izay « hifehy ny fomba hiarahany miasa mandra-pahataperan’ny fotoana hiasany, (ary) hanery ny ankapoben’ny solombavambahoaka hiverina ao amin’ny safidy politika nankatoavin’ny vahoaka ka nifidianany azy, ary hilaza ampahibemaso na manohana ny antokon’ny filoha izy na miaraka amin’ny mpanohitra ». Ny tiana dia ny hanamafy ny andrim-panjakanantsika sy ny handrisika ny fizorana mankany amin’ny demokrasia efa natomboka. Ny fahatsiarovan-tena ara-politikan’ny olona mantsy efa nitombo, indrindra taorian’ireny krizy mahonena nifandimby ireny, ary koa noho ny teknolojia vaovao, ka tsy mora ampiesonina intsony izy ; andrasany izay hanatsoahana lesona avy amin’ny toe-draharaha tany aloha, ao anatin’ny fanapahan-kevitra sy ny fampahalalam-baovao miha mangarahara kokoa hatrany. Fomba fisaina toy izany no tsara enti-mankalaza ny faha 55 taona niverenan’ny fahaleovantena, fa tsy ny fanaovana fety mandany vola be sy ny fihinanam-be mampahantra.



Naoty :

1 Jereo SeFaFi, Misavorovoro fiantomboka ny Repoblika faha-IV, t. 45-53.

2 Jereo ny fanambarana ny 17 desambra 2014 : « Omena laka ny fifanakalozan-kevitra tena izy », ao amin’ny hoe Misavorovoro fiantomboka ny Repoblika faha-IV, 2015, SeFaFi, t. 73-77.

3 « Fionganam-be », fanambaran’ny SeFaFi, 2 jiona 2015

Antananarivo, androany faha-22 Jiona 2015