Ny fitondrana Rajaonariamampianina eo an-tsasa-dalana

Eo an-tsasa-dalana izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny amin’ny fe-potoana iasany. Tsara tohan’ny mpomba azy izy ka mbola mandrangaranga hatrany ho voafidy ara-pomba demokratika, tahaka ny solombavambahoaka ary ny sasantsasany amin’ny loholona sy ny mpiandraikitra ny kaomina ankehitriny. Ary marina izany. Eo amin’ny endriny ivelany. Fa na dia eo aza ny hetsika eo amin’ny filazam-baovao ataon’ny manam-pahefana mba hiarovana ny Fanjakana, tsy maintsy tombanana amin’ny maso tsy miangatra izay zava-bita.

Ny tsikaritra voalohany dia ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena : na dia nisy aza ny ezaka malazolazo mba vita, dia tsy mandresy lahatra velively mihitsy ny tomban’ezaky ny fitondrana, na inona na inona fampanantenana sy fikofokofohana ataony. Tsy mitsahatra milatsaka ambany dia ambany ny fahefa-mividin’ny maro an’isa, ary mainka koa mihalalina hatrany ny hantsana mampibaribary ny tsy fitoviana. Ny matanjaka sy ny manam-bola mandeha mitsabo tena any ivelany fa ireo hôpitaly malaza manara-penitra dia konka am-pitoerana fotsiny eo, tsy misy mihitsy tsinona politika mahomby amin’ny famatsiana fanafody.

Mihavitsy1 ny fampiasam-bola tsy miankina sy ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany (IDE), nefa tsy mitsaha-mitombo ny tsy fananana asa sy ny mpiasa tsy afa-miasa, indrindra ny tanora. Ary ny hany fampiasam-bolam-panjakana mba misy lanjany dia momba ny Fivoriana fara tampon’ny tany mampiasa ny teny frantsay ary tsy mahakasika afa-tsy ny ilany avaratry ny renivohitra izy. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’io na kely aza ny faritra sisa eto amin’ny nosy.

Ny amin’ny angovo, navoaka tamin’ny fomba manetriketrika ilay taratasy momba ny Politikan’ny Angovo ho an’ny 2015-2030. Herintaona taty aoriana, mbola tsy hita ihany na izay tetika hampiharana azy na izay fiantombohan’ny fanatanterahana azy : mbola mikofokofoka any amin’ny fiaraha-manao asan-jiolahy sy ny vahaolana tsy manahirana sy vonjy tavan’andro.

Nolaniana ny lalàna momba ny fiaraha-miombona antoky ny Fanjakana sy ny Tsy miankina : miala amin’ny fepetran’ny fitsipiky ny tsenam-panjakana izy io ary mainka koa manamafy ny fivangongoan’ny fahefana any amin’ny prezidansa. Ny AMDP na Sampana Malagasy ho an’ny Fampandrosoana ara-toekarena sy ho an’ny Fanondrotana ny orinasa, izay vao nambara vao haingana tany Parisy ny famoronana azy, dia mizotra koa amin’io lalana io.


Ny zavatra tsikaritra faharoa momba ny tomban’ezaky ny filoha amin’izao fisasahan’ny fe-potoana iasany izao dia azo fintinina amin’ny ratra roa mbola tsy manakom-pery foana :
- Ny iray dia efa nahafotsy rora ny SeFaFi, mikasika ny kolikoly izay lasa manenika tanteraka ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainam-pirenena. Ny fanafodin’io dia lasa vitan’ny fiantsoana razana fotsiny.
- Ny faharoa dia ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro be.

Ny tsy fandriampahalemana miantraika amin’ny mponina mivantana izay iharan’ny halatra, ny herisetra, ny fakana an-keriny, ny vono olona ety an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra. Io zavamisy io tato ho ato dia nohatevenin’ny asa tsy ara-dalàna ataon’ny mpitandro ny filaminana sady tsy nitondra taratasy nanirahana azy no tsy nitondra fanamarinana ny nataony no tsy ilaozan’izay itrangana loza akory, nefa arovan’ny lehibeny hatrany.

Ny tsy fandriampahalemana ara-tsakafo, indrindra any amin’ny faritra atsimo, olom-pirenena an’hetsiny maro no iharan’izany. Misy ONG sy PTF (Mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola) tohina tokoa manoloana izany, fa dia mbola andrasana hatrany izay fepetra mahomby ho fanampiana ny tra-boina avy amin’ny Fanjakana, ary ny drafitra fampandrosoana maharitra ho an’ireo faritra voakasik’izany.

Ny tsy fandriampahalemana ara-pitsarana izay miroborobo fatratra any amin’ny tribonaly izay manitsakitsaka tanteraka hatrany hatrany ny zo noho ny fahefan’ny vola. Toy izany koa ny resaka fananan-tany, misy mponina an-tanàn-dehibe tsy ahoan-tsy ahoana eo dia alaina aminy ny taniny, na roahina amin’ny taniny tsy manaraka ny fepetra voalazan’ny lalàna, misy tantsaha tsy mahita hevitra hiarovana ny zony amin’ny tany navelan’ny razany ho azy izay itsofohan’ny orinasa lehibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany na mpamboly.

Raha ny momba ny fiasan’ny andrim-anjakana indray dia kobaka am-bava fotsiny ny demokrasia. Ny any amin’ny fara tampony hatrany no maka ny fanapahan-kevitra rehetra ary matetika io no olona tokana mody mifanakalo hevitra sy miara-midinika.

Ny andrim-panjakana izay natao ho vatomizàna dia nihodina tanteraka tamin’ny iraka nampanaovina azy. Ny Antenimieram-pirenena dia zary mpisolo vava ny fahefana mpanantanteraka, na koa izy mivaro-tena amin’ny izay ambony tolo-bola kokoa, ny tsara sy ny ratsy dia ny tombontsoany no entiny mamaritra azy. Ny mpanao gazety izay ambara ho ny fahefana fahefatra dia tsy ho afa-mampahalala vaovao amin’ny olona intsony noho ilay fitsipika vaovao mifehy ny serasera, indrindra ny momba ny fihoaram-pefy sy ny fanodinkodinam-bola.

Manao dia miverina ny fanapariaham-pahefana, ary tsapa ho tsy maha rototra ny hiroso amin’ny fanatanterahana azy marina. Porofon’izany : hatramin’izao mbola tsy fantatra akory ny daty hanaovana ny fifidianana ny farira sy ny faritany. Ny anjaran’ny CTD (VondromParitra Itsinjaram-Pahefana) izay 5% dia nidina ho 1% -n’ny volam-panjakana. Ary ny fampihavanam-pirenena dia atao resaka fa tsy mba idirana lalina. Mbola tsy teraka ihany hatramin’ny androany ny Filankevitry ny fampihavanana.


Momba ny diplomasia, na dia tsy an-kijanona aza ny fivezivezena mankany ivelany, na dia eo aza ny fandraisana fihaonana an-tampony tsy lany era andaniana vola be, na dia eo aza ny fanohanana malina dia malina avy amin’ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola, ny tsy azo lavina dia tsy misy ankehitriny lalana mazava izoran’ny tetiky ny diplomasia. Ohatra fotsiny, ny nandraisan’ny filohan’ny Repoblika anjara tamin’ny fihaonana an-tampon’ny TICAD (Fivoriana Iraisam-pirenen’i Tokyo momba ny Fampandrosoana an’i Afrika) vao haingana teo, izay natao tatsy Kenya, dia tsy nanome na dia fanamarihana iray aza ny amin’izay anjara toerana natokana ho an’i Madagasikara any amin’ny fampiasam-bola japoney aty Afrika. Ankoatra ny fandraisana anjara goavam-be ataon’i Japon amin’ny orinasa Ambatovy sy ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina izay nokendrena hatomboka amin’ity taona ity, tetikasa hafa inona no natolotry ny Filoha an’io firenena fahatelo matanjaka indrindra eran-tany io, tany Nairobi ?

Etsy an-daniny, mbola tsy nisy masoivoho notendrena hatramin’ny 2009, nefa tsy misy ny tompon-toerana any Japon, any Etazonia, any Frantsa, any amin’ny Vondrona Eoropeana, ary atsy Afrika Atsimo, porofo izany fa sady tsy ao ny fahavononana hampivaingana ny fiaraha-miasa amin’ny ireny foibe ekonomika sy diplomatika ireny, no tsikaritra koa ilay fironana mampiahiahy hangorona tanteraka ny fahefana diplomatika ho eo am-pelatan’ny filohan’ny Repoblika samirery.


Ny hita farany dia tsotra : mivelona eo ambany ziogan’ny fahefana matanjaky filoha isika, zara izany raha miafina, nefa io dia manohitra ny Lalàmpanorenana ary mampitsingilahila ny isan’ambaratongany rehetra eto amin’ny firenena. Itsofotsofohan’ny filohan’ny Repoblika avokoa ny sehatra rehetra, tsy raharahany izay fahefana manokana ho an’ny sampan-draharahan’ny minisitera sy ny dingana arahina, fa tonga dia izy – samirery - no mamaritra izay tokony ho laharam-pahamehana, na dia hitera-pahavoazana ho an’ny mponina sy ny toekarena aza izany.

Io fihetsika io dia mampisaraka ny ao amin’ny governemanta ary manokatra kokoa ny hirika ho an’ireo mitonona ho mpanohitra, mangetaheta fahefana, izay tsy miteny intsony ho an’ny tombontsoa iombonana, fa ho an’ny fiarovana ny any aoriany sy ho fanomanana ny hoaviny ara-politika.

Ao anatin’izany rivo-piainana mamohehatra izany dia tsy ivakian’ny mpanao politika loha velively ny vahoaka miha mahantra sy mijaly tsy misy fitsaharany. Noho izany, nihemotra isika, ary tsy nahomby no azo ilazana ny tomban’ezaky ny Filoha eo am-pisasahan’ny fe-potoana iasany. Izao no fotoana tsy maintsy hampitomboan’ny mpitondra antsika ny ezaka hanitsy ny meloka nataon’izy ireo ihany. Satria tena zava-doza ny iainana amin’izao fotoana izao fa aoka hatsahatra famitahan-tena.



Naoty :

1 Jereo ny tranokalan’ny EDBM. http://ww.edbm.gov.mg/

Antananarivo, androany faha-17 Septambra 2016