Ny krizin’ny angovo, mampikatso ny fampandrosoana

Zava-misy mianjady amin’ny mponina isan’andro vaky ny jiro tapahina, tsy eto Antananarivo fotsiny, fa any amin’ny ankamaroan’ny toerana mahazo Jirama, izany hoe toerana mahatratra ny 90 any ho any. Mihena ny zava-bita, simba ny fitaovana ary miharomotra hatrany ny mpanjifa, izany no anisan’ny vokatra aterany. Am-polo taonany maro no tsy nahay nitsinjo lavitra ny Fanjakana, no nanjaka ny fitantanana tsy mahomby sy ny fitavanana ny vola, no tsy nitsahatra nitotongana ny tontolo ara-toekarena, hany ka nidaraboka an-tany ilay orinasam-panjakana misahana ny rano sy ny jiro. Fa ny tena loharanon’ny fahavoazantsika ankehitriny dia ny tsy fisian’ny safidy politika hanome ho an’ny angovo ny toerana sahaza azy amin’ny maha sehatra saro-pady azy. Izany no mahatonga ny SeFaFi hisarika ny sain’ny mpitondra sy izay rehetra misahana ny angovo eto Madagasikara amin’ity zava-miharihary ity : aim-bery foana ny hanantena tetika vinavinaina hitondra fivoarana raha mbola tsy voavaha aloha io olana io.


Ny toeran’ny sehatry ny angovo sy ny Jirama


Araka ny fahitan’ny sehatry ny Angovo azy tamin’ny 20121, ny vola lany amin’ny angovo dia mahatratra 45%-n’ny vola tsy maintsy zakain’ny indostria ary 25%-n’ny vola ampiasain’ny fianakaviana malagasy. Ny 1%-n’ny ton-taliben’ny angovo ampiasaina eto an-toerana monja no mba azo avy amin’ny loharano azo havaozina. Ny 99%-n’ny fianakaviana dia mbola mampiasa kitay hahandroana sakafo ary ny 4%-n’io ampahany amin’ny mponina io ihany no mampiasa fatana mitsitsy. Angovo azo havaozina mantsy ny hazo raha toa ka trandrahina nefa atao izay hampateza azy amin’ny alalan’ny hetsika fambolen-kazo tena izy fa tsy fitsangantsanganana tahaka ny an’ny ministera sy ny an-drim-panjakana ary ny orinasa tsy miankina sasany. Mainka koa ireny fomba ireny manafaingana ny fandringanana ny ala noho ny fitomboan’ny mponina ankehitriny. Momba ny fijiroana ny ao an-trano, ny 81%-n’ny tokantrano dia mampiasa solitany fandrehitra - izay fantatra tsara fa manimba fahasalamana – ary ny 12% fotsiny no mahazo herinaratra (ny 39% aty an-tanàn-dehibe ary ny 4,8% any ambanivohitra) ; tsikaritra amin’ireo isa ireo fa ny 7%-n’ny fianakaviana Malagasy dia mbola mampiasa labozia amin’izao taonjato faha-XXI izao. Tafakatra hatramin’ny 470.000 m3 ny vokatra azo avy amin’ny solitany hafaran’i Madagasikara isan-taona, vola tsy toko tsy forohana mahatratra 400 tapitrisa dolara amerikana no lany amin’izany. Manoloana an’io toe-javatra tena mampitebiteby io, zary nofinofy sisa ny resaka fampandrosoana maharitra, lasa kiady arangarangan’ny mpanao politika tsy misaina fa te hanaraka be fahatany fotsiny ny fanao eran-tany mba hangoronana famatsiam-bola...

Amin’izao fotoana izao, ny tahan’ny fahazoana herinaratra eto anivon’ny firenena dia 15%, raha 57% ny an’i Senegaly ary 80% ny an’i Afrika Atsimo : io no taha anisan’ny ambany indrindra aty Afrika tapany atsimon’i Sahara. Izany no mahatonga ny olona tsy harisika hitondra tetikasa indostrialy goavana mampiasa herinaratra be aty amintsika, toy ny fitrandrahana harena an-kibon-tany, solika, entona voajanahary. Tsy afa-mifaninana noho izany izay orinasa efa misy ary tsy afa-mampivoatra ny fari-piainany ny fianakaviana. Na dia efa am-polo taonany maro aza no nizakana an’io toe-javatra io, ny Jirama, ilay orinasa lehibe indrindra misahana ny herinaratra, dia tsy manao afa-tsy miady amin’ny fahafatesana.

Raha ny momba ny fanendrena ny mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevi-Pitantanana ny Jirama indray dia izao : manohitra ny lalàna lah. 2014-014 mifehy ny orinasa misahana varotra andraisan’ny fanjakana anjara izy io, izay mitaky fa tsy azo atao ny manendry olona ho mpikambana ao amin’ny alalan’ny fitsipipifehezana fa tsy manan-kery io raha izay no atao. Ny satan’ny Jirama mantsy dia voafaritry ny lalàna lah.75-024 tamin’ny 24 oktobra 1975, ary io no antony mahatonga ny ministeran’ny Angovo mitady hanova an’io sata io, amin’izay ny Jirama dia tsy handika lalàna intsony fa hankatoa ny lalàna mifehy ny orinasa misahana varotra. Ny fanendrena ny mpikambana vaovao ao amin’ny filankevi-pitantanana àry ve manohitra ny lalàna mifehy ny orinasa ara-barotra misy fandraisana anjaran’ny Fanjakana ? Tsy mampiraika ny Fanjakana efa am-polo taonany maro ny famahana ny olana ara-drafitra mahazo ny Jirama, manahirana io ary miteraka savoritaka manoloana ny lalàna.

Nanomboka ny taona 2006 ka hatramin’ny 2008 dia nahatratra 154 tapitrisa Ar2 ny fanampiana nomen’ny Fanjakana ny Jirama. Teo anelanelan’ny 2011 sy 2013 izy dia nanome azy 152 tapitrisa Ar isan-taona3 ary 190 tapitrisa Ar nanomboka ny janoary ka hatramin’ny aogositra 20144. Ankavitsiana ny ministera mahazo fanampiana tahaka izany. Na izany aza anefa, ireny fanampiana5 natao hamatsiana herinaratra ny 15%-n’ny mponina ireny dia tsy ahitana vokany mivaingana : zary fiainana andavanandro ny fanapahan-jiro nanomboka ny fisasahan’ny taona 2000, nefa mbola tsy nahavita nampiakatra ny angovo novokariny ihany ny Jirama. Ny loza aza dia mainka koa nitombo ny fampiasana herinaratra avy amin’ny solitany izay tena mandany solika, noho izany loharanom-pandaniana vola vahiny sy mpandoto tontolo iainana : raha 60%-n’ny vokatra rehetra io tamin’ny 2008 dia tafakatra 70%6 izy ankehitriny. Ny 30%-n’ny vokatra monja no mba avy amin’ny angovo azo havaozina, nefa isika mety afaka mamokatra hatramin’ny 7.800 MW avy amin’ny foibe mampiasa milina ahodin’ny rano. Nanomboka ny aprily 2014 ny ministeran’ny Angovo dia efa nivonona hanova tetika ka hitrandraka ireo angovo ireo. Asa anefa izay mety hitranga taorian’ilay fiovana tampoka tamin’ny 22 oktobra teo (fanalana ny minisitra Fienena Richard ary fanendrena ny jeneraly Herilanto Raveloharison ho minisitra mpisolo toerana vonjy maika - hatramin’ny rahoviana ?), hohajaina ve sa tsia ny fitohizan’ny Fanjakana. Toa izany koa ny momba ny fanapahan-kevitra hanara-maso ny taokaonty sy ny fitantanam-bola ary ny fandaminana ny Jirama, miaraka amin’ny fifanarahana nifanaovany tamin’ny mpamatsy fitaovana azy sy mpiara-miasa taminy : io fanaraha-maso tohanan’ny Banky mondialy io dia nokasaina hatomboka alohan’ny faran’ity taona ity ary efa miandry izany fatratra ny vahoaka.

Raha tsorina, efa tena atahorana mihitsy ny raharaha ary sarotra ny hino fa ny mpitondra dia mbola hahavita foana hanentsin-tadiany amin’ny fahavoazan’ny vahoaka sy ny mpandraharaha indostrialy izay efa sempotry ny vidin’ny herinaratra mihoa-pampana sy ny fitaterana azy. Nefa dia io ny zava-misy : ny politikan’ny angovo malagasy dia natao tamin’ny 2005, ary na dia efa ampanarahina ny toetr’andro aza izy ankehitriny, ampian’ny Firaisana Eoropeana, dia tsy mampino ny mahita fa firenena manankarem-be amin’ny loharanon-karena voajanahary toa an’i Madagasikara dia anisan’ny rambony raha ny momba ny fivoarana eo amin’ny angovo. Marihina fa ny politika vaovao momba ny angovo izay ketrehina ankehitriny dia mametraka ny fanambiny amin’ny tetezamita ho an’ny angovo, na ny fivadihana tanteraka amin’ny angovo azo havaozina.


Manana fijery hentitra, mandrafitra ary koa miatrika ny maika


Etsy an-daniny, ny fiarahamonim-pirenena dia tsy miraviravy tanana amin’ny filazana ny zava-misy ary amin’ny fanolorana sosokevitra hahazoana angovo mateza, azon’ny maro an’isa ampiasaina sady zakany tsara ny vidiny. Ny 23 septambra farany teo, ny Vondrona mandinika Angovo, ahitana manam-pahaizana avy ety an-toerana sy avy any ivelany, dia nanolotra tamin’ny mpanao gazety ny tolokevitra hanatsarana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara manomboka izao ka hatramin’ny 20307. Anisan’ireny tolokevitra momba ny filana angovo ireny ny fandrindrana ny sehatry ny Angovo amin’ny sehatra hafa sy ny fanentanana amin’ny fomba fandaniana mandray andraikitra (indrindra any amin’ny oniversite, ny asam-panjakana ary ny fiahiana ny tanàna). Raha tiana ho tsara kokoa ny tolotra amin’ny angovo dia izao no toromarika ataon’ny Vondrona : ahena ny fandrahonana amin’ny famatsiana angovo fa ampitomboina kosa ny fambolen-kazo natao hanome angovo sy ny famokarana solika avy amin’ny zava-maniry8, ary ampirisihina ny fitrandrahana maharitra ny loharanon’angovo avy eto an-toerana – voakasik’izany manokana ny famokarana herinaratra.

Ho fanatanterahana ireo hevitra sy toromarika ireo, ny Vondrona mandinika ny Angovo dia mihevitra fa mitaky fandrindrana lalim-paka ny ara-panjakana, tafiditra indrindra amin’izany ny fanapariahana ny fandaharana asa momba ny angovo, tokony handray anjara kokoa amin’io ny Vondrom-bahoakam-paritra (CTD). Tsy maintsy ampitomboina ny teti-pamatsiam-bola vaovao mifantoka amin’ny angovo azo havaozina, ampitomboina toy izany koa ny fahafaha-mamokatra angovo mba tsy hangozohozo toy ny ankehitriny intsony. Raha misy politikam-pirenena mahomby momba ny angovo tafajoro, raha tandremana tsara ireo fepetra ireo ka tontosa ny zavatra tsy maintsy ataon’i Madagasikara dia hahavita mitahiry hatramin’ny 75,5 hetsy dolara isan-taona izy amin’ny taona 2020, ny vola ho lany amin’ny angovo amin’izay dia tsy hisy afa-tsy 5%-n’ny volan’ny fianakaviana ary 15%-n’ny vola lanin’ny indostria amin’ny taona 2030, dia ho foana tanteraka ny fampiasana solitany fandrehitra hijiroana any an-trano ! Tena fihatsarana miharihary izany raha oharina amin’ny ankehitriny, nefa ho vitantsika ve izany ? Raha manaiky hisahirana handinika ireo fepetra ireo ny fitondrana mahefa, raha ampidiriny ao anatin’ny politika vaovao ho an’ny angovo ireny, dia mba afaka manonofy fivoarana toy izany ny firenena. Saingy, indrisy, averina ihany fa any amin-dry zareo tompon’ny fanapahan-kevitra izao ny baolina. Enga anie izy ka hahay misafidy ny tsara ka tsy hampiasa intsony ny angovo ho onitra takiana amin’ny mpifidy mandritra ny fotoam-pifidianana ; enga anie izy ka hahay hanavao ny rafitry ny Jirama mba hanatontosany an-tsakany sy an-davany ny adidiny amin’ny maha asam-bahoaka azy ; enga anie izy ka hahay hametraka ny tombontsoam-pirenena alohan’ny zava-drehetra fa tsy hanome vahana ny fanaovana raharahan’ny samy mpinamana izay mikiky ilay sehatra saro-pady efa mangozohozo.

Raha fintinina, tsy maintsy manana fijery mazava ny mpitondra antsika, mahay mandrindra sady manaraka torolalana mifandraika amin’ny zava-misy, nefa koa kinga amin’ny familiana mba tsy hampijaly indray amin’ny tsy antony ny vahoaka ary hanamaivana ny olana zakainy ankehitriny momba ny fahazoana herinaratra. Satria ny fampiasam-bola any amin’ny sehatry ny angovo dia misy fiantraikany lehibe amin’ny sehatra maro hafa noho izy manampy amin’ny fampivoarana azy ireny, anisan’izany ny raharaha ara-toekarena maro samihafa sy ny sehatra ara-piarahamonina (fanabeazana, fahasalamana, sns). Raha marina fa any amin’ny firenena aty atsimon’I Sahara ny 1 dolara ampiasaina ao amin’io sehatra io dia mampiditra 15 dolara ao amin’ny kitapom-bolan’ny firenena 9 dia tsy misy mihitsy olana tokony hipetraka. Eo am-piandrasana an’io fahagagana io dia aza misy mivalaketraka !



Naoty :

1 Vokatry ny fizahana ny sehatra Angovo, AIDES/WWF, miaraka amin’ny Ministeran’ny Angovo, septambra 2012, azo jerena ao amin’ny www.ore.mg/Publication/Rapports/RapportDiagnosticDuSecteurEnergie.pdf

2 Lalànan’ny fitantanam-bola 2006, 2007, 2008.

3 Banky mondialy, Madagascar – Evolution économique récente, oktobra 2014.

4 Idem.

5 Vinavinan-dalàna momba ny Tetibola ho an’ny taona 2015 - ministeran’ny Angovo : 27 tapitrisa Ar, ministeran’ny Tontolo iainana : 30 tapitrisa Ar, ministeran’ny Fiarovana : 180 tapitrisa Ar, sekretariam-Panjakana miadidy ny zandarmaria : 168 tapitrisa Ar, mi-nisteran’ny Filaminam-bahoaka : 107 tapitrisa Ar, ministeran’ny Fampianarana Ambony : 144 tapitrisa Ar, ministeran’ny Fanabeazam-pirenena : 714 tapitrisa Ar, ministeran’ny Asa Vaventy : 231 tapitrisa Ar.

6 Tarehimarika avy amin’ny ministeran’ny Angovo.

7 Toromarika avy amin’ny Vondrona Mandinika Angovo, septambra 2014, azo jerena ao amin’ny WWF.

8 Tsy tokony hifaninana ny vokatry ny fambolena izany raha toa ka ny tany efa tsy natao hovolena no ampiasaina, ary koa raha toa ka dieny izao dia efa misy tany voatokana hovolen’ny taranaka ho avy.

9 World energy outlook 2014 – Sub-Saharan Africa, octobre 2014, http://www.iea.org/media/news/2014/press/141013_WEO_Africa_Energy_OutlookFactsheet3.pdf

Antananarivo, androany faha-07 Novambra 2014