Ny lalànantsika, hatao inona ?

Mihambo ho tany tan-dalàna i Madagasikara. Saingy inona no antony hanaovana lalàna raha, manerana ny vazan-tany efatra eto amin’ny firenena, dia samy manosihosy azy sy mivily amin’ny lalàna daholo na ny olom-pirenena na ny mpitondra fanjakana manomboka aty amin’ny fotony ka hatrany amin’ny fara tampony ? Nefa ny lalàna dia natao hampiharina.

Nandritra ny fivoriany ara-potoana ny 3 mey ka hatramin’ny 1° jolay 2016, ny Antenimieram-pirenena dia nandany ny 28 tamin’ireo tolo-dalàna 33 napetraky ny governemanta – nisy fanitsiana 52 mikasika lalàna 7 -, ary ny 1 tamin’ny lalàna 4 avy amin’ny Antenimiera – nasiana fanitsiana 1. Ankoatra ny maha fankatoavana fotsiny an’ireo lalàna ireo, ireo isa ireo dia mampiseho fa ny Antenimieram-pirenena dia toerana fandraisam-peo fotsiny.


Eo am-piaingana, tsy misy finiavana politika hamorona sy hamoaka lalàna


Ny fisian’ny lalàna nolaniana sy navoaka dia matetika simban’ny famoahana tratra aoriana loatra ny didy fampiharana azy. Ohatra fotsiny, ny didy fampiharana ny lalàna lah. 2007-037 ny 14 janoary 2008 mikasika ny Faritra sy ny Orinasa Afaka haba eto Madagasikara dia tsy nankatoavin’ny fivorian’ny governemanta raha tsy ny 7 jolay 2015, izany hoe 7 taona sy 5 volana taty aorian’ny namoahana azy.

Toy izany koa, ny lalàna lah. 90-031 ny 21 desambra 1990 mikasika ny seraseran’ny haino aman-jery - nofoanana taorian’ny namoahana ny Fitsipika vaovaon’ny fifandraisana - dia niandry vasoka fotsiny, nandritra ny 20 taona mahery, ny fepetra mifehy ny fandaminana ny sasantsasany taminy.

Araka ny antontan-kevitry ny CNUCED mikasika ny Fandinihana ny politikan’ny fampiasam-bolan’ny Repoblikan’i Madagasikara, navoaka tamin’ny 2015, « misy fandaminana sasany ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy nampiharina velively noho ny tsy fisian’ny didy fampiharana. Ohatra, takian’ny lalàna ny tompon’ny alalana hitrandraka hanamboatra antoka hiarovana ny tontolo iainana natokana ho an’ny famerenana amin’ny laoniny sy amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Fa mbola tsy nampiharina na oviana na oviana io fiantohana io ».

Io fitavozavozana io dia mbola hita koa amin’ny fanavaozana ny lalàna sasany efa tamin’ny fahagolan-tany, toy izany ny lalàna lah. 68-023 ny 17 desambra 1968 nanangana ny fepetran’ny fisotroan-dronono ka namoronana ny Tahirim-Pirenena ho fitsinjovana ny ara-tsosialy ( CNaPS ) sy ny lalàna fampiharana azy, ny didy lah. 69-145 ny 8 aprily 1969 mametra ny Fitsipiky ny fitsinjovana ara-tsosialy. Ilay fikasana hanao Fitsipiky ny fitsinjovana ara-tsosilay vaovao, efa any am-pelatanan’ny manam-pahefana mahefa hatramin’ny 2010 dia mbola miandry ny fankatoavana azy foana. Ny 3 aogositra farany teo, nisy didim-panjakana roa nalaina nandritra ny fivorian’ny minisitra mba hanatsarana ny asan’ny CNaPS. Saingy toy izay ireny lalàna ireny havoaka avy hatrany dia hampiharina, ny famoahana azy any anatin’ny Gazetim-panjakana dia mety hiandry dimy na enim-bolana. Tsy misy ny mahamaika raha tsy efa teren’ny mpampiasa vola sy ny mpamatsy vola avy any ivelany. Amin’io fotoana io kosa dia efa mila hiaraka amin’ny vava mihitsy ny famoahana azy araka ny takian’ny lalàna (izany ohatra no nitranga ho an’ny fifidianana sy ny fampiasam-bola sasany).

Raha ny momba ny Lalàna mifehy ny asa, efa novaina injato kely hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, izy dia mila didy 40 ka hatramin’ny 50 ho fampiharana azy tanteraka. Nefa ny ankamaroan’ireny didy ireny dia efa tamin’ny taona faramparan’ny fanjanahantany1. Ary ny Filankevi-Pirenena momba ny Asa, izay sehatra ara-panjakana ahitana andian’olona telo miara-mikaon-doha natao handinika ireny lalàna ireny araka ny fifanarahan’ny OIT nankatoavin’i Madagasikara, dia tsy velona noho ny tsy fisian’ny finiavana politika.


Tsy misy ny finiavana politika
ka na lalàna efa nolaniana aza mbola indraindray tadiavina vao mihatra


Inona moa no hanolorana sy handaniana lalàna raha toa ka ny Mpanatanteraka sy ny Mpanao lalàna ihany no manosihosy azy ? Tamin’ny 14 septambra 2016, solombavambahoaka 106 tamin’ny 155, loholona 52 tamin’ny 63, ministra 12 amin’ny 32 tao amin’ny governemanta Mahafaly no tonga nametraka ny fanambaram-pananany, nefa araka ny andininy 41 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ry zareo dia tsy maintsy manatitra ny fanambaram-pananany any amin’ny HCC mialoha ny handraisany ny asany. Izay tsy manaja izany dia mety higadra 6 volana ka hatramin’ny 5 taona ary handoa sazy 10 ka hatramin’ny 40 tapitrisa Ariary, roa volana aorian’ny fampahatsiahivana tsy mandalo any amin’ny fitsarana2. Tsiahivina fa ny solombavambahoaka dia nandray ny asany tamin’ny febroary 2014, ny loholona ny febroary 2016 ary ny minisitra ny aprily 2016: solombavambahoaka 49, loholona 11 ary minisitra 20 izany no tokony ho voasazy. Nefa na dia mazava be aza ny voalazan’ny Lalàmpanorenana dia tsy ampiharina ny sazy efa voatondro, iza koa moa no ho sahy hanao izany ? Tsy misy eo ambonin’ny lalàna anefa, hono.

Ny korontana eny an-tanàna, indrindra ny eny amin’ny tanàn-dehibe dia sary mampiharihary fa anarany fotsiny ny fitsipika sy ny lalànantsika. Samy mibodo mampiasa ny lalam-bahoaka araka izay itiavany azy, porofo izany fa tsy miraharaha ny mpiara-monina aminy ny olona ary mpanao baranahiny ny mpitondra izay mamela ny toe-javatra ho lo am-pitoerana eo. Tsy misy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana, ary ny mpitondra antsika no voalohany amin’ izany : satria hoe sefo na mpikambana amina andrim-panjakana dia sesimontotra ny fampiasana jiromena sy anjomara hanokafana lalana eny amin’ny fitohanana, tonga hatrany amin’ny fandehanana amin’ny lalana tsy azo aleha.

Izay rehetra voarara nanjary noleferina, dia nanjary laharan-droa sisa ireo arabe vitsivitsy mba laharana efatra teto an-drenivohitra noho ny fivarotana legioma, voankazo sy akoho amam-borona, ny mpivaro-mandeha moa mibodo ny sisin-dalana ho an’ny mpandeha an-tongotra, ny garazy fanamboarana fiara sy skotera miorina manaraka ny arabe, izay hany sisa mba tany malalaka giazan’ny mpivarotra fiara tranainy, ny sisin-dalana ho an’ny mpandeha an-tongotra zary fametrahana vonjy tavan’andro ny fiara... Tsy lazaina intsony ny tsy fanarahan-dalàn’ny sarety tanana sy ny didin’ny be sandrin’ny « taksibe ». Jeren’ny tompom-pahefana fotsiny izany rehetra izany, tsy rototra mihitsy izy raha tsy aty aoriana lavitra na indray andro mialoha ny raharaha tahaka ny Fihaonana an-Tampon’ny firenena miteny frantsay, ohatra, ny polisy mandamina ny fifamoivoizana moa sisihina 1000 ka hatramin’ny 5000 Ariary dia mikimpy ny masony.


Raha tsy hajaina ny lalàna, tsy misy na ny Fanjakana na ny tena fahafahana


Nanomboka ny 3 oktobra 2014, ny didim-pitondrana lah. 29.511/2013 niarahan’ny minisitera noraisina dia mandrara ny fifohana sigara any anatin’ny toerana rehetra na mifefy natao ho toeram-piasana, toerana ho an’ny sarambabem-bahoaka sy fitateram-bahoaka, nefa vao mankeny amin’ny tsena fivarotana etsy Soarano sy Behoririka dia hita fa mifoka sigara tsy amin’ahiahy ny olona. Voarara daholo ny tabataba rehetra, na andro na alina, mety hanakorontana ny fiainan’ny mponina, nefa ny trano fanaovana karaoke tsy mahafefy ny feo tsy hivoaka dia mandefa mozika mitatatata mandritra ny andro ary mihoatra ny ora voafetran’ny lalàna tokony hikatonany (amin’ny 9 ora alina), ary mbola tsy nisy manam-pahefana hita ho nanasazy azy ireny, afa-tsy ny fisafoana « tampotampoka » dradradradraina an-gazety.

Volana vitsivitsy izay, hita ho misy fironana hanohintohina tafahoatra loatra ny fahafahana maneho hevitra izay ankatoavin’ny Lalàmpanorenana. Porofon’izany ny fanaparitahana ny tantsaha tao Soamahamanina tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso raha tsy nankatoa ny nanomezana alalana ny orinasa sinoa Jiuxing Mines SARL hitrandraka volamena mandritra ny 40 taona ry zareo, ary tsy nanaiky horoahina tamin’ny tany nisy azy nolovainy tamin’ny razambeny. Tafiditra any anatin’ny faritra nomena ny sinoa ny toerana famboleny sy ny fasan-drazany. Ny Komity miaro ny tombontsoan’ny tantsaha, tao amin’ny filazana navoakany ny 20 jiona 2016, dia mitsikera ny tsy fanajana ny fifampiraharahana tamin’ny mponina teo am-panomezana ny alalana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana, tsy maintsy atao anefa io alohan’ny hanomezana ny alalana hitrandraka.

Ho an’ny tombontsoam-bahoaka dia nalain’ny fanjakana ny tranon’ny mponina manamorona ny tetikasa fanamboaran-dalana sy trano ho an’ny fihaonana an-Tampon’ny Frankofonia. Ny 3 mey, nandritra ny fivorian’ny minisitra, dia nolaniana ny didim-panjakana manambara fa tombontsoam-bahoaka ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny lalana malaky mampifandray ny seranam-piaramanidin’Ivato amin’ny Tsenan’ny zavakanto eny amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka, ary ny fampifandraisana ny « Boulevard de l’Europe » amin’ny « Village de la Francophonie ». Mba nandray onitra ve ry zareo, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana : « Ny fanjakana dia miaro ny zo hanana trano sy tany. Tsy misy azo sakanana tsy hizaka izany zo izany afa-tsy raha alaina aminy ireo noho ny tombontsoam-bahoaka saingy omena onitra ara-drariny mialoha izy amin’izany » (and. 34) ? Toy izany koa, moa ve voahaja ny fanao aty aloha sy any aorian’ny didim-panjakana, voalaza amin’ny antsipiriany ao amin’ny didy hitsivolana lah. 62-023 ny 19 septambra1962 mikasika ny fakana fananana ho an’ny tombontsoam-bahoaka, mikasika ny fakan’ny Fanjakana na ny vondrom-bahoaka tany na trano atao am-pihavanana ary mikasika ny sondro-didin’ny tany ? Saingy ahoana moa no hahafahan’ny olona noroahina tamin’ny taniny hiaro ny zony izay tsy fantany akory ?


Manomboka amin’ny famolavolana ka hatramin’ny fampiharana azy, ny lalàna dia mampiseho fa tsy latsaka anaty ny fiheverana ny lalàna ary tsy misy ny finiavana demokratika. Voafetra ihany ny fidirana any amin’ny fahalalana ny didy aman-dalàna satria avo loatra ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, tsy ampy ny fanapariahana ny lalàna voasoratra ary vitsy loatra ny Gazetim-panjakana3 atonta. Ny vahoaka anefa dia tokony hahazo ny lalàna nolaniana « tamin’ny anarany » mba ho tena zava-misy marina ny zo ary mba ho tanteraka ny fiheverana tsara rafitra ny fiainam-piarahamonina. Izany no tokony hataon’ny Fanjakana vaindohan-draharaha voalohany indrindra.



Noaoty :

1 Toy izany ohatra ireo didim-pitondrana mandamina ny fanasokajiana araka asa any amin’ny tsy miankina dia mbola ireo didim-pitondrana malazan’i Parodi… minisitry ny Asa tany Frantsa tamin’ny 1946 ihany !

2 Araka ny didy fampiharana lah. 2004-983 ny lalàna lah. 2004-030 ny 9 septambra 2004 mikasika ny ady amin’ny kolikoly.

3 Toy izany ny lah. 3699 ny 3 aogositra 2016 dia 357 no natonta.

Antananarivo, androany faha-08 Oktobra 2016