Rafi-pitsarana mampiroborobo ny tsy maty manota

Nanomboka ny 11 aprily farany teo dia notanterahin’ny mpirakidraharaha ny fanambarany hitokona. Dia mihitsoka mandritra ny fe-potoana tsy voafetra ny raharaham-bahoaka ary tsy misy miantoka raharaha na dia kely aza. Tsy toe-java-baovao io fikatsoana io fa, araka ny mahazatra, dia ny olona manan-draharaham-pitsarana no mivesatra sy tsy maintsy miaritra azy, nefa tsy fantany mazava akory izay fitakiana tsy nahazoana fahafaham-po nahatonga io fitokonana io. Nandova an’io olana io miampy ny an’ny mpandraharahan’ny fonja ilay Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana vaovao, ka toa voasaringotra ao satria hatramin’ny androany dia toa mbola tsy hita ihany izay laoniny hifanarahana.

Fa mbola misy raharaha tranainy hafa koa nolovain’ny Minisitra : ny kolikoly ao amin’ny Fitsarana eto Madagasikara. Miharihary ny fifanolanana eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpiasa ao, izany anefa tsy mahatakona velively ilay aretina hitan’ny olona fa mikiky ny tontolon’ny Fitsarana sy ny fiarahamonina rehetra eto Madagasikara amin’ny ankapobeny.


Lalàna tsy mahomby


Efa maherin’ny folo taona anefa izay no nanaovan’ny mpitondra nifanesy teto ho teny filamatra ny ady amin’ny kolikoly. Dia nankatoavin’i Madagasikara ary nataony sonia ny fifanekena iraisam-pirenena samihafa, toy ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana hiady amin’ny kolikoly1 ary ny Fifanarahan’ny Firaisambe Afrikana momba ny Fiarovana sy ny ady amin’ny kolikoly2. Ny 9 septambra 2004 dia nankatoavina ny lalàna lah. 2004-30 mikasika ny ady amin’ny kolikoly ary hita ho dingana lehibe izany, miampy ny fananganana ny rantsana isan-karazany sy ny rafitra hoenti-miatrika ny ady. Ary ao amin’ny Lalàmpanorenana 2010, sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, dia notakiana tamin’ny Filoha, ny mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimieran-doholona3 ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fanambaram-pananana mialoha ny handraisany ny andraikiny. Etsy an-daniny, tsy tamby isaina ny seminera sy ny fifanakalozan-kevitra isan-karazany hamolavolana tetika hoenti-miady amin’ny kolikoly !

Tsy afaka ny tsy hahita fa ny tetika narahina sy ny rafitra najoro dia samy tsy nahomby avokoa. Ny ady amin’ny kolikoly dia tsy hita taratra velively ho manomboka mihatsara eto amin’ny tanintsika. Tamin’ny 2015, ny Transparency International dia nampahafantatra ny laharana misy an’i Madagasikara ho faha 123 amin’ny firenena 168 ka 28/100 ny isa azony. Nahitana fitomboana ny isan’ny firenena nahavita nanatsara ny isa azony, fa i Madagasikara kosa, indrisy, dia anisan’ireo vitsy an’isa izay nahitana fa nihaloza kokoa ny kolikoly.


Ho fahombiazan’ny fanambaram-pananana


Ny tena kianina mafy indrindra dia ny kolikoly ao amin’ny tontolon’ny fitsarana. Ho fiarovana amin’io dia sambasamba nasaina nanao fanambaram-pananana koa ny mpitsara – toy ny mpanao fanjakana ambony hafa – ao anatin’ny telo volana nandraisany ny asany4. Io adidy io dia mihatra mandritra ny roa taona manaraka ny fitsaharan’ny asan’ilay olona. Izany fepetra izany dia noheverina fa hampitombo ny mangarahara eo amin’ny fanatanterahana asam-panjakana, hiantoka ny fahamarinan’ny mpiasan’ny Fanjakana ary hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka ny andrim-panjakana.

Nefa dia mampiahiahy ny fahombiazan’io tetika io raha ny fari-piainana aderaderan’ny sasany amin’izy ireo no jerena. Misy tokoa ny lalàna mikasika ny fitomboan-karena tsy fanta-piaviana5, saingy mba iza moa no manaja azy ary iza no mampihatra azy ? Ny SeFaFi dia vao haingana no mahimahina ny amin’izany6. Ny fomba iray hafa hoenti-miala amin’ny fanambaram-pananana dia ny mametraka ny volan’ny tena any amin’ny petrabola iray any ivelany. Momba izany indrindra, moa ve ny lalàna mamela ny olom-pirenena malagasy hanana petrabola any amin’ny banky any ivelany ?

  1. ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana an-Tampony no mangataka azy, raha heverina fa ilaina ny famoahana azy mba hamahana olana napetraka ara-dalàna tany aminy na misy ilàna izany hahitana ny marina ;
  2. raha ny Mpampanoa lalàna Jeneraly any amin’ny Fitsarana an-Tampony no mangataka azy satria nisy fitarainana napetraka, na nisy vaovao azony mety haha voatohintohina olona iray na maro nametraka ireny fanambarana ireny na naneho izany fanamarihana izany7.

Fa mihalohalo ny fifampitsinjovan’ny samy mpitsara ka very an-javona ny asa nantenain-ko vitan’ilay rafitra najoro. Ny fanambaram-pananana dia tsikaritra ho toy ny hafetsifetsena eny ambony latabatra fotsiny ka tsy ho lasa anisan’ny tetika enti-mampiroborobo ny mangarahara mihitsy.

Nahoana àry moa raha avadika ho azon’ny tompon’andraikitra mpanara-maso atao ny manamarina amin’ny fotoana tsy ampoizina an’ireny fanambarana ireny ? Izy io no hijery raha tena marina tokoa ny fanambarana, na dia tsy misy fitarainana na olana hafa akory aza. Hita fa tena ilaina io fitsirihana io satria voafetra ho ny harena sy ny fananan’ilay olona sy ny an’ny vadiny ary ny an’ny zanany mbola tsy ampy taona fotsiny no ao amin’ny fanambarana. Izany dia mamela malalaka ny fanaovana anarana indramina, izany hoe fahazoana misafelika amin’ny baikon’ny lalàna. Ary samy mahalala daholo fa ny fomba tsara indrindra hanafenana ny harena dia ny manoratra azy amin’ny anaran’olon-kafa.

Ary nahoana moa no tsy havoaka hiaraha-mahita ny fanambaram-pananana, tsy ny an’ny mpitsara fotsiny fa ny an’ny mpitondra rehetra voalaza etsy ambony ? Asam-bahoaka ny sahanin’ireo olona voalaza ireo. Noho izany izy ireo dia voafehy tsy maintsy hangarahara ara-toe-bola amin’ny anaran’ny tamberin’andraikitra ho an’ny olom-pirenena. Fanao tena faran’izay demokratika tonga dia mihatra ho azy izany any amin’ny firenena skandinavy, ohatra. Izany dia manafaka ny mpitondra amin’ny ahiahy ho manodinkodina volam-bahoaka na manampatra fahefana ka hahafahana manangana indray am-paham-pitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny manam-pahefana.

Ary farany, ny famoahana ho fanta-bahoaka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana dia hitondra fahazavana momba ny asan’ny fitsarana, matetika loatra mantsy no tsy mitovy ny fanapahan-kevitra mikasika raharaha mitovy, arakaraka ny « tosika » avy amin’ny andaniny na ny ankilany. Hita koa fa misy heloka bevava efa voaporofo ary tokony haha voasazy nefa dia mahagaga fa tsy misy sazy mihatra fotsiny izao. Noho ny fampiasana ny informatika dia tokony homena ny fitsarana daholo ny fitaovana rehetra ilainy ary hatsahatra ny fandraisana fepetra mihafihafy, mora ahodinkodina ary tsy mahomby.


Ny fampiharana ireo fepetra ireo dia azo antoka fa mitaky fampiasana olona ary mampitombo ny asa sahanina. Fa izay sahy maty mifono lambamena ! Tsy aleo ve izany toy izay hihanona foana amin’ny kabary feno fikasana tsara lahatra nefa avy hatrany dia toherin’ny zava-misy iainana isan’andro vaky. Ankoatra izany, tsy misy dikany ny mamoaka lalàna faran’izay tsara raha mbola tsy saziana izay olona mandika azy. Fa fitsarana inona no mivaky loha hanasazy ny mpandika lalàna ? Ny ohatra tsara indrindra dia hita tamin’ny nananganana ilay « Andiany Manokana miady amin’ny fanondranana an-tsokosoko andramena sy/na voamboana » ary ny fanenjehana ny fandikan-dalàna mikasika ny andramena sy/na ny voamboana : ny lalàna fehizoro lah. 2015-056 dia tsy misy dikany raha toa ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’io sampan-draharaha io mbola mahazo tombony ao anatin’ny rafitra miandany amin’ny tsy maty manota.



Naoty :

1 Neken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny 31 oktobra 2003, nosoniavin’i Madagasikara ny 10 desambra 2003 ary nankatoavina ny 22 septambra 2004.

2 Neken’ny Fihaonan’ny Firaisambe Afrikana ny 11 jolay 2003, nosoniavin’i Madagasikara ny 28 febroary 2004 ary nankatoavina ny 6 oktobra 2004.

3 Efa vita ve ho an’ny Antenimieran-doholona vaovao ?

4 Andininy faha-2 sy faha-3 Didim-panjakana lah. 2004-983 ny 12 oktobra 2004 nanafoana ary nanolo ny didim-panjakana lah. 2002-1127 ny 30 septambra 2002 namorona ny fanambaram-pananana ho an’ny antokon’olona ambony sasany sy mpiasam-panjakana ambony.

5 Lalàna 2004-030 ny 9 septambra 2004, andininy 183.1, momba ny ady amin’ny kolikoly.

6 « Mba tsy ho loza ny rahampitso... », Fanambarana ny 12 septambra 2015, ao amin’ny Manotrika atody lamokany, SeFaFi, 2016, tak. 77.

7 Didim-panjakana lah. 2004-983, andininy 9, ny 12 oktobra 2004.

Antananarivo, androany faha-07 May 2016