Savaranonando 2015

Manotrika atody lamokany...

Nisavoritaka izay tsy izy ny fiantombohan’ny Repoblika faha IV ka mba nanantena ny vahoaka fa handray an-tanana ny raharaha ny filoha Rajaonarimampianina ary hanome an’i Madagasikara an’ilay sori-dalana sy ilay tosika tena nilainy mafy saingy tsy nananany. Diso fanantenana anefa ny vahoaka satria dia taona iray very indray ny 2015 ary mbola miandry foana izay mpitondra sy tetik’asa hampiainga azy ny firenena…

Tahaka ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny fitondrana koa dia milaza ho nahavita nampisy ny fitoniana ara-politika sy nanangana ny andrim-panjakana. Rariny loatra anefa raha hisalasala ny amin’izany. Ny Antenimieram-pirenena dia ny hatevin’ny kitapom-bola andraviravezana azy no mahaliana azy kokoa noho ny fandrosoan-kevitra hampisy fitondrana tsara tantana ary tsy misy maro an’isa mitombina hita ao. Momba ilay « fifanarahan’andraikitra » nangatahin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana – izay noraisin’ny tompon’andraikitra politika ho toy ny fifanarahana an-tsoratra ampiasaina ho lalàna mifehy azy ireo -, tsy mbola nisy nahita na andalany iray amin’izy io aza, eny fa na dia ireo heverina ho nanao sonia1 azy aza.

Tsy ampy ny manangana fotsiny ara-bakiteny ny andrim-panjakana voalazan’ny Lalàmpanorenana, amin’izay mbola tratra aoriana be amin’ny tsy antony akory ny nananganana azy. Tsy maintsy jerena izay fahombiazany. Hatramin’ny androany dia mahia kaozatra ny zava-bitan’ny andrim-panjakan’ny Repoblika faha IV. Tamin’ny febroary 2015, ny SeFaFi dia nitsikera ny « fisavoritahan’ny Fanjakana », saingy tsy nisy na inona na inona natao mba hanamboarana an’izany. Mila hatevenina ny andrim-panjakana, mila fanitsiana ny lafiny sasany ao amin’ ny Lalàmpanorenana, amin’izay ny minisitera sy ny fitondrana dia mba ho azo itokisana sy ho azo antoka ara-politika. Ny politikan’ny fanapariaham-pahefana dia mahonena fa mampiharihary izany loatra.

Ny fifidianana kaominaly indray, izay tsy nandraisan’ny efa ho antsasaky ny mpifidy anjara (70% teto an-drenivohitra), dia mampiseho fa ratsy ny fandehan’ny demokrasia eto satria mbola tsy nomena ny toerana sahaza azy foana ny Fokontany. Mainka koa aza izy nanolotra fototra malemilemy ho an’ilay Antenimieran-doholona ho avy satria ny mpifidy lehibe dia nanalana tsotra izao ny mpifidy avy any amin’ny faritra sy ny faritany2 ; moa koa ny androantokon’ny mpikambana ao dia notendren’ny Filohan’ny Repoblika, ka inona àry sisa no maha demokratika ara-dalàna azy ? Satria ankoatra ny fifidianana na ny fanendrena tompon’andraikitra, dia mipetraka hatrany ny ahiahy hoe azo antoka ve sa sotrobe lava tango ny olona nalaina...

Lazaina koa fahombiazana hitany ny fampihavanana. Rehefa niala maina ny FFKM nefa dia navotan’ny Fanjakana an-tapitrisany maro ny hadedahany dia mbola misy manohy mifanasa vangy imasom-bahoaka foana ny filoha taloha sy ilay eo am-perin’asa. Ny didim-pitsarana ve mba ampiharina amin’ireny lazaina ho nifampihavana ireny tahaka ny atao amin’ny olom-pirenena hafa, sa noho ny satany dia lasa tsy maty manota tanteraka izy ?

Ankoatra izany dia mihombo ny tsy fahombiazana, indrindra ny momba ny fandriampahalemana. Na any ambanivohitra na an-tanàn-dehibe (avy any atsimo ka hatrany avaratra), dia lasa isan’andro vakin’ny vahoaka ny tsy fandriampahalemana, ny barofo, ny halatra, ary ny vonoana olona. Mateti-piavy ny fahadisoana amin’ny famonoana olona ataon’ny mpitandro ny filaminana, nefa mikiry biby ny etamazaoro niavian’izy ireny manambara fa tsy misy an’izany na dia efa miharihary aza ilay izy. Rehefa atolotra ny fitsarana ny jiolahy raindahiny na ny mpanao sinto-mahery dia eo no ho eo ihany dia avotsotra ka lasa manaraby ny olona niharan’ny ratsy nataony na mampitahotra azy hoe hanao valifaty, ka hahagaga ve raha manjaka fehizay ny fitsaram-bahoaka ?

Hita hatrany amin’ny faratampon’ny Fanjakana io toe-javatra io. Ny tambazotran’ny vondron’olon-dratsy mpanondrana andramena, volamena, omby, vatosoa, zavatra voaaro, ny PPN (ny tena filàna andavanandro) dia afaka misonanina tsy manahy na inona na inona. Milaza zavatra ny mbola tsy nisy nanohintohina mihitsy na iray aza tamin’ireo mpanondrana malaza izay efa fanta-bahoaka ny anarany, misy aza ny efa natolotry ny Bianco ny fitsarana3. Toy izany koa ireo tompon’andraikitry ny fanodinkodinam-bola tao amin’ny Jirama sy ny Air Madagascar. Mandritra izany rehetra izany dia ny haizim-pito no mitantana ny raharaham-Panjakana izay entina tsy misy fijerena amin’ny ankapobeny ny fampandrosoana ara-toekarena ny firenena.

Foana ny tahirim-bolan’ny fanjakana, eken’ny fitondrana avokoa rehefa mety ho fanekena hamatsy vola, raha tsy izay izy dia mangataka an’izany amin’ny alalan’ny tolo-barotra namboamboarina na tsy misy akory (mody atao hoe fiaraha-miombona antoky ny Fanjakana sy ny Tsimiankina). Io fankatoavana an-jambany izay rehetra atolotry ny mpamatsy vola io dia manaporofo fa tsy misy fitsaharany ny haratsin’ny politika atao, na ny an’ny mpanatanteraka na ny an’ny mpanao lalàna. Momba ny politikan’ny tontolo iainana dia tsy misy tetika hentitra, afa-tsy ilay fahazaran-dratsy mangataka any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mazava amin’izany fa efa tsy manan-doha hibaiko azy intsony i Madagasikara.

Noho izany rehetra izany ny SeFaFi dia matetika indrindra no efa nanahy ny hisian’ny faharavana tanteraka, na ara-politika, na ara-toekarena, na ara-tsosialy, mety hitranga izany. Eritreritra tena mampatahotra, indrindra moa fa ny fiarahamonim-pirenena dia ohatra ny tsy manana na ny herimpo na ny fahaizana manokana, na ny fahalalahan-tsaina hampahafantatra, hanazava na hampitandrina ny mpitondra sy ny vahoaka. Nanandrana nifehy ny fampahalalam-baovao sy ny fikambanana samihafa ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ny Fanjakana (toy izany ohatra ny satan’ny fiarahamonim-pirenena izay tsy andraikitry ny Fanjakana), araka izany dia sarotra ny hanantena fivoarana milamina sy maro karazana ho an’ny fiarahamonina.

Raha fehezina, azo atao tsara ny manentana ireo olona mitondra fiovana mahomby, tsy izany anefa ny an’ny fitondrana fa aleony mikiry biby tsy ho afa-po raha tsy amin’ny tenany ihany. Mampahatsiahy ilay fiteny mivantambantana mahalaza tsara ny teo-javatra hoe : manotrika atody lamokany.



Indreto ny mpikambana ao amin’ny taona 2015

ANDRIAMANDRANTO Ralison
RABENARIVO Sahondra
RAFITOSON Ketakandriana
RAKOTONIAINA Annie
RANDRIANITOVINA Parfait
RAZAFIMANDIMBY Noro
URFER Sylvain

Filoham-boninahitra : RAMAHOLIMIHASO Madeleine



Naoty :

1 Tamin’ny filazana navoakany tamin’ny 2 sy 22 jiona 2015 ny SeFaFi dia nanolo-kevitra ny hanaovan’ny Prezidansa sy ny Antenimieram-pirenena fifanarahana izay « handamina ny fomba hiarahan’izy ireo miasa mandra-pahatapitry ny fe-potoana hiasana araka ny lalàna, (ary) hanery ny solombavambahoaka rehetra hiverina any amin’ny safidy politika lanin’ny vahoaka fony izy nifidy azy, ary hampahalala ampahibemaso na manohana ny antokon’ny filoha sy ny fitondrana izy na miandany amin’ny mpanohitra ».

2 Lalàna fehizoro 2015-007 mamaritra ny lalàna mikasika ny fiasan’ny Antenimieran-doholona sy ny fepetra hifidianana ary hanendrena Loholon’i Madagasikara, and.127.

3 Ahoana ny amin’ny raharaha Bekasy ?

Antananarivo, androany faha-31 Desambra 2015