Teny malagasy sy Frankofonia

Herinandro vitsy sisa dia hatao eto Antananarivo ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia, nefa samy mbola vaka daholo ny sain’ny rehetra. Ny maha sahirana ny manam-pahefana dia ny hampiaiky fa tsy misy mihitsy ny olana hany ka arantiranty avokoa izao ravaka rehetra mety hahajemby ny mason’ny Filoham-pirenena nasaina izao. Fa mangina tanteraka kosa izy momba ny volam-panjakana holaniana amin’io fihetsiketsehana io ary momba ny fifanekena PPP nifanarahana ao amin’ny sehatry ny Tetik’asan’ny Filoham-pirenena1, na dia efa nangataka izany tsy an-kijanona aza ny fiarahamonim-pirenena. Ny azo antoka aloha dia ity : hovidiantsika lafo io fihaonana an-tampony io, tsy noho ny ara-pitaovana fotsiny akory, na ara-bola, na ara-toekarena. Satria mantsy misy fanontaniana lalim-be kokoa mipetraka : inona no azontsika ho tambin’izy io ? inona no asa ataon’ny frankofonia eto amin’ny tanintsika ? Tsy maintsy mandini-tena isika mba hahatakarana tsara ny zava-misy iainantsika ka handraisana ny fanapahan-kevitra mahasoa ny hoavintsika.


Tsy maintsy atomboka amin’ny teny malagasy
ny fampiasana tenim-pirenena maro


Manana tombony iray manokana i Madagasikara raha mihoatra amin’i Afrika : tokana ny teniny izay hatevenin’ny fiteny miova kely isam-paritra2. Misy olana apetrak’izany anefa dia ny fisafidianana izay fitenim-paritra anankiray hampiasain’ny rehetra ho tenim-pirenena. Efa nisedra io olana io avokoa ny ankamaroan’ny firenena (Frantsa, Italia, Alemana) ary tsy mba ny lanieran’ny besinimaro loatra no fomba nenti-namaha azy. Mandrakariva dia ilay fitenin’ny olona tompon’ny fahefana no tsy maintsy ampiasain’ny mponina rehetra amin’ny ankapobeny.Tsy afa-bela tamin’io lojika io ny teto Madagasikara satria dia ny fiteny merina no zary lasa teny malagasy ofisialy (noho izy nampiasaina tamin’ny gazety sy ny fampianarana).

Io no zavamisy izay mahafa-po ny Merina saingy mamparisarisa ny olona manana fitenim-paritra hafa. Tsy vitan’ny hoe tsy misy didy ofisialy na iray aza manamafy io zavamisy io, fa ny fiteny hafa koa mazàna tsy raharahain’ny gazety eto an-toerana sy ny teti-pampianarana. Mba misy ihany indraindray asa soratra mivoaka manome lanja ny sasantsasany amin’izy ireny3, saingy tsy misy fiantraikany firy izany. Noho izany dia tokony hiroso haingana dia haingana amin’ny fifanakalozan-kevitra goavana mahasahana ny firenena manontolo, mba handinihana an’io olana fototra io, ary mba hahitana vahaolana iray mahafa-po ny rehetra ka ho azo ampiharina. Nisy fotoana niresahana ny hamoronana « malagasy iombonana » izay haka voambolana any amin’ny fitenim-paritra samihafa any, saingy tsy lasa lavitra io fikasana io : ny mpandalina ny teny moa tsy tena narisika, ary ny mponina voakasik’ilay izy tsy nisy rototra. Dia tavela teo toa sokina nanani-bato.

Mandritra izany fotoana izany ilay teny malagasy dia mihasimba foana, tsikelikely fa tsy hay tohaina, ary mainka koa hanimba zavatra ny fahalasanan’ireo telo mianadahy mendrika loatra tamin’ny fiarovana azy, dia i Henri Rahaingoson, i Juliette Ratsimandrava ary Rajaona Andriamananjara. Fiteny efa ifanarahan’ny tanora sisa no ampiasainy ankehitriny, hany ka ny « w » sy ny « x » izay tsy misy ao amin’ny alfabeta malagasy izao dia mandrakotra ny dokam-barotra… amin’ny teny malagasy.

Ny endrika iray hafa isehoan’io olana io ihany dia mitondra antsika hankany amin’ny frankofonia. Nosy i Madagasikara, latsaky ny 25 tapitrisa ny mponina ao izay mampiasa ny teny malagasy (zara raha mihoatra kely fotsiny ny isan’ny mponina ao amin’ny tanànan’i Mumbai any India), tsy azo eritreretina velively izany hoe teny malagasy izany ka hahazo toerana any ivelany. Amin’izao fotoana ianantsika izao dia tsy mety mihitsy, ary tena famonoan-tena aza, ny hianona fotsiny amin’ny tenin’ny tena sy ny kolontsain’ny tena. Tsy maintsy manana teny iraisam-pirenena iray na maro izy hoenti-mifandray amin’ny firenen-kafa. Noteren’ny fanjanahantany izy hampiasa ny teny frantsay, toy ny nahazo ny firenena maro hafa, indrindra taty Afrika. Ny fahasamihafana lehibe kosa dia ity : ny ankamaroan’ireny firenena ireny dia samy nanana teny ampolony maro tsirairay avy daholo, hany ka lasa teny niombonan’ny rehetra ny teny frantsay, tahaka ny teny anglisy tao Afrika Atsimo sy tany Nigéria na tany India. Fa ny teto Madagasikara, ny tantara vao nodiavina tao ho ao dia mainka koa nampihombo ny fahavoazana.

Nanomboka ny taona 1978 mantsy, ny fandaharana asa ho an’ny « Fanagasiana » nataon’ny filoha Ratsiraka dia novinavinaina hamerina ho an’ny teny malagasy ny toerany rehetra tao amin’ny fitondrana sy tao amin’ny fampianarana. Mendri-piderana tokoa ilay vina ary nanampy tamin’ny famahoahana ny fampianarana, saingy tena namohehatra kosa ny fomba nampiharana azy. Tsy ampy velively mantsy ny ezaka nenti-mamaritra mazava izay teny malagasy hampiasaina, nenti-mamorona izay fitaovam-panabeazana nilaina ho an’izany, nenti-mandrafitra fiteny vaovao (siantifika, tekinika sy ny hafa), na nenti-manofana mpampianatra. Nankasitraka ireny fanovana ireny i mompera Rémy Ralibera saingy nitsotra izy taty aoriana hoe : « Ho ahy ireny dia karazana fandripahana taranaka ara-kolontsaina »4.

Taty aoriana, ny Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana tamin’ny 2007 dia nanamarika ao amin’ny andininy faha 4 fa « ny malagasy no tenim-pirenena. Ny malagasy, ny frantsay ary ny anglisy no teny ofisialy ». Ao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny 2010 anefa dia tsy misy resaka teny ofisialy intsony satria io andininy faha 4 io ihany no mametra fa « ny malagasy no tenim-pirenena ». Miharihary amin’izany fa tena mbola tsy voavaha ny olana ary mbola tafajanona ho zava-misy tsy maintsy atrehina.


Miainga amin’ny teny frantsay mankany amin’ny Frankofonia


Raha jerena ny antontan’isan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (2015), ny 46 %-n’ny Malagasy dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary tsy mampiasa afa-tsy ny malagasy rehefa miteny sy mifandray. Ny teny frantsay anefa no mbola ampiasaina amin’ny fampianarana, saingy ireo andiana mpanabe nifandimby (mpampianatra amin’ny fanabeazana fototra, amin’ny kolejy sy amin’ny lisea, ary mazava ho azy ireo mpampianatra FRAM malaza) dia miha tsy mahafehy azy tanteraka hatrany. Ry zareo ao amin’ny saranga antonony sy ambony kosa dia menatra raha tsy mahafehy ny teny frantsay, satria « io no mari-pamantarana ety ivelany fa manankarena izy ». Izany no isafidianany ny sekoly miteny frantsay nefa, afa-tsy ireo sekoly nankatoavin’ny AEFE (Biraon’ny Fampianarana Frantsay any Ivelany), dia tsy azo antoka loatra izy ireny sady goragora. Iva dia iva ny taham-pahombiazana amin’ny CEPE (58,7 % tamin’ny 2016), izany dia efa lakolosy fanairana tokony hanainga fikaonandoham-pirenena mikasika ny fampianarana amin’ny ankapobeny sy ny teny enti-mampianatra indrindra indrindra. Ilaina ve ny fananana tanora zara raha miteny frantsay nefa koa mikaviavia raha miteny Malagasy ? Ambony be ny tahan’ireo mitsoaka an-daharana eo anelanelan’ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa : izany ve tsy azo heverina ho noho ny tsy fisian’ny fifanarahana eo amin’ny mpianatra sy ny zavatra ianarany ? Na noho ny tsy nahazoany an’ilay teny na ilay fitenim-paritra nenti-nampita tany aminy an’ireo fahalalana natao hitaizana ny sainy ?

Izany mihitsy no tokony hampiasana an’ilay fihaonana an-tampon’ny frankofonia hatao ato ho ato. Saingy aiza ho aiza isika ankehitriny ? 1,5 tapitrisa amin’ny Malagasy, izany hoe 6 %-n’ny mponina, no mahafehy ny teny frantsay, na am-bava na an-tsoratra5. Ireo miteny anglisy moa tsy fantatra izay isany, fa dia vitsy aloha. Tsy maintsy misy safidy atao, saingy ampolon-taonany maro izay ny tompon’andraikitra no tsy sahy nanao azy. Atomboka amin’ny teny malagasy ny sekoly (marihina mazava ny fitenim-paritra ampiasaina), aorian’izay dia hatevenina araka izay azo atao ny teny frantsay, tsy hitera-pahavoazana ho an’ny fampianarana amin’ny teny malagasy. Mandritra ny ambaratonga faharoa dia omena toerana ny teny vahiny iray hafa ahafaha-mifandray amin’ny firenen-kafa (anglisy, sinoa, arabo, na espaniola). Amin’izay ny mpianatra dia sady hahafehy ny teny frantsay no hahay teny iraisam-pirenena iray hafa. Mitaky ny fanamboarana izay boky ianarana azy izany rehetra izany, mitaky fanofanana mpampianatra mahomby ihany koa. Tsy ampy ny maka fanapahan-kevitra manidintsidina fotsiny any, araka ny fanao mahazatra eto amintsika, ka tsy miraharaha akory izay ho fandehany mandritra ny folo taona manaraka…

Mety hanampy amin’izany ve ny frankofonia ? Araka ny filazan’ny OIF (Fikambanan’ny Firenena miteny Frantsay) dia « tamin’ny taona 188O no nipoitra voalohany ny teny hoe frankofonia, ilay mpahay jeografia frantsay atao hoe Onésime Reclus no nampiasa azy mba hanondroany ny olona sy ny firenena miteny frantsay. Nanomboka teo dia frankofonia natao « f » kely no nampiasaina rehefa manondro ny mpiteny frantsay ary Frankofonia natao « F » lehibe rehefa manondro ilay rafitra ara-panjakana mandamina ny fifandraisan’ny firenena miteny frantsay »6.

Tsara marihina koa fa eo amin’ny sehatra politika dia misahana faritra jeografika midadasika ny frankofonia, ny teny frantsay tsinona tsy azo fehezina fotsiny amin’ny lafiny maha teny azy, tsy mety koa ho tsy momba ny atsy na ny aroa na ara-kolontsaina na ara-politika, indrindra atsy Afrika sy aty Madagasikara. Olona miteny frantsay 274 tapitrisa no mivondrona ao, mipariaka any amin’ny kaontinanta dimy ; tsy dia mankaiza loatra io isa io eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nefa kosa izy dia milina ara-panjakana izay ahitana, ankoatra ny OIF, ny Fihaonana an-tampon’ny filoham-Pirenena, ny Sekretarià Jeneralin’ny Frankofonia, ny Birao Oniversiteran’ny Frankofonia ary ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Ben’ny tanàna Frankofona. Ambonin’izany izy dia manana fitaovan-tserasera azy manokana, ny TV5 Monde, izay sady mampahalala vaovao no mampita soatoavina sy fomba fisaina ary fomba fiaina tandrefana.


Ny tokony hoeritreretintsika noho izany dia ny hahalala hoe fomba ahoana no hahafahan’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia mivaofy sy manazava ary manambara izay tadiavintsika. Inona ny teny hampiasaina isan’andro any an-tsekoly sy any amin’ny birao ? Inona ny politika ara-pitenenana hampiharina ? Tsy ampy hiantoka ny fahasalaman’ny tenin’ny renintsika raha izay fankalazana ny teny malagasy indray mandeha isan-taona, fankalazana an-kosotra ihany. Toraka izany koa ny fanavaozana ivelany fotsiny toy ny fananganana ambaratonga telo vaovao samy maharitra telo taona avy, hasolo ny ambaratonga roa ankehitriny ny iray maharitra 5 taona ary ny iray 4 : tsy hampihomehy ny olona fotsiny io fanavaozana io fa hanasarotra koa ny fiainan’ny sekoly ary tsy hamaha velively ny tena olana marina eo amin’ny fanabeazam-pirenena. Tsy maintsy manaraka ny lalana tokony halehany ny fandinihana, manaraka malaky ary indrindra mateza, satria efa mitatao ny loza. Tiantsika ve sa tsia ny mijanona ho frankofona ? Tsy maintsy lanjalanjaina izay mety ho tombony amin’izany, ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena, ara-kolontsaina sy ara-politika ; raha atao bango tokana dia dinihina, iadiana hevitra, resahina, fa tsy andosirana hatrany hatrany io lohahevitra mavaivay io ka ny hany imatimatesana dia ny rendrarendra sy ny lanonam-be ho avy. Nahoana moa no tsy hararaotina ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia mba hiadian-kevitra mivantana amin’izay mpiandraikitra voakasik’izany ? Amin’izay dia mba hisy hilàna azy ity raharaha be tsy mba nakana izay hevitry ny olom-pirenena ity na iray aza.



Naoty :

1 Ohatra iray, ny fepetran’ny fifanarahana tamin’ny China Harbour Engeneering Company, ho an’ny fanamboarana lalana migodàna mampifanohy, tsy misy fantatra.

2 Ny maha tokana ny kolontsaina malagasy, ao anatin’izany ny teniny, dia hamarinin’ny anganon’Ibonia, satria ahitana an’io lohahevitra io avokoa na ny angano antemoro, antambahoaka, merina, masikoro, sakalava, antankarana, antanosy, vezo, sns. Jereo François Noiret, Le mythe d’Ibonia, le grand prince (Madagascar), Karthala et Foi & Justice, 2008. Hisy boky faharoa hahitana tantara efatra vaovao, hivoaka amin’ny 2017.

3 Tahaka izany ny andian’Angano malagasy : Tsimamanga sy angano malagasy hafa amin’ny fiteny masikoro (nadika sy natolotr’i Velonandro), Foi & Justice, 2016 ; L’origine des choses. Récits de la côte ouest de Madagascar (nadika sy natolotr’i Velonandro), Foi & Justice 1995 sy 2002. Ny Angano antankarana (1990) sy Angano betsimisaraka (1992) nadika sy natolotr’i P. Maurice Schrive, efa tapitra ary mbola hatontan’ny Foi & Justice fanindroany amin’ny 2017.

4 Jereo Rémy Ralibera, Souvenirs et témoignages malgaches. De la colonisation à la III° République, tak. 166 (sy ny toko IX manontolo : La « malgachisation », un génocide culturel ?, tak. 165-180), Foi & Justice, 2007.

5 Jereo L’Express de Madagascar tamin’ny 29 aogositra 2014, « Francophonie : 1,5 million de Malgaches maîtrisent le français ».

6 Sitan’ny OIF : http://www.francophonie.org/-Qu-est-ce-que-la-Francophonie-.html

Antananarivo, androany faha-05 Novambra 2016